Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-dison’ny andro farany


“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-dison’ny andro farany,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-dison’ny andro farany

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra fa “ny Bokin’i Môrmôna dia mampiharihary ny fahavalon’i Kristy [ary] manaporofo ny mahadiso ny fotompampianarana sandoka” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 142). Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hamantatra ny tetika ampiasain’ny fahavalo handravana ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny mpianatra dia hamaritra ihany koa ny fomba ahafahany mahazo ny fanampian’ny Mpamonjy mba hanamafisana ny tenan’izy ireo mba hahatohitra ireo tetikady toy izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Naminany momba ireo fampianaran-dison’ny andro farany i Nefia.

Angataho ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay naha-tsy voaro azy ireo (na olona iray fantany) tamina hevitra na fampianarana izay nanimba na nanohitra ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Asao hizara fohifohy ny zavatra efa niainany ny mpianatra iray na roa.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna miaro antsika amina hevitra na fampianarana izay mety hanimba ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? (Hevero ny hamerina hijery ireo fanambarana nataon’ny Filoha Benson sy ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe Fampianaran-diso. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny 2 Nefia 28:7–9, 20–22, 29–30 ary hijery ireo fampianarana izay mety raha apetraka eo ambanin’io lohateny io. Avy eo dia soraty eo ambanin’ilay lohateny eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra.

  • Inona no ohatra sasany amin’ireo fampianarana ireo izay fantatrao amin’izao androntsika izao? Amin’ny fomba ahoana no ikatsahan’ireo fampianarana ireo ny hanimba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Inona no nataonao mba hiarovanao tena tamin’izany hevi-diso izany?

Nikatsaka izay handravana ny finoana an’i Jesoa Kristy i Serema sy i Nehôra ary i Kôrihôra.

Mariho fa tao anatin’ireo nampianatra fotopampianaran-diso ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nahitana antikristy telo: i Serema sy i Nehôra ary i Kôrihôra. Samy nanandrana namotika ny finoan’ireo izay nino an’i Jesoa Kristy ny tsirairay tamin’izy ireo.

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hamerenana hijery ny tantara nifantohan’izy ireo tao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra izay tsy nandalina ny iray amin’ireo tantara ireo hanao izany mandritra io fotoana io.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra nanaovana izany dia asao izy ireo hamorona vondrona kely miaraka amin’ireo izay nandalina ny tantara mitovy amin’ny azy ireo. Angataho hanendry mpikambana iray ao amin’ny vondrona mba ho mpitarika ny vondrona ny vondrona tsirairay. Omeo ny tahadikan’ny taratasy zaraina nampiarahina amin’ity lesona ity izay mitondra ny lohateny hoe “Mampiharihary ny tetik’i Satana” ny mpitarika vondrona tsirairay.

Mampiharihary ny tetik’i Satana

Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra—Lesona 22

Fanamarihana ho an’ny mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Tariho hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ny vondrona misy anao. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hampiasa soratra masina sy ireo fanambarana nataona mpitarika ato amin’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Amporisiho handray anjara ny mpikambana rehetra ao amin’ny vondrona misy anao. Na izany aza, tsy tokony hisy olona hahatsapa ho voateritery hizara ny eritreriny.

  1. Inona no tetika nampiasain’ity antikristy ity hanimbana ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  2. Inona avy ireo ohatra maoderina amin’ireo hevi-diso ampianarina na fiantomorana ampiasain’ny antikristy ao amin’ity tantara ity? Ahoana no fomba ampielezan’i Satana ireo hevitra ireo amin’izao androntsika izao?

Mivonòna hizara tetika iray sy ohatra maoderina iray amin’io tetika io amin’ny iray kilasy ambiny.

Mampiharihary ny tetik’i Satana

taratasy zaraina avy amin’ny mpampianatra

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra dia asao ny mpitarika ny vondrona tsirairay hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny paikadin’i Satana iray na maromaro izay hitan’ny vondrona misy azy ireo sy nifanakalozany hevitra. Amporisiho hizara fohifohy ohatra maoderina amin’ny iray amin’ireo tetika ireo ny mpitarika vondrona tsirairay. Mety hanoratra fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo:

  • Mampiasa fanasohasoana sy herin’ny lahateny i Satana mba hitarihana ny olona hiala amin’ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny mpaminaniny (jereo ny Jakôba 7:4). (Mety hanampy ny fanindriana fa matetika ireo izay mamely ny finoantsika dia manao izany amin’ny fampiasana ampahana fahamarinana, fiteny manaitra, tohan-kevitra tsy mifandanja, fehezan-kevitra iaingana misy hevi-diso ary zava-misy raisina ivelan’ny sahan-kevitra misy izany. Manaitra ny mpihaino ireny tohan-kevitra ireny matetika ary toa tena mitombina ny fahenoana azy saingy voakajy hiteraka fisalasalana. [Jereo ny Dallin H. Oaks, “Reading Church History” (lahateny natao ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 16 aog 1985), 1–27.])

