Institiota
Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny hery mampaherin’i Jesoa Kristy


“Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny hery mampaherin’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny hery mampaherin’i Jesoa Kristy

Ny Bokin’i Môrmôna dia manitatra ny fahatakarantsika ny halehibe sy ny halalin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mianatra isika avy amin’izany fa tsy vitan’ny hoe manolotra antsika ny fahafahana ho voadio amin’ny fahotana fotsiny i Jesoa Kristy, fa afaka mankahery sy manampy antsika ihany koa Izy manoloana ireo rofintsika sy fahalementsika. Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava sy hijoro ho vavolombelona momba io fotopampianarana io. Homena fahafahana ihany koa ireo mpianatra mba hamantatra ny zavatra azony atao mba hanasa bebe kokoa ny fahasoavan’ny Tompo hiditra ao amin’ny fiainany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Eritrereto ny mpianatra eo am-panombohanao. Nanana ny zavatra niainany sy ny fahalalany ary ny fanontaniany ireo mpianatra mialoha ny nahatongavany tao amin’ny fotoam-pianarana. Azontsika avela ho fototra iaingana ny fahatakaran’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao rehefa mitarika azy ireo amin’ny alalan’ny dingan’ny fianarana isika. Ato anatin’ity taranja ity, rehefa manomboka ny fotoam-pianarana ianao na manomboka miresaka lohahevitra vitsivitsy, dia eritrereto ny fomba ahafahanao mahafantatra ireo fanontaniana na hevitra antenain’ny mpianatra horesahana, dia ampifanaraho amin’izay ny zavatra nomaninao araka izay hitarihan’ny Fanahy.

I Almà zanany dia nampianatra ireo vahoaka tao Gideona fa hamonjy ny vahoakany ny Tompo.

Mampisehoa sary tahaka ireto manaraka ireto dia manontania hoe: “Inona avy ireo tebiteby na fanaintainana na fijaliana mety hiainantsika izay tsy vokatry ny safidy feno fahotana natao?” (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra.)

Sary
vehivavy iray mitomany
Sary
zatovolahy iray mandry eo ambony fandrian’ny hôpitaly
Sary
zatovovavy iray malahelo
Sary
lehilahy mandeha seza misy kodiarana

Omeo fotoana kely ireo mpianatra hisaintsainana (na koa hanoratana) ny sasany amin’ireo fanamby izay nahatonga fanaintainana na fijaliana ho azy ireo na ny olona tian’izy ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nanompo an’ireo vahoaka nahatoky tao Gideona i Almà zanany dia nampianatra azy ireo izy fa ny fijalian’ny Mpamonjy dia afaka manampy antsika ihany koa amin’ireo fanaintainana sy fahoriana tsy vokatry ny fahotana. Asao ireo mpianatra mba hijery ny Almà 7:11–12 ary hitady izay andian-teny manan-danja amin’izy ireo. Asao izy ireo hanazava ny dikan’ny zavatra hitan’izy ireo sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo.

Mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny fahatakaran’ireo mpianatra momba ny fahalalan’ny Mpamonjy ny fomba hamonjena ny vahoakany dia azonao zaraina ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Matetika [dia ny hoe mamonjy] no ampiasaina ao amin’ny soratra masina mba hamaritana ny fikarakaran’i Kristy antsika sy ny firaharahiany antsika. Ny hevitr’izany ara-bakiteny dia hoe “mihazakazaka mankany.” Fomba iray tena kanto hamaritana ny asa maika ataon’ny Mpamonjy ho antsika izany. Na dia miantso antsika hanatona Azy sy hanaraka Azy aza Izy dia mihazakazaka tsy tapaka mba hanampy antsika Izy. (“Come unto Me” [Church Educational System fireside for young adults, Mar. 2, 1997], 9, speeches.byu.edu)

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo fampianarana ao amin’ny Almà 7:11–12 dia ampio ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray mitovy amin’izao manaraka izao: Ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika, ny aretintsika, ary ny fakam-panahy mahazo antsika mba hahafahany mamonjy antsika rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany isika.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra io lafiny amin’ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy io?

