Institiota
Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy


“Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy

Ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana azo amin’ny alalany. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanazava ny fomba hanavotana antsika amin’ny Fahalavoana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Hamaritra ny zavatra azony atao ihany koa ny mpianatra mba hianteherana bebe kokoa amin’ny Mpamonjy mba hanampy azy ireo handresy ny fironan’izy ireo manokana amin’ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo azy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampahafantaro ny mpianatra ny vokatra andrandraina avy amin’ny fianarana. Ny vokatra andrandraina avy amin’ny fianarana dia fehezan-teny mamaritra ny fahalalana sy ny fahaiza-manao izay tokony horafetin’ny mpianatra mandritra ny fianarany. Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ireo vokatra andrandraina ao amin’ny fampidirana ny lesona tsirairay. Ireo vokatra voalaza ireo dia afaka manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hiara-handrefy ny fahombiazan’ny fandalinana sy ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo.

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny ilàna ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Asehoy ity fanontaniana tsy feno ity: Mety ho toy ny ahoana ny fiainako raha tsy misy …?

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ireo fomba azony hamenoana ilay fanontaniana dia manehoa sary na teny vitsy isan-karazany. Asao ny mpianatra hiresaka fohy miaraka amin’ny namana iray ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana avy amin’ny zavatra na hevitra tsirairay. Afaka mampiasa ireo sary miaraka amin’ny lesona ianao na sary nofidianao manokana. Alaivo antoka fa maneho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ny sary farany mba hahafahan’ny mpianatra miresadresaka izay mety ho endriky ny fiainany raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

zatovovavy mihazona finday
zatovovavy mihomehy
ray aman-dreny sy zazakely mihomehy
I Kristy tao Getsemane, nataon’i Harry Anderson

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Raha tsy misy ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, isika dia ho …

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nanao toriteny manan-danja momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Jakôba sy i Amioleka. Angataho ny mpianatra hamerina hamaky ny 2 Nefia 9:6–10 sy ny Almà 34:9, dia hitady ireo andian-teny azon’izy ireo ampiasaina hamenoana ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo andian-teny avy amin’ireo soratra masina ireo izay azontsika ampiasaina hamenoana ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe? (Rehefa mizara fomba isan-karazany hamenoana ilay fehezan-teny ny mpianatra dia soraty eo ambanin’izany eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety hahita fahamarinana mitovy amin’ity iray ity ny mpianatra: Raha tsy misy ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia tsy ho azontsika ihodivirana ny hahafatesantsika. Isan’ny fahamarinana hafa mety ho hitan’izy ireo ireto manaraka ireto: Raha tsy misy ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia ho nesorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra isika, tsy hitsangana intsony, hofehezin’ny devoly, ho lasa tahaka ny devoly, ho nitoetra tao anatin’ny fahoriana, ary hohazonin’ilay biby mahatsiravin’ny fahafatesana sy ny helo. Asao ireo mpianatra hanazava ny tian’ireo andian-teny holazaina.)

  • Inona ilay “biby mahatsiravina” nofariparitan’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:10? Nahoana ilay izy no mahatsiravina toy izany? (Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra ny antony mahatonga ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy tsy misy fitsaharana hanakana antsika tsy ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra. Mariho fa ny fahafatesana ara-panahy dia sady vokatry ny Fahalavoana no vokatry ny tsy fankatoavantsika manokana. Jereo ny “Death, Spiritual (Fahafatesana, ara-panahy)” sy ny “Death, Physical (Fahafatesana, ara-batana),” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org.])

  • Nahoana no manampy antsika hahatakatra ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy ny fanekena ireo vokatry ny Fahalavoana?

Iaraho vakiana ny 2 Nefia 9:11–12, 19–22 dia asao ny mpianatra hitady ireo fomba hanavotan’i Jesoa Kristy antsika amin’ “io biby mahatsiravina” (andininy 10) an’ny fahafatesana sy ny helo io.

  • Ahoana no hanomezan’i Jesoa Kristy antsika fahafahana handositra “io biby mahatsiravina” an’ny fahafatesana sy ny helo io?

  • Inona no tsapanao momba ny Mpamonjy noho ny fahafantaranao fa sady vonona izy no afaka manafaka anao amin’ny fahafatesana sy ny helo?

Ampahatsiahivo an’ny mpianatra fa i Jakôba sy i Amioleka dia samy nilazalaza ny amin’ny ilàna ny hanaovana sorompanavotana na sorona “tsisy fetra” (jereo ny 2 Nefia 9:7; Almà 34:10). Asao ny mpianatra hamaky indray ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Tad R. Callister ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, dia hitady ireo fomba maha-tsy misy fetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy misy fetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

  • Misy fiantraikany eo amin’ny fahatakaranao sy ny fomba hiatrehanao ny adinao sy ny olanao manokana amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa tsy manam-petra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

  • Inona no azonao atao mba hanehoana amin’ny Tompo fa ianao dia mino fa afaka manampy sy mamonjy anao ny Sorompanavotany tsy manam-petra? (Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hanoratra ny eritreriny.)

Nampianatra ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina fa afaka manaisotra ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo.

Asehoy ity teny nambara manaraka ity: “Ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama” (Môzià 3:19). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Mpanjaka Benjamina no nampianatra io fahamarinana io.

Iaraho vakiana ny Môzià 3:19 dia asao ny mpianatra hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany momba ny fandresena ny olona araka ny nofo.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ka afaka manampy antsika handresy ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo ao anatintsika? (Mety hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Rehefa manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika dia hanampy antsika i Jesoa Kristy hanaisotra ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo ka ho lasa olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany io fitsipika io dia hevero ny hametraka ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto araka ny filàn’ny mpianatra:

  • Midika inona aminao izany hoe “manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina” izany? Ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina anao handresy ireo zavatra hironan’ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo?

  • Nahoana ny fanesorana ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo no tsy mitranga raha tsy rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ihany isika?

  • Ahoana no nanampian’ny fianteherana tamin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy anao tamin’ny ezaka nataonao ho lasa olomasina, na olona nohamasinina sy manana toetra tahaka an’i Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 3:19 mitondra fanantenana sy hery ho antsika rehefa toa tsy afaka mifehy na mandresy ireo filàna sy fihetseham-po tsy hay tohaina an’ny olona araka ny nofo isika?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hieritreritra lafin-javatra iray eo amin’ny fiainany izay mety hananan’izy ireo olana eo amin’ny filàna, ny faniriana, na ny fihetseham-po tsy hay tohaina an’ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto dia asao ny mpianatra hisaintsaina sy hanoratra ny eritreritra sy ny zavatra tsapan’izy ireo:

  • Inona no mety hanakana ahy tsy hanaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

  • Iza amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy voafariparitra ao amin’ny Môzià 3:19 no mila ananako bebe kokoa?

  • Inona no asa tokony hataoko mba hahafahako mandray fanampiana lehibe kokoa avy amin’ny Mpamonjy eo am-piezahako hanana io toetra tahaka ny an’i Kristy io?

Farano amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa nanavotra antsika tamin’ny Fahalavoana i Jesoa Kristy ary afaka manavotra antsika amin’ny fahotantsika manokana sy manova antsika ho lasa tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra bebe kokoa.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo ady ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po, na ara-panahy izay mety hiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo eo am-pandalinany ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka mba hieritreritra ny fomba azon’i Jesoa Kristy hanampiana azy ireo amin’ny ady hatrehany.