“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny herin’ny fanafahan’ny Tompo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Ny herin’ny fanafahan’ny Tompo
Ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà dia samy mampiseho ny fahafahan’ny Tompo manohana sy manafaka ireo izay mitodika any Aminy amin’ny fizahan-toetra mahazo azy ireo. Ato amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hampitombo ny fahatakarany ny fomba ahafahany manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay momba ny hery manafaky ny Tompo. Hasaina ihany koa ny mpianatra hamantatra izay zavatra azon’izy ireo atao hahazoana ny herin’ny Tompo rehefa miatrika ny fizahan-toetra azy ireo manokana izy ireo.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nanandevo ny vahoakan’i Almà sy ny vahoakan’i Limia ny Lamanita.
Asao ireo mpianatra hizara ohatra amin’ny fizahan-toetra atrehin’izy ireo na atrehan’ny olona fantatr’izy ireo amin’izao fotoana izao.
-
Inona avy ireo antony samihafa mahatonga ny fizahan-toetra antsika? (Mety hanampy ny famerenana mijery ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Inona avy no fanontaniana na olana na fahatsapana mahazatra mety ananan’ny olona rehefa miatrika fizahan-toetra izy ireo?
Ny vahoakan’i Almà
Ivereno jerena fohifohy ireo toe-javatra nahatonga ny vahoakan’i Almà ho nandevozin’ny Lamanita. Azonao atao ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe ahoana no mety ho fahatsapan’ny vahoakan’i Almà, izay niaina tamim-pahamarinana, izany hoe very tampoka izany ny fahafahany ary noterena hanompo ny Lamanita.
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Môzià 23:21–24 ka hitady izay mety ho antony nahatonga ny Tompo hamela ny vahoakan’i Almà handalo fizahan-toetra.
-
Araka ireo andininy ireo, inona no tanjon’ny Tompo tamin’ny famelana ny vahoakan’i Almà handalo ireo fizahan-toetra ireo?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fikatsahana ny hahafantatra ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ananan’ny Tompo momba ny fizahan-toetra manampy antsika hamerina handrafitra ny fomba fahitantsika ireo fizahan-toetra mahazo antsika manokana? (Azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “Examining Questions with an Eternal Perspective” [2:56], izay maneho ny fomba famerenana mandrafitra ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampianaran’ny filazantsara.)
Amporisiho ny mpianatra hitady fahamarinana mandritra ity lesona ity, fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’ny fizahan-toetra mahazo azy ireo.
Ny vahoakan’i Limia
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandevozina ihany koa ny vahoakan’i Limia. Fintino ny toe-javatra manodidina ny fahababoan’izy ireo. Asao ireo mpianatra handinika ny Môzià 21:6–12 ka hitady ny fomba nitadiavan’ny vahoakan’i Limia hiala amin’ny fanandevozana. Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no nitranga tamin’ny vahoakan’i Limia rehefa nanandrana nanafaka ny tenany tamin’ny fanandevozana izy ireo?
-
Inona no olana mety hatrehantsika rehefa manandrana mandresy ny fizahan-toetra mahazo antsika isika kanefa tsy mikatsaka ny fanampian’ny Tompo? Inona no mety hanakana antsika tsy hitodika any amin’ny Tompo amin’ny fizahan-toetra mahazo antsika?
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Môzià 21:13–16, na manasà mpianatra iray hamintina ny zavatra nataon’ny vahoakan’i Limia taorian’ny fahatsapany fa tsy afaka nanafaka ny tenany tamin’ny fanandevozana izy ireo. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamintina ny fomba nanafahana ny vahoakan’i Limia tamin’ny farany. Hevero ny hametraka ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’ny fizahan-toetra azy ireo manokana:
-
Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Limia momba ny fomba hanohanan’ Andriamanitra sy hanafahany ireo izay mitodika any Aminy amin’ny fizahan-toetra mahazo azy ireo? (Ho fanampin’ireo fahamarinana nozarain’ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fitsipika iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: Rehefa manetry tena sy miantso an’ Andriamanitra isika dia hihaino ny vavaka ataontsika Izy ary hanafaka antsika amin’ny fizahan-toetra mahazo antsika amin’ny fotoany.)
-
Ahoana no ahafahantsika mitoky amin’ny fandaharam-potoan’ny Tompo fa tsy ny antsika rehefa miatrika fizahan-toetra isika? (Mety hanampy ny famerenana mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Inona no fitahiana azonao rehefa nanaraka ny sitrapon’ny Tompo ianao ary natoky ny fotoany tamin’ny fiainanao?
Azonao atao ny manome minitra vitsy ny mpianatra mba handinihana ny fizahan-toetra izay atrehiny ankehitriny ary hamaritana ny fomba ahafahan’izy ireo mamerina mandrafitra izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Nanatanjaka ny vahoakan’i Almà ny Tompo ary nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandevozin’ny Lamanita ihany koa ny vahoakan’i Almà. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny Môzià 24:10–16 ka hitadiavany ny fitoviana sy ny fahasamihafana teo amin’ny fizahan-toetra niainan’ny vahoakan’i Almà sy ny vahoakan’i Limia.
-
Inona no zavatra mitovitovy hitanao? Inona no maha-samy hafa ny zavatra niainan’ireo vondrona roa ireo? (Mety hahitana ireto manaraka ireto ny valin-teny: samy notohanan’ny Tompo ny vondron’olona roa ary nafahana tatỳ aoriana; ny fanandevozana ny vahoakan’i Almà dia tonga ho fizahan-toetra ny finoany raha mbola niezaka ny hanaraka ny Tompo izy ireo, fa ny fanandevozana ny vahoakan’i Limia kosa dia tonga noho ny fahotana; ny vahoakan’i Almà dia nitodika tany amin’ Andriamanitra avy hatrany, fa ny vahoakan’i Limia kosa dia nitodika tany Aminy taorian’ny nanandramany nanafaka ny tenany samy irery.)
-
Inona no porofo hitanao momba ny fitiavan’ny Tompo ao amin’ireo tantara roa ireo?
-
Inona no lesona fanampiny azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Almà momba ny fomba anohanan’ Andriamanitra na anafahany ireo izay mitodika any Aminy amin’ny fizahan-toetra atrehin’izy ireo? (Rehefa mizara fahamarinana hitany ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fitsipika iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: Rehefa mampihatra finoana sy faharetana amin’ny fahoriantsika isika ka miantso an’ Andriamanitra dia afaka mankahery antsika Izy mba hahafahantsika mitondra tsara kokoa ny enta-mavesatsika Fanamarihana: I Almà Zanany dia mampianatra fitsipika mitovitovy amin’izany ao amin’ny Almà 36:3, 27.)
Zarao ho vondrona misy mpianatra roa na telo ny iray kilasy ary asao izy ireo hamerina hijery ny fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba azy ireo ao amin’ny vondrona misy azy avy:
-
Mety hanampy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa tsy manaisotra ny fizahan-toetra mahazo antsika avy hatrany foana ny Tompo?
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika manome hery fanampiny antsika rehefa miatrika fizahan-toetra isika?
-
Ahoana no nanohanan’ny Tompo sy nampatanjahany anao, na olona fantatrao, rehefa niaritra fizahan-toetra na nitondra enta-mavesatra? Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny tsy fanafahana anao avy hatrany tamin’ny fizahan-toetra?
Manasà mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nisongadina tamin’izy ireo nandritra ny fifanakalozan-kevitra tao amin’ny vondrona misy azy ireo. Omeo minitra vitsy ny mpianatra mba hiraketany izay fahatsapana voarainy momba ny fomba ahafahany mampitombo ny fahatokiany ny Tompo rehefa miatrika fizahan-toetra izy ireo.
Ho an’ny fotoana manaraka
Anontanio ny mpianatra raha manana fanontaniana tiany hovalian’ny Tompo izy ireo. Amporisiho izy ireo handalina tsara ny Bokin’i Môrmôna sy ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka mba hahitana izay zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny fandraisana valin-teny avy amin’ny Tompo.