  • Inona no ampianarin’io fahamarinana io anao momba ny toetran’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny finoana an’io fahamarinana io manampy anao na ny olona tianao mandritra ireo fanamby atrehan’ny tena manokana?

Iaraho vakina na asaivo vakina isaky ny vondrona kelikely ny teny nolazain’ny Loholona Bednar ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, dia ifanakalozy hevitra izao fanontaniana manaraka avy ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana izao:

  • Oviana ianao no efa nahatsapa ny Mpamonjy nanolo-tanana na nankahery na nampatanjaka anao rehefa niaina ireo fanambin’ny fiainanao ianao?

Nampianatra an’i Môrônia momba ny herin’ny fahasoavany ny Tompo.

Asehoy ny sary nampiarahana amin’ity ary manasà mpianatra iray mba hanazava ny fahatsapan’i Môrônia momba ny fahaizany manoratra soratra masina. (Raha ilaina dia avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny Etera 12:23–25.)

Sary
Manafina ireo takelaka ao amin’ny Havoana Komôra i Môrônia, nataon’i Tom Lovell

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra haka fotoana fohy hanoratana ny sasany amin’ireo tsy fahaizana sy fahalemena ananany na hisaintsaina izany.

Vakio miaraka ny Etera 12:27 ary asao ireo mpianatra mba hitady ireo fitsipika izay afaka manampy antsika handray ireo fahalementsika amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Mety hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Rehefa manatona ny Tompo isika dia manampy antsika Izy hamantatra ireo fahalementsika. Manampy antsika hanetry tena ny fahafantarana ireo fahalementsika. Rehefa manetry ny tenantsika isika sy manana finoana ny Mpamonjy dia afaka manova ny fahalementsika ho lasa hery ny fahasoavany. Asehoy ireo fahamarinana hitan’ireo mpianatra mba hahafahan’izy ireo mampifandray izany amin’ity asa atao manaraka ity.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampio ireo mpianatra hahafantatra sy hahatakatra fitsipika sy fotopampianarana. Rehefa avy mamantatra fitsipika sy fotopampianarana avy ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra ny hevitra fonosin’ireo fahamarinana ireo sy ny mampiavaka azy ary inona no mety ho fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho tonga izany fahalalana sy fahatakarana izany rehefa manazava filazana fotopampianarana iray na fitsipika iray ireo mpianatra ary mizara ohatra sy zavatra niainana mifandray amin’izany. Mivavaha mba hahazo fanampiana ka hametraka fanontaniana izay hanokatra ny saina sy ny fon’ireo mpianatra amin’ny zavatra ifandraisan’ireo fitsipika hitany amin’ny tenany manokana sy ny lanjan’izany.

Asao ireo mpianatra mba hiaraka daholo na anatina vondrona kely maromaro hanazava ny dikan’ireo fitsipika ireo aminy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra sy hahatsapa lalina kokoa momba ireo fitsipika ireo dia azonao atao ny maneho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ary mangataka ireo mpianatra mba hisafidy iray hifanakalozana hevitra. Mety tsy hisy fotoana hiresahana azy rehetra.

Mijoroa ho vavolombelona (na manasà mpianatra iray hijoro ho vavolombelona) momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, indrindra fa ny heriny manampy antsika handresy ny fahoriana, sy ny alahelo, sy ny fahalemena, ary ny tsy fahaizana.

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana na hanoratana ireo fahatsapana manokana tsapan’izy ireo nandritra ny fampianarana androany. Azonao asaina izy ireo handinika ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona araka ny eritreritrao no hasain’ny Tompo hataonao mba hahazoana bebe kokoa ny fahasoavany? Inona no azonao atao mba handray fahalemena iray izay anananao amin’izao fotoana izao amim-panetrentena sy finoana an’i Kristy bebe kokoa?

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireo fanontaniana izay ananany momba ny tontolon’ny fanahy, na ny Fitsanganana amin’ny maty, na ny Fitsarana farany. Eo am-piomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia asao izy ireo hieritreritra ny zavatra ataon’izy ireo hiomanana amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

Hamoaka printy