Institiota
Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fiainana aorian’ny fahafatesana


“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fiainana aorian’ny fahafatesana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fiainana aorian’ny fahafatesana

Eo am-pamaranan’ny mpianatra ny toko 2, “Ny drafitra lehiben’ny fanavotana,” dia hanana fahafahana izy ireo hanazava ny fomba ahafahana manome azy ireo fiononana sy fanantenana lehibe kokoa eto amin’ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fahatakarana tsara izay hitranga aorian’izao fiainana izao. Hotadiavin’izy ireo ihany koa ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hanomanany tsaratsara kokoa ny tenany hihaona amin’ Andriamanitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mampianatra momba ny tontolon’ny fanahy sy ny Fitsanganana amin’ny maty i Almà sy i Amioleka.

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ity toe-javatra manaraka ity sy ny fanasana ny mpianatra hiresadresaka ny zavatra holazain’izy ireo na ny fomba mety hamaliany izany:

Alaivo sary an-tsaina hoe mandeha mamangy ny fianakavian’i Anna namanao akaiky iray vao nodimandry ianao. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Anna volana vitsivitsy izay. Tsy mpivavaka ny fianakaviany. Rehefa maneho ny fiarahanao miory amin’ny renin’i Anna ianao dia mihazona ny tananao izy ary mibanjina ny masonao dia miteny hoe: “Azonao lazaina ahy ve ny zavatra mitranga aorian’ny fahafatesantsika?”

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Almà 11:43–44 sy ny Almà 40:11–14, dia hitady ireo fahamarinana momba izay hitranga aorian’ity fiainana ity izay afaka mitondra fiononana sy fanantenana ho an’ny renin’i Anna. (Mety hahita fitsipika tahaka izao manaraka izao ny mpianatra: Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana ny olona rehetra ary hoentina ho eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina. Hatao tanteraka ny vatantsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Raha manao ny marina isika dia hiala sasatra amin’ireo olana sy alahelontsika rehetra any amin’ny tontolon’ny fanahy.)

Asao ny mpianatra hieritreritra mangina izay olona mety mila mihaino ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny zavatra hitranga aorian’izao fiainana izao sy ny fomba azon’izy ireo hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ireo izay mila maheno izany. (Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny valin-teniny.)

Fanamarihana: Mety efa nahare hevitra hafa momba ny zavatra hitranga aorian’izao fiainana izao ny mpianatra. Ampahatsiahivo azy ireo fa tokony hampiasa loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra isika, toy ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mba handrefesana hoe mitombina ve ireo hevitra ireo sa tsia. Mety ho hitanao hoe manampy ny mizara ity fampitandremana avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ity sy ny mifanakalo hevitra mikasika izany:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Dia inona koa ary ny zavatra hafa [ankoatra izay ianarantsika avy amin’ireo soratra masintsika nankatoavina] fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy? Maro ny mpikamban’ny Fiangonana izay efa nahita fahitana na nahazo fitaomam-panahy hafa mba hampahafantarana azy ireo momba ny fandehan’ny zavatra na ny fandaminan-javatra any amin’ny tontolon’ny fanahy, saingy tsy natao mba ho takatra na ampianarina ho toy ny fotopampianarana ôfisialin’ny Fiangonana ireny zavatra niainana ara-panahy an’ny tena manokana ireny. Ary marina tokoa fa maro be ireo vinavina ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny olona hafa ao anatin’ireo loharanon-kevitra navoaka toy ireo boky mikasika ny zavatra iainana eo ambavahoan’ny fahafatesana.. (“Fatokiana ny Tompo,” Liahona, nôv. 2019, 27).

Nampianatra i Almà sy i Amioleka fa tokony hiomana hihaona amin’ Andriamanitra isika.

Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto:

  • Mahafantatra olona mandika ny didy aho dia miteny hoe: “Tsy mampaninona akory izany, satria afaka mibebaka foana aho avy eo.”

  • Be fitiavana Andriamanitra. Tsy hanakana ahy tsy hahazo ny fanjakan’ny lanitra Izy noho ny fanemorako fotsiny ny fibebahana amin’ny fahotana vitsivitsy.

  • Na miezaka tahaka ny inona aza aho dia tsy mahomby foana aho ary tsy ho vonona ny hihaona amin’ Andriamanitra mihitsy.

