Institiota
Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany


“Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny Andro Farany,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany

Hiresaka mikasika ireo fampianarana miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely isika ato amin’ity fizarana ity. Nampiely ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo satria notsipahin’izy ireo ny fanekempihavanan’ny Tompo, kanefa nampanantena Izy ny hanangona azy ireo amin’ny andro farany. Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava mikasika ireo fitahiana sy andraikitra amin’ny maha-isan’ny mpianakavin’i Isiraely. Ho amporisihina ihany koa izy ireo hieritreritra ny fomba azony hanampiana olona “amin’ny andanin’ny voaly anankiroa … hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra (Filoha Russell M. Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], tovan’ny New Era sy ny Ensign, 15, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org).

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny fiainany. Rehefa tsapan’ny mpianatra fa mifandray amin’ireo zavatra iainany eo amin’ny fiainany ny zavatra ianarany, dia mazoto kokoa ny hanao fianarana manampy azy ireo hanao asa feno fahamarinana izy ireo. Eo am-panomananao ny lesona dia diniho ny foto-piavian’ireo mpianatrao, sy ny traikefa ananany ara-kolontsaina, ny zavatra tiany, ny fanontaniana ananany, ary ireo zava-manahirana azy ireo. Mitandrema mba tsy hilaza amin’ny mpianatra ny zavatra izay mifandray amin’ny fiainan’izy ireo, fa ampio kosa izy ireo hitady izay zavatra mifandray amin’ny tenany manokana.

Mampianatra momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely i Lehia sy i Nefia.

Asehoy ity toe-javatra manaraka ity:

Vao avy nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo voalohany novonjeny i Becky namanao. Manontany azy ny zavatra tsapany momba izany ianao rehefa mirava ny fiangonana. Mamaly izy hoe: “Nandray tsara ny olona ary nahaliana ireo lahateny, saingy tena nisavorovoro ny saiko rehefa nisy mpandaha-teny iray niresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely dia nilaza fa izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga eto an-tany ankehitriny.” Dia manontany izy avy eo hoe: “Inona izany fanangonana an’i Isiraely izany, ary nahoana izany no tena manan-danja amin’ny fiangonanao?”

Asao ny mpianatra hiresaka amin’ny namana iray ny fomba hamalian’izy ireo ny fanontanian’i Becky. (Raha ilaina dia azon’ny mpianatra averina jerena koa ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Rehefa avy manome ny valin-teniny ny mpianatra dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nianarany na tsapany momba ny mpianakavin’i Isiraely rehefa nifanakalo hevitra izy ireo.

Asehoy ity sary miaraka amin’ny lesona ity. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (indrindra fa ny 1 Nefia 10:12–14 sy ny 1 Nefia 15:12–15). Dia angataho avy eo ny mpianatra iray hanazava fohifohy ny fomba nampiasan’i Lehia sy i Nefia hazo oliva iray mba hiresahana momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely.

Sary
hazo oliva

Mety ho tianao ny hanoratra ity fehezan-teny tsy feno ity eny amin’ny solaitrabe: Angonina ho ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ny olona rehefa …

Eo am-pizaran’ny mpianatra ny hevitra hitany, dia raiso an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo, ary mety ho tafiditra ao anatin’izany ity fahamarinana ity: Angonina ho ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ny olona rehefa mandray ny fahafenoan’ny filazantsara izy, sy lasa mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Tompo sy Mpanavotra, ary manao sy mitandrina ireo fanekempihavanan’ny filazantsara. Afaka mampiasa ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ianao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fanangonana an’i Isiraely:

  • Inona no ifandraisan’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ireo velona sy ny efa nodimandry?

  • Nahoana araka ny hevitrao ny Filoha Nelson no nilaza fa ny fanangonana an’i Isiraely no “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao” (“Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8)? (Mety ho tianao ny hamerina hamaky ny teny nolazainy ao amin’ny teny fampidirana sy ny fizarana 1 ary ny 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana avy no fomba anomezantsika voninahitra ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony rehefa mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely isika?

  • Inona no fiantraikan’ny fanangonana an’i Isiraely teo amin’ny fiainanao, na ahoana no nitahiana ny fiainan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao tamin’ny alalan’izany?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina izay mety ho tsapany sy ny valin-teny mety homeny raha mametraka amin’izy ireo mivantana ity fanontaniana ity ny mpaminany hoe: “Tianao ve ny handray anjara amin’ilay fanamby lehibe indrindra, ilay tanjona lehibe indrindra ary ilay asa lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao?” (“Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8).

Niantso mpanompo i Jesoa Kristy mba hanampy amin’ny asa fanangonana an’i Isiraely.

Jereo fohifohy ny fomba nampiasan’i Jakôba ilay fanoharana nataon’i Zenôsa momba ny hazo oliva mba hampianarana momba ny fanangonana sy ny fampielezana an’i Isiraely (jereo ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Hazavao fa any amin’ny fisasahan’ilay fanoharana dia nalahelo tokoa ilay Tompon’ny tanim-boly satria tsy namoa voa tsara ireo hazo oliva (izay maneho ny vahoakan’ny Tompo). Asao ny mpianatra hamaky ny Jakôba 5:47, 51, dia hitady ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny mpianakavin’i Isiraely.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny toetran’i Jesoa Kristy?

  • Raha fantatrao fa mieritreritra lalina ny aminao ny Tompo, dia inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny zavatra tsapanao momba Azy?

Asao ny mpianatra hamerina hamaky ny Jakôba 5:61–62, 70–72, dia hitady ny anjara asantsika amin’ny fanampiana ny Tompo hanangona an’i Isiraely. (Ampio ny mpianatra hitady ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miasa amim-pahazotoana miaraka amin’ny Tompo isika mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely dia hahazo fifaliana.)

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika tsirairay ny manampy ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

  • Inona avy ny zavatra azontsika atao mba hanangonana an’i Isiraely? (Mety handany fotoana vitsivitsy ny mpianatra hanaovana lisitra ireo hevitra sy hiresahana ny fomba nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fanangonana an’i Isiraely. Mety ho tianao koa ny hamaky indray ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no tsapanao rehefa nanampy olona tao amin’ny lafy roa amin’ny voaly mba hangonina ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely?

Mety ho tianao ny hamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ity teny nambara manaraka ity, na handefa ampahana horonan-tsary (fe-potoana 32:19 ka hatramin’ny 33:37) handrenesana ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Nelson ity izay nalaina avy amin’ilay lahateny “Fanantenana ho an’i Isiraely”:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny mpaminany tsirairay avy dia niresaka momba ny androntsika rehefa hangonina Isiraely ary homanina amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany izao tontolo izao. Eritrereto anie e! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombotsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany! (“Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa teo am-panomanana ity lesona ity dia nasaina izy ireo hitady olona, ao amin’ny lafy roa amin’ny voaly, izay azon’izy ireo ampiana mba hanao dingana mankany amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra (jereo ny fizarana 2 sy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Omeo fotoana ny mpianatra hieritreretana sy hanoratana ny zavatra tsapany ary hamita ny drafitra hoentin’izy ireo manatanteraka asa. Raha tsapanao fa mety ny hanaovana izany dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra izay tsapan’izy ireo fa asain’ny Fanahy ataony.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao amin’ny mpianatra fa mba hitondrantsika fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely dia asaina isika ho lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra sy hizara ny filazantsarany amin’ny olona rehetra. Rehefa mamaky ny fanomanana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ny mpianatra dia asao izy ireo hieritreritra ny zavatra azony atao mba ho lasa fitaovana mahomby kokoa noho ny teo aloha eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hizara ny filazantsara.

Hamoaka printy