Institiota
Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra


“Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: TBokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: TaBokin’ny mpampianatra

Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra

Rehefa avy nibebaka ireo zanakalahin’i Môzià sy niova fo tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia lasa misiônera natanjaka izy ireo ary nanampy Lamanita maro hanatona Azy. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ny fampantanjahana ny fiovam-pon’izy ireo manokana mampitombo ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara amin’ny hafa. Hodinihin’ireo mpianatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho lasa fitaovana mahomby kokoa eo am-pelatanan’ Andriamanitra rehefa manangona an’i Isiraely izy ireo ho fanomanana ny fiavian’ny Tompo fanindroany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Niova fo i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià ary nandeha nitory tamin’ireo Lamanita.

Asehoy ireto fehezan-teny manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hanome isa am-pahanginana ny tenan’izy ireo amin’ny fehezan-teny tsirairay amin’ny ambaratongan-drefy manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 5 (1 = tena tsy manaiky ary 5 = tena manaiky).

  1. Maniry ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa aho.

  2. Mivavaka aho mba hanana fahafahana hizara ny filazantsara.

  3. Ny fizarana ny filazantsara dia isan’ny zavatra mahazatra sy mandeha ho azy eo amin’ny fiainako.

  4. Miezaka ny ho fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsarany.

Rehefa avy nomena fotoana nanaovana ity fanombatombanana ny tenany ity ireo mpianatra dia asehoy ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azoko atao mba ho lasa fitaovana mahomby kokoa amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Asao ireo mpianatra mba hihaino sy hirakitra an-tsoratra izay fahatsapana mety afaka manampy azy ireo hamaly io fanontaniana io.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo zanakalahin’i Môzià dia lasa fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra rehefa nifady hanina sy nivavaka mba hahazo ny Fanahiny ary nitory ny filazantsarany (jereo ny Almà 17:3, 9, 11; 26:3, 15). Asao ireo mpianatra hamaky ny Môzià 27:35–36 sy ny Môzià 28:1–3 ary hitady ny halehiben’ny fiovan’ny fon’ireo zanakalahin’i Môzià taorian’ny fiovam-pony.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mametraha fanontaniana izay miteraka faniriana hianatra ao am-po. Rehefa hitanao fa mahatakatra fitsipiky ny filazantsara iray ao an-tsainy ireo mpianatra dia mametraha fanontaniana izay afaka mamindra ilay fitiavana mianatra ho ao am-pon’izy ireo. Ireo karazana fanontaniana ireo dia manome fahafahana ireo mpianatra mba handinika ny fony, hisintona lesona avy amin’ny traikefany manokana, ary hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana. Mety haka ireto endrika manaraka ireto izany fanontaniana izany: “Oviana ianao no efa niaina … ?” na “Ahoana no ahafantaranao fa … ?” na “Inona no tsapanao momba ny … ?”

  • Inona no tsikaritrao mikasika ny fanirian’ireo zanakalahin’i Môzià? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiantraikan’ny fiovam-pon’izy ireo tamin’ny faniriany mba ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Amin’ny fampiasana ny valin-tenin’ireo mpianatra dia manorata eny amin’ny solaitrabe fitsipika iray mitovy amin’ireto manaraka ireto: Rehefa mihalalina ny fiovam-pontsika, dia mitombo ny faniriantsika sy ny finiavantsika ho lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra sy hizara ny filazantsara.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny fampitomboana ny fiovam-pontsika no mampatanjaka ny faniriantsika hizara ny filazantsara? Ahoana no hanampian’ny fahatakarana io fitsipika io antsika hiomana hitory na hahay kokoa amin’ny fizarana ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

  • Inona avy ireo ohatra vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina na ny tantaran’ny Fiangonana izay maneho io fitsipika io? Inona no zavatra niainana efa nanampy anao hahafantatra fa marina io fitsipika io? (Azonao asaina ireo mpianatra mba hizara ny ohatr’izy ireo sy ny zavatra niainan’izy ireo manokana amin’ny namana iray.)

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba hijerena ny fanombatombanana tena izay nataony ary hisaintsaina ilay fanontaniana izay natsidika tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Eritrereto ny hanasa azy ireo hirakitra an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana nananany nandritra ny fotoam-pianarana.

Lasa fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo ireo zanakalahin’i Môzià.

