Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Nanompo ny tsirairay i Jesoa Kristy


“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Nanompo ny tsirairay i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Nanompo ny tsirairay i Jesoa Kristy

Ny fisehoan’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita sy ny Lamanita dia manome vavolombelona mahery vaika momba ny maha-Andriamanitra Azy. Rehefa nanompo ny tsirairay i Jesoa dia nanome ohatra momba ny hatsaram-panahy sy fangorahana. Amin’ity lesona ity dia hasaina ny mpianatra hamantatra fomba samihafa ahafahan’izy ireo manatona an’i Kristy sy mahazo fijoroana ho vavolombelona manokana lalina kokoa fa Izy no Mpamonjy azy ireo. Hihevitra izay zavatra azon’izy ireo atao hakana tahaka ny fomba fanompoana nataon’ny Mpamonjy ihany koa ny mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Niseho tamin’ny Nefita sy ny Lamanita i Kristy nitsangana tamin’ny maty ary nanasa azy ireo hitsapa ny ratra tamin’ny tanany sy ny tongony.

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fampisehoana ilay sary nampiarahana amin’ity tahirin-kevitra ity sy mangataka mpianatra iray hitantara ireo zava-nitranga izay nitarika tamin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita sy ny Lamanita.

Sary
Tsirairay, nataon’i Walter Rane

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny teny notsongaina nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ary anontanio azy ireo ny antony mahatonga ny fisehoan’i Jesoa Kristy teo amin’ny vahoaka ho ny zava-nitranga lehibe indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Angataho ny mpianatra hamerina hijery ny 3 Nefia 11:13–17, ka hitady lesona azontsika ianarana avy amin’io fitantarana ny fifandraisan’i Kristy tamin’ny vahoaka io. Diniho hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no mety ho azonao apetraka hanampiana ny mpianatrao hahatakatra sy hampihatra izay nianarany:

  • Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny toetran’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao raha ianao no nasaina nitsapa ireo ratra teny amin’ny tanana sy tongotry ny Mpamonjy?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Mpamonjy tamin’ny fanasana nataony ho an’ny olona mba ho tonga tsirairay hitsapa ny ratra tamin’ny tanany sy ny tongony? (Raha ilaina dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa olona 2500 no teo.)

  • Ahoana no mety hanehoan’io zavatra niainana io ny zavatra anasan’i Jesoa Kristy antsika mba hataontsika tsirairay avy? (Amin’ny alalan’ny fampiasana ny valin-tenin’ny mpianatra, dia mitadiava fahamarinana iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: I Jesoa Kristy dia manasa antsika hanatona Azy sy handray fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana fa Izy no Mpamonjy antsika.)

  • Inona no azontsika atao mba hanatonantsika an’i Kristy sy handraisantsika fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana fa Izy no Mpamonjy antsika? (Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny dia mety hanampy ny mpianatra ny hamerina hijery ny fanambarana nataon’ny Loholona Walter F. González ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ilay asa atao hoe “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Omeo minitra vitsivitsy hamerenana hijery ny zavatra nomanin’izy ireo ny mpianatra ary avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Raha misy fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hitady andininy iray ao amin’ilay hira nofidiny ary hizara ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo. Azonareo atao koa ny miara-mihira ilay hira.

Hevero ny hampiseho ity fanontaniana manaraka ity sy hamporisika ny mpianatra hisaintsaina sy hanoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany:

  • Inona no azoko atao mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy?

Nanompo ny olona tsirairay avy tao amin’ny vahoaka i Jesoa Kristy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa teo am-piafaran’ny androny voalohany teo anivon’ny vahoaka dia nanasa ny vahoaka marobe ny Mpamonjy hody any an-tranony ary hiomana ho amin’ny fiverenany ny ampitso (jereo ny 3 Nefia 17:1–3).

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho handalina sy haka tahaka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ny mpianatra. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nilaza tamin’ny mpampianatra seminera sy institiota hoe: “Te hino ny tanorantsika; maniry mafy hahalala bebe kokoa momba ny Mpamonjy izy ireo” (“A Teacher of God’s Children,” Religious Educator, vol. 12, no. 3 [2011], 7). Fomba iray ahafahan’ny mpianatra mahafantatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy ny mifantoka amin’ny ohatra tonga lafatra nataony. Rehefa mandalina ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ireo mpianatra dia asao izy ireo hihevitra ny zavatra azon’izy ireo atao hakàna tahaka Azy. Ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamarika hoe, “Manatsara avy hatrany ny fitsaohantsika an’i Jesoa io fakan-tahaka io” (“Becoming a Disciple,” Ensign, June 1996, 12).

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Asao hamerina hijery ny 3 Nefia 17:5–9, 20–24 izy ireo ary hifanakalo hevitra momba ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy ny vahoaka. Mandritra ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo dia amporisiho ireo mpianatra hieritreritra fomba samihafa ahafahan’izy ireo mameno ity fehezan-teny manaraka ity: “Manompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika rehefa …”

Rehefa avy nanana fotoana betsaka nifampianarana ny mpianatra dia angataho izy ireo hizara ny sasany amin’ireo fomba namenoany ilay fehezan-teny tsy feno teo aloha. Rehefa mizara ny fehezan-teny nofenoiny ny mpianatra dia hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo:

  • Inona no anjara asan’ny fitiavana amin’ny fanompoana? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny teny notsongaina nataon’ny Filoha Jean B. Bingham ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nitondra fifaliana ho an’ny Mpamonjy ny fanompoana? Oviana ianao no nahatsapa fifaliana teo am-panompoana olona sahirana?

  • Nahoana no ampahany manan-danja amin’ny fanompoana ny fahatsapana fangorahana? Oviana ianao no nahatsapa ny fangoraham-pon’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny eza-panompoana nataon’ny hafa? Ahoana no nahafahanao nampita ny fangoraham-pon’i Kristy tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny eza-panompoana nataonao manokana?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy olona iray hiaina ny hery manasitran’ny Tompo rehefa manompo isika?

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany momba ny asa fanompoana dia hevero ny hizara ity tantara noforonina manaraka ity:

Alejandro dia tanora tokan-tena. Nahazo fanasana izy hanompo an’i Pablo sy i José. Efa niresaka tamin’i Pablo im-betsaka nandritra ny fotoam-piangonana izy fa mbola tsy nifankahita tamin’i José mihitsy. Rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona i Alejandro dia nahafantatra fa mitolona amin’ny olana ara-pahasalamana i Pablo ary i José dia nilaza tamin’ny eveka fa tsy liana amin’ny fandehanana miangona amin’izao fotoana izao. Te hanatanteraka ny antsony i Alejandro saingy tsy hainy tsara hoe aiza no hanombohany izany.

Asao ny mpianatra hijery ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ary hizara izay torohevitra mety homeny an’i Alejandro. Amporisiho ihany koa ireo mpianatra hizara ny traikefany manokana tamin’ny fanompoana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny fiomanana tamin’ity lesona ity dia nasaina hieritreritra olona iray azony anaovana fanompoana izy ireo (jereo ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Asao ny mpianatra handinika ny toe-javatra nisy an’io olona io. Rehefa avy eo dia omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hisaintsainany sy hiraketany an-tsoratra ny fahatsapany momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no hataonao mba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy hanompoana an’io olona io amin’ny hatsaram-panahy sy fangoraham-po?

Ho an’ny fotoana manaraka

Asao ny mpianatra handinika ireo fanamby atrehin’ireo mpikambana na naman’ny Fiangonana rehefa tsy mahatsapa ho eken’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka, ka hitady izay fomba ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa fa misy toerana ho antsika rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy