Institiota
Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo


“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo

Manambara sy mampianatra ny tenin’ Andriamanitra ireo mpaminanin’ny Tompo. Rehefa manaraka ny fampianaran’izy ireo isika dia afaka mahita ny herin’ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Aorian’ity lesona ity ireo mpianatra dia tokony ho afaka hanazava ny fomba hitahiana antsika rehefa matoky ireo mpaminanin’ny Tompo sy ireo hafatra nasaina noentin’izy ireo isika. Hanao tombana ny ezaka vitan’izy ireo amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany ankehitriny ihany koa ireo mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amboary ny fomba fampianarana mba hanomezana izay ilain’ny mpianatra. Indraindray ireo lesona dia ahitana tahirin-kevitra betsaka kokoa noho izay azo resahina ao an-dakilasy. Mifantoha amin’ireo soratra masina sy tahirin-kevitra izay hanampy indrindra ireo mpianatra handray fepetra mahomby sy marina mba hahafahan’izy ireo ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy bebe kokoa, toy izay manandrana mamita ny zavatra rehetra ao anatin’ilay drafitry ny lesona. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina sy avy amin’ireo mpianatra mba hanampiana anao hahafantatra ireo fitsipika sy fanontaniana ary zavatra atao tokony ho ampiasaina mandritra ny fotoam-pianarana.

Maniraka an’i Lehia haminany amin’ireo vahoaka ao Jerosalema ny Tompo.

Atombohy ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny fotoana nanehoan’ny olona iray tsy fanekena ny hafatra na hevitra iray nozarain’izy ireo.

  • Nahoana ireo mpikambana sy misiônera ary ireo mpaminany no manohy mizara hatrany izay fantatr’izy ireo fa mety ho tsy tian’ny olona?

i Lehia mitory ao Jerosalema, nataon’i Del Parson

Mampisehoa sarin’i Lehia mitory teny. Asao ny mpianatra iray hilazalaza momba ny tontolo manodidina ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Nefia 1. (Raha ampianarinao miaraka ny lesona roa voalohany avy amin’ity fampianarana ity dia mety tsy mbola nanana fahafahana nandalina ny tahirin-kevitra hoentin-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ity lesona ity ireo mpianatra. Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 1:4.)

Hazavao fa tao anatin’ny fahitana iray dia nomen’ny Tompo boky iray hovakiana i Lehia. Novakian’i Lehia tao fa horavana i Jerosalema. Jereo ny 1 Nefia 1:12–13.)

Vakio miaraka ny 1 Nefia 1:14, dia tadiavo ny fihetsika nasehon’i Lehia nanoloana io fahitana io.

  • Inona no nianaran’i Lehia momba ny toetran’ny Tompo? Raha amin’ny eritreritrao, inona no fiantraikan’io fahalalana momba ny famindram-pon’ny Tompo io tamin’ny fanapahan-kevitr’i Lehia haminany amin’ireo vahoaka tao Jerosalema?

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 1:18, dia tadiavo ireo zavatra azontsika ianarana momba ireo mpaminany avy amin’ny zavatra niainan’i Lehia. Ampio ireo mpianatra hamantatra fahamarinana toy ireto manaraka ireto: Manambara ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo ireo mpaminany. Mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana azo avy Aminy ireo mpaminany.

  • Inona no sasany amin’ireo hafatra vao haingana avy amin’ireo mpaminany sy apôstôlintsika velona izay manambara ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson sy ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hizara ny zavatra niavaka indrindra tamin’izy ireo.

  • Inona no fiantraikan’ireo zavatra nambara ireo amin’ny fahatsapanao momba ireo mpaminanintsika ankehitriny? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no hafatra vao haingana avy amin’ireo mpaminany izay nanampy anao hamantatra tsaratsara kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ireo zanany? (Nisaintsaina fanontaniana mitovitovy amin’ity ireo mpianatra tamin’izy ireo nandalina ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Mandray fanamafisana i Nefia fa mampianatra ny tenin’ Andriamanitra ireo mpaminany.