Hevero ny hizara ireo mpianatra ho vondrona kely maromaro dia angataho ny vondrona tsirairay hisafidy ny iray amin’ireo teny nambara etsy ambony izay tian’izy ireo horesahina. Asao ny vondrona tsirairay hamaky ny Almà 34:32–34 sy hampiasa ireo fampianarana ao amin’io soratra masina io mba handrefesany ny fahamarinan’ilay teny nambara nosafidiany. Azonao atao ny manome ny vondrona tsirairay ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanatevenana ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo:

  • Ampahany inona amin’io teny nambara io no marina, ary ampahany inona no mety ho diso na mamitaka?

  • Inona avy ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Almà 34:32–34 izay mifanentana indrindra amin’io teny nambara io? Ahoana no hanazavanao ireo fitsipika ireo amin’ny olona iray izay nilaza izany teny izany? (Mety hahita sy hanazava ny sasany amin’ireto fitsipika ireto ny mpianatra: Izao fiainanao izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra sy hanaovana ny asantsika. Miomana hihaona amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fiezahana hivoatra androany. Raha manemotra ny fibebahantsika isika dia tsy ho vonona ny hihaona amin’ Andriamanitra.)

Rehefa avy nomena fotoana ny mpianatra mba hifanakalozana hevitra momba ireo fanontaniana ireo dia asao ny vondrona sasany hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo zavatra hafa manakana ny olona tsy hiomana hihaona amin’ Andriamanitra? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ireo mpianatra.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fotoana hisaintsainana ny mpianatra. Fomba iray azontsika hanampiana ny mpianatra hiezaka hahatakatra amin’ny fony ny manome azy ireo “fotoana … mandritra ny fampianarana mba hisaintsainana, handalinana, na hanoratana mikasika ny zavatra takany sy tsapany ary handinihany an’ireo andraikitra tokony horaisiny mba hampiharana izany eo amin’ny fiainany ” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 2.5.4).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nametraka fanontaniana mampandini-tena vitsivitsy tamin’ny olona i Almà. (Namaky ireo fanontaniana ireo ny mpianatra teo am-pandalinany ny Almà 5:15–17, 19, 27, 33 tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Asao ny mpianatra haka minitra vitsy handalinana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny famerenana mamaky sy ny fisaintsainana bebe kokoa ireo fanontanian’i Almà sy ireo fampianarana hita ao amin’ny Almà 5:14–35. Azonao atao ny manampy azy ireo hahafantatra fa manan-danja kokoa mihoatra ny isan’ny andininy voavakin’izy ireo ny zavatra saintsain’izy ireo.

Rehefa tapitra ny fotoana sahaza izany dia azonao atao ny mametraka ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa mba hosaintsainin’ny mpianatra:

  • Inona avy no fomba hanampian’ny Mpamonjy anao eo am-piezahanao miomana ny hihaona amin’ Andriamanitra?

  • Inona no fanovana iray na maromaro mila ataonao androany mba ho vonona kokoa ny hihaona amin’ Andriamanitra?

Hevero ny hizara ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Oaks ity:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ny Fitsarana farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 32)

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hieritreritra hoe maniry ny ho lasa inona izy ireo. Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia manana faniriana sy fahafahana hanampy azy ireo ho lasa ilay karazana olona mahatsapa fiadanana eo anatrehan’ Izy Ireo.

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina, na hanao drafitra, na hanoratra hoe inona no asa voafaritra tsara hataon’izy ireo androany mba hanehoana ny fanirian’izy ireo marina ho lasa vonona kokoa ny hihaona amin’ Andriamanitra. (Mety hanampy ihany koa ny mamaky indray ny teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Azonao faranana ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra niarahan’izy ireo niaina rehefa nandalina ny toko 2, “Ny drafitra lehiben’ny fanavotana.” Azonao asaina koa ny mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika ny fiantraikan’io fahalalana io eo amin’ny fankasitrahan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny fanirian’izy ireo ho lasa tahaka Azy kokoa.

Ho an’ny lesona manaraka

Mijoroa ho vavolombelona fa nanomana lalana ho antsika tsirairay avy ny Tompo mba hiverenana ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Io lalana ho antsika hiverenana any Aminy io dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy, ary miompana amin’io lohahevitra io ny toko manaraka hianarantsika. Rehefa miomana ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka ny mpianatra dia asao izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy manomana azy ireo hihaona amin’ Andriamanitra.

Hamoaka printy