Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Finoana, fanantenana ary fiantrana


“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Finoana, fanantenana ary fiantrana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Finoana, fanantenana ary fiantrana

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe: “Ny finoana sy fanantenana ary fiantrana dia mifameno, ary rehefa mitombo ny anankiray dia mitombo ihany koa ireo roa hafa” (“Ny hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” Liahona, nôv. 2008, 23). Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia ho afaka hanazava ny fomba hananana sy hampitomboana finoana sy fanantenana an’ny Mpamonjy Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ho afaka ny hitady ny zavatra azony atao ihany koa izy ireo mba hananana bebe kokoa ny fiantrana izay toetra tahaka ny an’i Kristy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampiasao araka ny tokony ho izy ny karazam-pampianarana. Mba hanatsarana ny zavatra iainan’ny mpianatra mandritra ny fianarana dia mampiasà karazana fomba fampianarana, toy ny fanontaniana, fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasy, tantara, fanoratan-javatra, ohatra tena misy eo amin’ny fiainana, fampihomehezana tsy misy zavatra ratsy, zavatra azo tsapain-tanana, sary, teny nindramina, asa ataona vondrona, famelabelaran-kevitra ataon’ny mpampianatra, ary fanehoan-javatra eny amin’ny solaitrabe na amin’ny fitaovana azo jerena sy henoina. Tadidio mandrakariva fa ireo fomba fampianarana dia fomba entina mampitombo ny fianaran-javatra ary tsy tokony ho lasa zavatra tsy misy tohiny intsony. (Jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 66.)

Nampianatra ny zavatra mampifandray ny finoana sy ny fanantenana i Môrmôna.

Asehoy ity sarina tady maro loko sy boaty mifanaingina ity. Hazavao fa ireo loko samihafa ao amin’ireo zavatra ireo dia maneho ny finoana, fanantenana ary fiantrana.

tady sy boaty kely kilalao
  • Ahoana no mampitovy kokoa ny finoana sy fanantenana ary fiantrana amin’ny tady mirandrana raha ampitahaina amin’ny boaty nampifanaingenina?

Asehoy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong ao amin’ny Fitopololahy ity:

Loholona Chi Hong (Sam) Wong

Ny finoana, ny fanantenana ary ny fiantrana … dia mifampiankina tanteraka. Tsy vitantsika ny manorina finoana, dia avy eo manana fanantenana, ary rehefa avy manana fanantenana dia mahazo ny fiantrana amin’ny farany. Miara-miasa izy rehetra. Ary rehefa lasa mifamatotra izy ireo dia miaraka manefy ny toetrantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.. (“Faith, Hope, and Charity: Interlacing Virtues,” Ensign, Dec. 2016, 19)

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Môrônia 7:33, 38, 40–43, dia hitady ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy fanantenana.

  • Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fanantenana? (Mety hilaza fahamarinana maro ny mpianatra, ka anisan’izany ity manaraka ity: Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia mahazo fanantenana fa azo hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.)

  • Nahoana ny fanantenana no mifandray akaiky amin’ny finoana sy ny fahatokiana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

Asao ireo mpianatra hijery ny teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.

  • Afaka mieritreritra ohatra mety hitanao teo amin’ny fiainan’ny olona ve ianao, izay ahitana taratra ireo fahamarinana nampianarin’ny Filoha Ballard?

Zarao ity ampahany tamin’ny taratasy iray nalefa ho an’ny Filoha Russell M. Nelson ity izay avy amin’ny namana iray niady mafy tamin’ny olan’ny tenany manokana:

“Ny fahamelohana sy ny tsy fahombiazana tsapako dia toa tsy ahafahako mibebaka mihitsy. Tsy mino intsony aho. Ny fahotana no nandeha aloha, dia tonga taorian’izay ny ahiahy. …

“Ny tsy fananako fanapahan-kevitra izay tena naharary ahy, ny fisalasalako, ny tsy fahalalako izay tokony halehako, ny tsy fahafahako nandray fanapahan-kevitra, ny tsy fahatokiako tena dia niteraka fijaliana sy fahaketrahana ara-tsaina. Tandindomin-doza ny fianakaviako sy ny hoaviko ary ny finoako. Very fanantenana aho.” (“A More Excellent Hope,” Ensign, Feb. 1997, 60)

Asao ireo mpianatra mba hijery ny Etera 12:4, 32 sy ilay teny nambaran’ny Filoha Uchtdorf ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana, dia ifanakalozy hevitra ny zavatra azon’ny mpanoratra io taratasy io atao mba hamerenana amin’ny laoniny ny fanantenany.