Asao ny mpianatra hamantatra fampianarana avy amin’ireo mpaminany izay manahirana ny olona amin’izao androntsika izao ny manaiky azy. Fanamarihana: Raha ilaina dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny fikasantsika dia tsy ny hitsikera ireo mpaminanin’ny Tompo akory fa ny hifampizara ny fomba azontsika handraisana hafatra iray avy amin’ireo mpaminany izay mety hitantsika na hitan’ny olona iray fantatsika fa sarotra takarina na ekena.)

  • Nahoana no sarotra indraindray ny manaiky ny zavatra iray hambaran’ny mpaminany?

Asehoy na apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no azoko atao raha sahirana manoloana ny zavatra iray ampianarin’ny mpaminany aho? Eo am-pifanakalozan’ireo mpianatra hevitra momba ity fanontaniana ity dia aza misalasala mampiasa ny sasany na ireto tahirin-kevitra rehetra ireto mba hanampiana azy ireo hieritreritra izay hasetrin’izy ireo raha toa izy ireo na ny olona iray hafa ka nanana ity olana ity.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe inona no mety ho tsapan’ny fianakavian’i Lehia rehefa niteny tamin’izy ireo i Lehia fa tian’ny Tompo handao ny tranony izy ireo ka ho any an-tany foana.

  • Inona no fihetsika nasehon’i Lamana sy i Lemoela tamin’ny fandaozana ny tranon’izy ireo? Inona no fihetsika nasehon’i Nefia? (Asao izy ireo hamerina hamaky ny 1 Nefia 2:11–13, 16–17. Azonao atao ny manamarika fa ny fon’i Nefia koa dia mety nila fanalefahana [jereo ny 1 Nefia 2:16].)

  • Inona no sasany amin’ireo fihetsika isan-karazany izay handraisan’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo mpaminany sy ny hafatra noentin’izy ireo? (Omeo fotoana ireo mpianatra hamerina hamaky ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa nandalina ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Inona no vokatry ny fihetsika nataon’izy ireo? Oviana ianao no nahita ohatra mitovitovy amin’ireo karazana fihetsika samihafa ireo amin’izao androntsika izao?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’i Nefia nanoloana ny hafatra noentin’ny rainy? Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana antsika hahafantatra raha toa ka marina ny tenin’ireo mpaminaniny? (Mety hahita fitsipika toy izao manaraka izao ny mpianatra: Raha manetry ny tenantsika isika ary mitodika amin’ny Tompo dia afaka manampy antsika hanalefaka ny fontsiky amin’ny fahamarinan’ny tenin’ireo mpaminany Izy.)

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:

Filoha Russell M. Nelson

Azonao fantarina ho an’ny tenanao manokana izay marina na tsia amin’ny fianarana manavaka ireo bitsiky ny Fanahy. …

Ry rahalahiko ry anabaviko malala, miangavy anareo aho mba hikatsaka am-pahazotoana ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy raha toa ka marina sy avy amin’ny Tompo ny zavatra nolazaiko anareo. Nanambara izy fa afaka mikatsaka fahalalana avy any an-danitra ary manantena ny handray izy isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61]. …

Angataho ny Rainao any An-danitra raha toa ka tena apôstôly sy mpaminanin’ny Tompo marina izahay. (“The Love and Laws of God” [lahateny nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 17 sept. 2019], 4–5 speeches.byu.edu)

  • Inona no traikefa azonao tamin’ny fianarana ho an’ny tenanao manokana ny fahamarinan’ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny antso na ny hafatry ny mpaminany iray?

Eo am-pamarananao ny fifanakalozan-kevitra momba ilay fanontaniana hoe “Inona no azoko atao raha sahirana manoloana ny zavatra iray ampianarin’ny mpaminany aho?” dia omeo fotoana hisaintsainana sy hanoratana ny zavatra tsapan’izy ireo na nianaran’izy ireo izay afaka hanampy azy ireo na ny olona iray hafa manana fanontaniana mitovitovy amin’izany ny mpianatra.

Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hataon’izy ireo amin’ny fomba hafa amin’ny manaraka raha sahirana izy ireo manoloana ny zavatra iray ampianarin’ny mpaminany.

Ho an’ny lesona manaraka

Azonao atao ny mampiseho sary iray maneho ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina ary manasa ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra azon’ity fahitana ity ampianarina antsika momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra eo am-pandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka.