Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manatòna an’i Kristy


“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manatòna an’i Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manatòna an’i Kristy

Mialoha ny namaranany ny rakitsoratra masiny dia nanasa an’ireo mpamaky mba “[h]anatona an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” ny mpaminany Môrônia (Môrônia 10:32). Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny maha-zava-dehibe ny fanorenana ny fiainan’izy ireo eo amin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy sy haka sary an-tsaina ny zavatra izay azon’izy ireo hatao mba hanatonana Azy bebe kokoa. Hanana fahafahana hizara ny fomba nanampian’ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna nandritra ity taranja ity azy ireo hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ihany koa izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho ny mpianatra mba hanohy handray anjara ao amin’ny institiota. Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony iray hoe: “Tiako ny institiota. Manantena aho fa ianareo rehetra izay manana fahafahana hanao izany dia tsy nisoratra anarana fotsiny, fa manatrika sy mandray anjara mavitrika amin’ny Institiota ihany koa. Anisan’ireo zavatra tsara indrindra ataontsika ato amin’ny Fiangonana izany” (“Choice and Commitment” [Jan. 12, 2020], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Amporisiho ny mpianatra hamita ny zavatra takina amin’ity taranja ity sy hanohy handray anjara ao amin’ny institiota.

Mampianatra ny zanany lahy mba hanorina eo amin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy i Helamàna.

Asehoy sy vakio ireto teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ireto. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ifandraisan’ny fampianaran’ny Loholona Andersen amin’ny zava-misy iainan’izy ireo manokana.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Ry tanora namako, tsy ho toerana tony izao tontolo izao raha mihamanakaiky ny Fahatongavan’ny Mpamonjy Fanindroany. Manambara ny soratra masina fa “hisamboaravoara ny zava-drehetra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:91]. …

Mampiahiahy kokoa noho ireo horohoron-tany sy ady izay naminaniana [jereo Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Liahona, Mey 2004, 7–10] ireo tadio ara-panahy izay mety hanaisotra anao amin’ireo fototra ara-panahy hiorenanao ka hametraka ny fanahinao amin’ny toerana tsy mbola neritreretinao mihitsy hoe hahatongavanao, indraindray zara raha tsikaritrao akory hoe nafindra ianao.

Ireo fakam-panahin’ny fahavalo no tadio ara-panahy ratsy indrindra. Efa nisy teto amin’izao tontolo izao foana ny fahotana, saingy tsy mbola mora nidirana sy tsy mety afa-po ary neken’ny maro toy ny amin’izao mihitsy izany.. (“Spiritual Whirlwinds,” Liahona, Mey 2014, 18)

  • Inona avy ireo tadio ara-panahy sasantsasany izay atrehan’ireo tanora vao herotrerony amin’izao fotoana izao? (Azonao atao ny manao lisitry ny valin-tenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Ahoana no ahafahanao miomana tsara kokoa amin’ny tadio ara-panahy izay hatrehanao? (Azonao atao ny milaza fa ny Loholona Andersen dia nametraka fanontaniana iray sahala amin’izany tao amin’ny lahateniny ary avy eo dia nindrana ny teny tao amin’ny Helamàna 5:12.)

Vakio miaraka ny Helamàna 5:12 ary asao ireo mpianatra mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hanohitra ireo tadio ara-panahin’izy ireo. (Afaka manoratra fitsipika toy izao manaraka izao eo amin’ny solaitrabe ianao amin’ny fampiasana ny valin-tenin’ireo mpianatra: raha manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy hanana hery eo amintsika i Satana.)

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny tadio ara-panahy amin’ny fiainan’ny olona izay nanorina ny fiainan’izy ireo teo amin’ny soatoavin’izao tontolo izao na filozofian’izao tontolo izao?

  • Nahoana i Jesoa Kristy no hany fototra azo antoka azontsika hanorenana ny fiainantsika? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamerina hijery ny teny nambaran’ny Rahavavy Sheri L. Dew ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no mety hanakana antsika tsy hanorina na tsy hihazona ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahantsika mandresy an’ireo olana ireo?

Asao ireo mpianatra mba hizara asa atao voafaritra mazava tsara izay nataon’izy ireo mba hampiorenana ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo.) Rehefa avy nizara ny traikefa niainan’izy ireo ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo mba hirakitra an-tsoratra asa atao iray izay azon’izy ireo hatao mba hanorenana bebe kokoa ny fiainan’izy ireo eo amin’ny Tompo.

Mamarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanasana ny hafa mba hanatona an’i Jesoa Kristy i Môrônia.

Azonao atao ny mizara toe-javatra iray hafa momba ny fomba niovan’ny fiainan’olona iray rehefa nisafidy ny hanatona an’i Kristy izy. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay azon’izy ireo ianarana avy amin’io toe-javatra io.

Vakio miaraka ny Môrônia 10:32–33 ary asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra hoe nahoana no mety tsara ho an’ny toko farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna io fanasana io. Ampio ny mpianatra hamantatra fitsipika iray mitovy amin’izao manaraka izao avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hodiovina sy hatao tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavany.

Amporisiho ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nanampian’ny fahasoavan’ny Tompo azy ireo hanatona an’i Jesoa Kristy.

Vakio miaraka ny fanasan’i Môrônia ao amin’ny Etera 12:41 , ary ampahatsiahivo ny mpianatra fa izy ireo dia nasaina hisaintsaina ny fomba namalian’izy ireo an’izany fanasana izany. Asao ny mpianatra hanokatra ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hamerina hijery an’ireo safidy miisa telo izay ao amin’ilay lohateny hoe “Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao.” Omeo fotoana ny mpianatra hamerenan’izy ireo hijery ny zavatra izay nosoratan’izy ireo, na, raha toa ka tsy nanana fotoana hiomanana izy ireo, dia amporisiho mba hisafidy iray amin’ireo safidy ary hanomana zavatra tonga ao an-tsaina mba hozaraina.

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra izay nosoratany. (Raha toa ka maro ny mpianatra ao amin’ny kilasinao dia azonao atao ny mizara ireo mpianatra ho ao anatin’ny vondrona maromaro mba hananan’ny tsirairay fahafahana hizara ny heviny.)

Rehefa mamarana ity lesona sy taranja ity ianao dia azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hanatona an’i Kristy. Amporisiho ny mpianatra hanohy hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro.

Hamoaka printy