Asao ireo mpianatra mba hizara izay olana natrehany rehefa niezaka nizara ny filazantsara izy ireo. (Azonao atao ny mitanisa ny valin-tenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe sy mifanakalo hevitra mikasika ny fomba mety hanakanan’ireo olana ireo antsika tsy hizara ny filazantsara.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Afaka ny ho lasa fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika rehefa …

Avereno jerena fohy ireo olana natrehan’ireo zanakalahin’i Môzia rehefa nanomboka nitory ny filazantsara teo anivon’ireo Lamanita izy ireo (jereo ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Asao ireo mpianatra hijery ny Almà 17:2–3, 9–11, ka hitady ny zavatra nataon’ireo zanakalahin’i Môzià mba handresena ireo olany ka ho lasa fitaovana mahomby teo am-pelatanan’ Andriamanitra.

  • Raha mampiasa ny zavatra nianarantsika avy tamin’ireo zanakalahin’i Môzià isika dia ahoana no hamenoantsika ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hanome fitsipika iray? (Fenoy amin’ny fampiasana ny teny avy amin’ireo mpianatra ilay fehezan-teny mba hanome fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Afaka ny ho lasa fitaovana mahomby kokoa eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika rehefa mivavaka sy mifady hanina ary mandalina ny soratra masina.)

Asao ireo mpianatra mba hijery ao amin’ny Almà 17:2–3 ireo fitahiana ara-panahy tonga tamin’ireo misiônera ireo rehefa nivavaka sy nifady hanina ary nanadihady ny soratra masina izy ireo. (Ampio ireo mpianatra hamantatra fitsipika hafa mitovy amin’ity manaraka ity: Rehefa mivavaka sy mifady hanina ary manadihady ny soratra masina isika dia afaka mahazo ny fanahin’ny fanambarana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanahin’ny fanambarana an’i Amôna mba ho fitaovana mahomby teo am-pelatanan’ Andriamanitra? (Azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hitantara fohy ny zavatra niainan’i Amôna niaraka tamin’ny Mpanjaka Lamônia ary avy eo dia hamaky ny Almà 18:33–35.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny manana ny fanahin’ny fanambarana rehefa mikatsaka ny ho lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika?

  • Ahoana no nanampian’ny fanahin’ny fanambarana anao ho lasa fitaovana mahomby kokoa teo am-pelatanan’ Andriamanitra?

Manasà mpianatra iray hamaky izao teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson izao:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Rehefa mikatsaka ny hihaino, tena hihaino, [an’i Jesoa Kristy] isika dia ho voatarika hahafantatra izay tokony hatao na inona na inona toe-javatra misy. …

Havaoziko indray ny fiangaviako anareo mba hanao izay rehetra tokony hatao mba hampitomboana ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana ho an’ny tenanareo manokana. (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89, 90)

Asao ireo mpianatra mba hijery ilay teny nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no azoko asaina mba hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy?

  • Inona no azoko atao mba ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo hanampy ireo olona ireo hanatona bebe kokoa an’i Kristy?

Azonao atao ny manome fotoana ireo mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany. Azonao asaina ihany koa izay mpianatra mazoto mba hizarany zavatra kasainy atao.

Hamafiso fa noho ny fiomanan’izy ireo dia nahazo ny fanahin’ny faminaniana ihany koa ireo zanakalahin’i Môzià ary afaka nampianatra tamin-kery sy fahefana. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny andian-teny hoe “fanahin’ny fanambarana” dia mety miresaka mikasika “ny filazana an’i Jesoa” [Apokalypsy 19:10].) Omeo toky ireo mpianatra fa isika koa dia afaka mahazo fitahiana mitovy amin’izany rehefa miomana ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra.

Eritrereto ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa rehefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanany isika tsirairay ary hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny halehiben’ny fahavononana izay tsapany fa ananany amin’ny Fiavian’i Kristy fanindroany. Hazavao fa ny toko manaraka dia momba ny fitsidihan’i Mpamonjy an’ireo Nefita tao Amerika. Eo am-piomanan’ireo mpianatra ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia amporisiho izy ireo hitady ny zavatra azon’ireo tranga nitarika ho amin’ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita ampianarina azy ireo momba ny fiverenany amin’ny andro farany.

Hamoaka printy