“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ho an’ny mpampianatra: Ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina
Ny nofin’i Lehia dia manampy antsika hahafantatra ny fomba hahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra ary handraisana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ao anatin’ity lesona ity dia hamantatra ireo zavatra afaka manampy na manakana ny ezaka ataon’izy ireo hanatona an’i Kristy ireo mpianatra. Hanana fahafahana hamantatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hametraka ny tenin’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana ambony kokoa amin’ny fiainan’izy ireo izy ireo.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nahita fahitana momba ny hazon’aina i Lehia.
Ampisehoy ny sarin’ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina izay nampifanarahana tamin’ity lesona ity, ary asao ireo mpianatra mba hizara fohy ny zavatra fantany momba ilay fahitana. Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra hamintina fohifohy ny tantaran’ny nofin’i Lehia.
Asao ireo mpianatra hamerina hamaky ny 1 Nefia 8:10–12 sy ny 1 Nefia 11:21–22, izay hita ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ka hitady ny fomba namariparitan’i Lehia sy i Nefia ilay hazo sy ny voany.
Miainga avy amin’ny fahatakaran’ireo mpianatra ny nofin’i Lehia dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Maneho inona ilay hazo sy ilay voa? (Jereo ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Inona no ampianarin’ny famariparitan’i Lehia an’ilay hazo sy ny voany momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?
-
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fahazoana fifaliana? (Mety hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Mitondra fifaliana ny fanatonana an’i Kristy sy ny fandraisana ireo fitahiana hoentin’ny Sorompanavotany.)
-
Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay “mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra”? (1 Nefia 8:12; 11:22).
Asehoy izao teny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka izao.
Ry rahalahy sy anabaviko malala, misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.
Rehefa [amin]’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no fifantohan[tsika] … dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. … I Jesoa Kristy no fifaliana! (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82)
-
Inona no azonao atao mba hametrahana an’i Jesoa Kristy ho fifantohana lehibe kokoa amin’ny fiainanao mba hahafahanao mahatsapa fifaliana lehibe kokoa? (Omeo fotoana ampy hieritreretana sy hiraketana ny fahatsapana ananany ny mpianatra.)
Mianatra i Lehia sy i Nefia fa ny tenin’ Andriamanitra dia mitondra mankany amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.
Zarao ho vondrona kelikely ny iray kilasy ary omeo ity taratasy zaraina ity ny mpianatra tsirairay.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra izay noresahan’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy.
Asao ny mpianatra hamerina hijery izay nianarany momba ireo vondron’olona efatra hitan’i Lehia tao anatin’ilay fahitany (jereo ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Soraty eo amin’ny solatraibe ireto lohateny manaraka ireto: Vondrona 1 (1 Nefia 8:21–23), Vondrona 2 (1 Nefia 8:24–28), Vondrona 3 (1 Nefia 8:30, 33), Vondrona 4 (1 Nefia 8:31–32).
-
Inona no anjara asan’ilay anja-by na ny tenin’ Andriamanitra araka ny hevitry ny vondrona tsirairay? (Raketo eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ireo valin-teny omen’ireo mpianatra.)
-
Inona no zava-dehibe ao amin’ilay andian-teny hoe “tsy noraharahinay izy ireo” 1 Nefia 8:33? Ahoana no mety hisehoan’izany amin’izao androntsika izao?
-
Inona no fanantenana ho an’ireo izay namotsotra ilay anja-by ka niala tamin’ilay lalana? (Mety hangataka ireo mpianatra ianao hamerina hamaky ny teny nambaran’ny Rahavavy Ann M. Dibb izay hita ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
Hazavao fa raha nivavaka mba hahatakatra ny nofin’ny rainy i Nefia dia nampisehoana fahitana ihany koa izy ka nianatra ny dikan’ilay nofy. Taorian’izany dia nampianatra ireo rahalahiny momba ny dikan’ilay anja-by izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 15:23–24. Manontania avy eo hoe:
-
Inona no nianaranao avy amin’ny fanazavana sy fanasana nomen’i Nefia tamin’ireo rahalahiny? (Ankoatra ireo fahamarinana hafa dia mety hamantatra fitsipika iray mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra dia mahatonga antsika hahatohitra ireo andrana ataon’i Satana hampanalavitra antsika amin’i Jesoa Kristy.)
-
Araka ny eritreritrareo, midika inona ny hoe “[mihazona] mafy hatrany” ny tenin’ Andriamanitra? (1 Nefia 8:30).
Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Kevin W. Pearson ao amin’ny Fitopololahy.
Raha tsy “[m]ihazona mafy hatrany [1 Nefia 8:30] ny tenin’ Andriamanitra isika, sy miaina araka izany, dia ho lasa very hevitra ara-panahy isika raha tokony hoe hihevitra ny zava-panahy. Halalino isan’andro isan’andro ny Bokin’i Môrmôna sy ny tenin’ny mpaminany velona! Izany no fanalahidin’ny fahavelomana ara-panahy sy fanalahidin’ny fialana amin’ny fitaka. Raha tsy misy azy io dia very ara-panahy isika. (“Mijanòna eo akaikin’ilay hazo,” Liahona, mey 2015, 115)
Angataho ireo mpianatra hizara ny fomba nanampian’ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra azy ireo tsy ho faty ara-panahy ary tsy hahavoafitaka azy ireo. Asao koa izy ireo hizara ny fomba nanampian’ny tenin’ Andriamanitra azy ireo hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Sorompanavotany.
Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra ianarany sy tsapany dia asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo.
-
Inona no azoko atao mba hihazonana mafy kokoa ny tenin’ Andriamanitra?
-
Iza no mety ho voatahy raha maheno ny fijoroako ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra?
Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.
Ho an’ny lesona manaraka
Manoloana ny fifanakalozan-kevitra momba ny anja-by dia mety hanasa ireo mpianatra ianao hieritreritra ny fahazotoan’izy ireo tamin’ny famakiana ny soratra masina tato ho ato. Eo am-pandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka, dia amporisiho izy ireo hieritreritra fa ny fametrahana ny fandalinana manokana ny soratra masina ho laharam-pahamehanana dia mampanatona azy ireo ho akaiky kokoa ny Mpamonjy.