  • Inona no nanampy anao indrindra mba hahatonga ny fanantenana ho zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao andavanandro?

  • Raha miainga amin’ny zavatra neritreretinao sy tsapanao nandritra ity lesona ity dia inona no fanovana tsapanao fa tokony hataonao mba hampitomboana ny fahafahanao mahatsapa fanantenana? (Azonao omena fotoana ny mpianatra hanoratana ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.)

Nampianatra ny lanjan’ny fikatsahana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana i Môrmôna.

Apetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no hanazavanao ny atao hoe fiantrana avy amin’ny fandalinana nataonao sy ny zavatra niainanao?

Manasà mpianatra iray hamaky ny Môrônia7:43–44, 48, dia anontanio hoe:

  • Mifandray amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao ny finoana sy ny fanantenana an’i Jesoa Kristy?

  • Nanoro hevitra antsika hanao inona i Môrmôna raha tena maniry hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana isika? (Ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Raha mivavaka amin’ny herin’ny fo manontolo sy manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia ho feno fiantrana.)

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hisaintsainana ireo fotoana nangatahan’izy ireo fanampiana tamin’ny alalan’ny vavaka mba hahazo fiantrana sy ny zavatra nitranga vokatr’izany.

Asao ny mpianatra hizarazara ho vondrona kely maromaro dia omeo an’ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay.

Ohatry ny fiantrana eo amin’ny fiainana andavanandro

Fampianarana sy Fotopampampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny Mpampianatra—Lesona 27

Iaraho mikatsaka ao anatin’ny vondrona misy anareo ny hampitombo ny fahatakaranareo momba ny fiantrana amin’ny alalan’ny famitana ny iray na ny roa amin’ireto asa atao ireto:

  1. Vakio ny Môrônia 7:45–47, dia mitadiava teny na andian-teny mamaritra ny fiantrana. Avy eo dia mifandimbiasa mameno ity fanontaniana manaraka ity: “Toy ny ahoana ny fiantrana rehefa …” (Ohatra hoe “Toy ny ahoana ny fiantrana rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny olona ianao? Rehefa misy olona nandratra anao?”) Valio amin’ny fampiasana ireo fampianarana ao amin’ny Môrônia 7:45–47 ilay fanontaniana noforoninao.

  2. Vakio ilay teny nambaran’ny Filoha Jean B. Bingham ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana, dia mizarà ohatra ny amin’ny maha- “ohatra tsara indrindra eo amin’ny fiantrana” an’i Jesoa Kristy (“Hoentiko ao an-tokantranoko ny fahazavan’ny filazantsara,” Liahona, nôv. 2016, 6). Eo am-piresahanareo ireo ohatra samihafa dia hevero ny hifametraka fanontaniana izay afaka manampy anareo hampihatra ny zavatra ianaranareo avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy.

  3. Jereo ilay teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana, dia mizarà ohatry ny fiantrana izay hitanao teo amin’ny fiainan’ireo olona fantatrao. Resadresaho ny zavatra ampianarin’ireo ohatra ireo mikasika ny fiantrana sy ny fomba ahafahan’ireo ohatra ireo manampy antsika ho tahaka an’i Kristy bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika isan’andro.

Ohatry ny fiantrana eo amin’ny fiainana andavanandro

taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, dia asao ny mpianatra hisafidy ny fanontaniana iray izay tsapan’izy ireo fa mifandray indrindra amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Amporisiho ny mpianatra hanoratra izay mety ho fahatsapana ananany na fahatsapana voarainy.

  • Iza no mila mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalako? Inona no azoko atao ba hanampiana io olona io hahatsapa ny fitiavany?

  • Inona no fitahiana azoko avy amin’ireo teny na asa tahaka ny an’ny Kristy nataon’ny olona hafa tamiko?

  • Oviana ny fanehoana fitiavana tahaka ny an’i Kristy no nitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra?

  • Inona no ataoko amin’izao fotoana izao (na tsy ataoko) izay manakana ahy tsy hikatsaka (na hahazo) ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana?

Amporisiho ny mpianatra hametraka tanjona mikasika ny asa azony atao mba hahazoana ireto toetra tahaka ny an’i Kristy izay ahitana ny finoana, ny fanantenana ary ny fiantrana mba hahafahan’izy ireo ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ny mpianatra ho tonga hanatrika ny fotoam-pianarana manaraka ary ho vonona hiresaka mikasika ny fomba hitarihan’ny Bokin’i Môrmôna ny olona ho any amin’i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ireo zavatra niainan’izy ireo tamin’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ity lesona ity ka nampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fifandraisany tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.