  • Mampiasa lainga mifangaro amin’ny fahamarinana i Satana hamitahana olona (jereo ny Almà 1:4; jereo ihany koa ny Jakôba 7:7).

  • Mampiasa fotopampianaran-diso i Satana hisarihana antsika tsy hiraharaha an’ Andriamanitra ary hanamarina ny fanaovana fahotana (jereo ny Almà 1:4; 30:17–18).

  • I Satana dia mikatsaka izay hanafoanana ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanesoana ny faharanitan-tsain’izy ireo na ny zavatra inoany (jereo ny Almà 30:13–16, 27–28).

Fanamarihana: Raha mizara ohatra maoderina izay mety hiteraka tsy fifankahazoan-kevitra na fifandirana ny mpianatra dia araho ny Fanahy hanazavana ireo fanambarana diso sy hitarihana ny fifanakalozan-kevitra hiverina amin’ireo fahamarinana ampianarina ato amin’ity lesona ity.

Aorian’ny fanehoan-kevitra ataon’ireo mpitarika vondrona dia hevero ny hanontany hoe:

  • Inona no zavatra nisongadina indrindra taminao momba ny fomba namalian’i Jakôba sy i Gideona ary i Almà ny teny sy fihetsik’ireo antikristy?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Afaka mandresy ireo fanamby amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika amin’ny alalan’ny …

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mamantatra sy mahatakatra fotopampianarana sy fitsipika. Avelao ireo mpianatra hamantatra fahamarinana avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Asao izy ireo hanazava ny antony nahatonga ny fahamarinana sasantsasany hiavaka tamin’izy ireo. Angataho ihany koa ny mpianatra handinika izay zavatra ampianarin’ireo fitsipika sy fotopampianarana azy ireo momba an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana ary hahatsapa ho nahazo aingam-panahy hampihatra izany.

Asao ireo mpianatra hameno io fanambarana io amin’ny fampiasana ny zavatra nianarany avy amin’ny teny sy ny fihetsika nataon’i Jakôba sy i Gideona ary i Almà. Mety hameno ilay fehezan-teny amin’ny sasany amin’ireto fomba manaraka ireto ny mpianatra:

  • … fahatsiarovana ireo zavatra niainana taloha izay nanatanjaka ny finoantsika Azy (jereo ny Jakôba 7:5).

  • … fianteherana amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny Jakôba 7:8).

  • … fianteherana amin’ny tenin’ny mpaminany sy fizaràna ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (jereo ny Jakôba 7:9–12; Almà 1:7; 30:39–44).

  • … fahatokiana an’ Andriamanitra sy famelana ny vokany ho eo an-tànany (jereo ny Jakôba 7:13–14).

Angataho ny mpianatra hisaintsaina hoe iza amin’ireo fehezan-teny nofenoina eo amin’ny solaitrabe ireo no efa niainany manokana. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara izay zavatra fantany sy izay fahatsapany momba ilay fehezan-teny nofidiany.

Mba hamporisihana ny mpianatra hanao zavatra marina dia hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanasa ny mpianatra hisaintsaina ireo andiana fanontaniana hitany fa tena misy ifandraisany amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.

  • Moa ve misy olona, blaogy na tranonkala arahiko izay manimba ny finoako an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny? Raha eo anatrehan’ny zavatra nianarako sy tsapako androany dia inona no tokony hataoko mba hiarovana tsara kokoa ny finoako amin’ireo izay mitady hanimba izany?

  • Iza no fantatro fa manana olana amin’ny finoany noho ny fitaoman’ireo hafatra na olona manohitra an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny? Eo anatrehan’ny zavatra nianarako sy tsapako androany dia inona no azoko lazaina na atao mba hanampiana io olona io hanamafy orina ny finoany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana am-pahatokiana kokoa ny Bokin’i Môrmôna mampitombo ny heriko mba hanoherana olona na hafatra izay mikatsaka izay hanimbana ny finoako? Inona no azoko atao hanatsarana ny fomba fiasa ampiasaiko ankehitriny amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona avy ireo fomba manokana ahafahako manasa ny Mpamonjy hanampy ahy hanangana na hanamafy orina ny finoako Azy sy ny filazantsarany?

Ho an’ny fotoana manaraka

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fitsapana momba ny fankatoavana izay sarotra indrindra tamin’izy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo hatreto. Avy eo dia asehoy azy ireo ny sarin’ny Mpamonjy tany Getsemane iray, dia asao izy ireo handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny lesona manaraka miaraka amin’ny tanjona hianatra avy amin’i Jesoa Kristy momba ny fomba hitokisana sy hankatoavana ny torolalana avy amin’ny Ray any An-danitra.