“Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Finoana an’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Finoana an’i Jesoa Kristy
Ny fotopampianaran’i Kristy dia manome fahafahana antsika hiova sy ho lasa tahaka ny Mpamonjy ary handray ireo fitahiana rehetra izay misy noho ny Sorompanavotana nataony. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hiresaka momba ny singa voalohany ao amin’ny fotopampianaran’i Tompo, dia ny finoana an’i Jesoa Kristy. Hanana fahafahana hamantatra ireo fitahian’ny finoana izy ireo sy hanazava ny fomba hananana finoana an’i Jesoa Kristy. Hamaritra ny zavatra tokony hataony ihany koa ireo mpianatra mba hampatanjahana ny finoany ny Tompo.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nampianatra ny Zôramita momba ny fomba hampitomboana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy i Almà.
Azonao atomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanehoana ny andiam-pehezan-teny fampidirana ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ka hangataka mpianatra iray hamaky izany mafy. Afaka ijoroanao ho vavolombelona fa ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany dia afaka manokatra ny varavarana ho an’i Jesoa Kristy mba hanova antsika marina ho lasa olona masina sy sambatra kokoa. Mandritra io fifanakalozan-kevitra io dia asao ny mpianatra handinika ny fomba azon’izy ireo hampitomboana ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manova sy manasitrana ary manampy azy ireo.
Manasà mpianatra iray mazoto mba hizara ny fomba hanazavany ny hoe finoana sy ny antony mahatonga ny finoana an’i Jesoa Kristy ho manan-danja aok’izany.
Asehoy ary iaraho mamaky ireto tranga manaraka ireto:
-
Inona no havalinao ny fanontanian’i Victoria?
Eo am-pamalian’ireo mpianatra dia ampiasao ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto mba hampahalalina kokoa ny fifanakalozan-kevitra, arakaraka ny zavatra ilain’ireo mpianatra.
Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa nampianarin’i Almà ny andiana Zôramita mahantra iray ny fomba ahafahan’ny fanaovana asa am-pinoana amin’ny tenin’ Andriamanitra manampy amin’ny fampatanjahana ny finoantsika. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery ny Almà 32:21, 27–30, 41–43, ka hitady ireo fitsipika izay afaka manampy an’i Victoria. Eo am-pizaran’ireo mpianatra ireo fitsipika nampianarin’i Almà dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no hanazavanareo ny dikan’ny famaritana nomen’i Almà momba ny finoana amin’ny fomba izay na ny ankizy aza dia ho afaka mahatakatra azy? (Jereo ny Almà 32:21.)
-
Araka ny Almà 32:27–30 dia amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny fampiharana finoana ho amin’ny fitomboan’ny finoana? (Mety hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Rehefa mampihatra finoana isika sy manandrana ny fampiharana ny tenin’ Andriamanitra dia hahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy ary hatanjaka ny finoantsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io, na fitsipika iray mitovy amin’izany amin’ny fampiasana ireo teny avy amin’ny mpianatra.) Oviana no nampiharinao io fitsipika io ka nahatsapanao ny finoanao ho lasa natanjaka? Inona no torohevitra mety homenao ireo olona kivy satria nanao zavatra am-pinoana kanefa mahatsapa fa mbola tsy niaina ny vokatry ny finoany? (Mety manampy ny mijery ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Araka ny Almà 32:28 dia ahoana no ahafantarantsika raha toa ka tsara ny teny rehefa mizaha toetra ny finoantsika isika? (Mety hahita andian-teny toy ny “fihetsiny mandrobona,” “mampivelatra ny fanahiko,” manazava ny fahazavan-tsaiko,” ary “fy amiko” ireo mpianatra.) Raha toa ka efa niaina ny iray amin’ireo vokany ireo ianao dia ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray hafa ny zavatra niainanao?
-
Inona no ampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland momba an’i Jesoa Kristy sy ny ifandraisany amin’ny voa sy ny voankazo ary ny hazo? (Jereo ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Inona no fiantraikan’ny fanaovana asa am-pinoana sy ny fambolena an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany tao am-ponao tamin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fiovam-ponao? Inona no azonao atao mba hikolokoloana bebe kokoa ilay hazo ka hiorim-paka bebe kokoa ao am-ponao izany?
-
Inona no lasa fantatrao momba ny Mpamonjy ka mampitombo ny fatokisanao Azy?
I Môrmôna dia mampianatra momba ny hery sy ny fitahiana avy amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.
Asao ireo mpianatra mba hijery ny Môrônia 7:25–26, 33, ary hijoro ho vavolombelona fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia hanana ny hery hanao izay mahasoa ao amin’i Kristy. (Azonao hazavaina fa ao amin’io sahan-kevitra io ny teny hoe mahasoa dia milaza zavatra izay mitahy antsika ka mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.) Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hamantara olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nahazo fitahiana na niaina fahagagana rehefa nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny fizarana 3). Asao ireo mpianatra mba hizara ny ohatr’izy ireo amin’ny iray kilasy na ao anaty vondrona kely. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto hampahalalina kokoa ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo:
-
Ahoana no nampiharan’ireo olona ireo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo fitahiana na fahagagana sasany azon’izy ireo tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo fitahiana na fahagagana voarainao tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny mijery ny teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
Omeo fotoana ireo mpianatra mba hisaintsainana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ary handinika ny zavatra tokony hataony mba hampatanjahana sy hampiharana finoana Azy.
Ho an’ny lesona manaraka
Hazavao fa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia mitondra antsika ho azy ho amin’ny fibebahana, ilay fitsipika manan-danja faharoa ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy (jereo ny Helamàna 14:13). Asao ireo mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hisaintsaina ny antony tokony hijerena ny fibebahana ho toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay tokony horaisina fa tsy enta-mavesatra mampatahotra tokony hosorohana.