“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy,”Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Nambaran’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita sy ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Soafeno fa nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy. Rehefa nampianatra lalàna ambony Izy dia nanasa ny olona mba ho tanteraka, tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra izay tanteraka. (Jereo ny 3 Nefia 12:17–48.) Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny fampianaran’ny Tompo momba ny fahatanterahana. Ny mpianatra dia handalina lafiny samihafa ao amin’ny lalàna ambony ary hamantatra zavatra azon’izy ireo atao mba hiainana tsara kokoa izany lalàna izany ary ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nampianatra ny Nefita sy ny Lamanita ny fomba hahatongavana ho tanteraka ny Mpamonjy.
Ampisehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao hisaintsaina azy ireo ny mpianatra:
-
Rehefa mieritreritra ny fahafahanao ho lasa andriamanitra ianao, dia inona ireo toetra tahaka ny an’i Kristy antenainao hananana amin’ny taona manaraka? amin’ny 10 taona manaraka?
-
Inona avy ireo toetra antenainao hananana alohan’ny hahafatesanao?
Raha tsapanao fa mety ny hanaovana azy dia angataho hizara ny valin-teniny amin’ny mpiara-mianatra aminy ny mpianatra na manasà mpianatra iray na roa hizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.
Hazavao fa nandritra ny asa fanompoana nataony teo amin’ireo Nefita sy Lamanita dia nampianatra fahamarinana manan-danja momba ny fahafahantsika ho lasa andriamanitra i Jesoa. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny 3 Nefia 12:19–20, 46–48 ka hijery izay irin’ny Tompo hahatongavantsika.
-
Araka ireo andininy ireo, dia fahafahana ho lasa toa inona no hitan’ny Tompo ao amintsika?
-
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fomba ahafahantsika ho tonga tanteraka toa an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra? (Mety hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy ary manaraka ny lalàny sy ny didiny isika dia afaka ny ho tanteraka, tahaka Azy sy ny Ray izay tanteraka.)
Tsindrio fa misy olona sasany sahirana mafy amin’ny fanakarana ny didy mba ho tonga tanteraka. Asao hijery ilay lohahevitra hoe ”tanteraka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny mpianatra. Azonao angatahina hamerina hijery ny Môrônia 10:32–33 sy ny fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ihany koa ny mpianatra. Hevero ny hametraka iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no manampy ny fahatakarana fa ny hoe tanteraka dia midika hoe “feno, ary mivelatra tanteraka”? (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tanteraka,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Amin’ny fotoana inona ary amin’ny fomba ahoana no ahatratrarana ny fahatanterahana?
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fahatongavana ho tanteraka? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ity fampianarana ity mitondra fanantenana ho anao rehefa tsy mahomby ary manao fahadisoana ianao? Oviana ianao no nahatsapa fa nanome anao fanampiana sy tanjaka avy any an-danitra ny Tompo?
-
Midika inona aminao ny fahalalana fa manolotra ny fahasoavany aminao i Jesoa Kristy ary nanomana fomba iray hahatonga anao ho tonga tahaka Azy sy ny Rainy?
Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra izay nianarany dia azonao atao ny mampiseho ity trangan-javatra noforonina manaraka ity:
-
Raha eritreretina ny zavatra nianaranao androany, dia inona no fahamarinana azonao zaraina amin’i Joan hanampiana azy hanana fanantenana lehibe kokoa amin’ny fanasan’ny Tompo mba ho tanteraka?
Mampianatra ny lalàna ambony ao amin’ny filazantsarany i Jesoa Kristy.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa avy nanazava ny Mpamonjy fa nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy, dia nampianatra ny olona ny lalàna ambony ao amin’ny filazantsara Izy.
-
Ahoana no hamaritanao ny lalàna ambony? Inona no tanjon’io fenitra avo kokoa io? (Raha ilaina dia afaka mijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra.)
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny andinin-tsoratra masina nohalalininy talohan’ny fotoam-pianarana ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra. (Raha tsy niomana mialoha ny mpianatra sasany dia asao izy ireo hisafidy andinin-tsoratra iray ary handalina izany izao.) Rehefa avy nomena fotoana ampy hamerenana mijery ny mpianatra dia safidio ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto, na mamoròna iray anao manokana izay hanome ny mpianatra ny fahafahana tsara indrindra hizarana sy hifanakalozana hevitra momba ny zavatra hitany:
-
Safidy 1: Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Asao hifandimby hizara amin’ny vondrona misy azy ireo ny zavatra nianarany tamin’ny andinin-tsoratra iray nohalalininy ny mpianatra. Rehefa vita ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra ao amin’ny vondrona misy azy ireo, dia asao izy ireo hizara amin’ny kilasy ny zavatra hitany.
-
Safidy 2: Asehoy ireo fanontaniana tafiditra ao amin’ny asa atao “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao hihevitra ny fomba hamalian’izy ireo ny fanontaniana mifototra amin’ny andalan-tsoratra nohalalininy ny mpianatra. Asao hizara ny fomba hamaliany ireo fanontaniana amina namana iray na vondrona kely ny mpianatra.
-
Safidy 3: Asao hieritreritra trangan-javatra iray ahafahan’izy ireo mampihatra fampianarana avy amin’ilay andinin-tsoratra masina nofidiany ny mpianatra. Omeo fotoana ahafahany mampiseho ny trangan-javatra neritreretin’izy ireo ny mpianatra, na amin’ny vondrona kely na amin’ny iray kilasy, ary hanazava ny fomba hampiharany ny fampianarana nofidiny.
Asao ireo mpianatra hisafidy fitsipika na toetra tahaka ny an’i Kristy tian’izy ireo hiainana tsaratsara kokoa. Amporisiho ny mpianatra hanoratra ny fomba ahafahany mihatsara amin’ny fiainana izany fitsipika izany na fananana izany toetra izany. Hevero ny hanasa mpianatra iray na roa hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny hatsaram-panahy sy fahasoavan’i Jesoa Kristy.
Ho an’ny fotoana manaraka
Mariho fa ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa ny tanora amin’izao androntsika izao dia “mihalehibe amin’ny faritry ny fahavalo” satria hita na aiza na aiza ny fitaoman’ny fahavalo (“How to Survive in Enemy Territory,” New Era, Apr. 2012, 2). Rehefa manomboka ny fizarana momba ny loza ara-panahy amin’izao androntsika izao ny mpianatra ary mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka, dia asao izy ireo hikaroka ny fomba hanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hiaina am-pahamarinana ao amina tontolo ratsy.