“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo
Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ohatra maro momba ireo olona nanao asa tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy nandritra ny fotoam-pitsapana ka nandray fijoroana ho vavolombelona izay nanamafy ny finoan’izy ireo. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hanazava ny antony mahatonga ny fampiharana ny finoana mandeha alohan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy sy hitady ny fomba azon’izy ireo hanaovana asa amim-pinoana lehibe kokoa Azy rehefa miatrika fitsapana izy ireo. Ny mpianatra dia handinika ihany koa izay asa entanin’ny finoana azon’izy ireo atao mba hahazoana na hampitomboana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa amim-pinoana i Môrônia.
Asehoy ity tantara notantarain’ny Loholona D. Todd Christofferson ity (azonao atao ny milaza fa namaky mikasika izany zavatra niainana izany ny mpianatra tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana):
Fotoana kely talohan’ny niantsoana ahy ho Manampahefana Ambony dia nisedra olana ara-bola manokana aho izay naharitra taona maro. Nisy fotoana saika nanimban’io olana io ny filaminam-piainako sy ny fianakaviako, ary nihevitra aho fa mety hiatrika fahasahiranana lehibe ara-bola izahay. Nangataka karazana fanampiana mahagaga mba hanafaka anay aho. Na dia nanolotra imbetsaka izany vavaka izany tamin-kitsim-po tokoa sy tamim-paniriana marina aza aho dia “Tsia” ny valin-teny tamin’ny farany.” (“Look to God Each Day,” New Era, apr. 2015, 3–4)
-
Ahoana no mety hitsapan’ny zavatra iainana tahaka an’io olana io ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo ohatra tena misy eo amin’ny fiainana mikasika ny fomba mety hitsapana na hisedrana ny finoan’ny olona?
Asao ireo mpianatra mba hijery ny fampianaran’i Môrônia mikasika ny finoana ao amin’ny Etera 12:3–7, 12, 18, dia apetraho avy eo ireto fanontaniana ireto:
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’i Etera sy i Môrônia mikasika ny fampiharana finoana? (Amin’ireo fahamarinana maro hafa misy dia mety hahita zavatra tahaka izao ireo mpianatra: Tsy mahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy isika raha tsy aorian’ny fizahana toetra ny finoantsika.)
-
Araka ny eritreritrareo, nahoana isika no andrasana hanao asa amim-pinoana mialoha ny hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona ara-panahy avy amin’ Andriamanitra?
-
Inona avy no fitahiana omena antsika rehefa mitoetra ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika mandritra ny fitsapana antsika? (Azonao atao ny mijery ny teny nambaran’ny Loholona Christofferson ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)
Asao ny mpianatra hieritreritra ireo ohatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ireo olona nanao asa tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa niatrika fitsapana na fanoherana. Raha ilaina dia omeo minitra vitsy izy ireo handalinana ny tantaran’ireo olona neritreretin’izy ireo. (Ireo mpianatra nahavita ilay fandalinana tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana dia afaka mamerina mijery ny zavatra izay efa nohalalininy.)
Rehefa ampy tsara ny fotoana nanaovana izany dia zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra mba hiresadresaka ireto fanontaniana manaraka ireto (ampahatsiahivo ny mpianatra fa namaly fanontaniana [mitovy tamin’izany izy ireo] tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana):
-
Ahoana no nampiharan’ilay olona na ireo olona finoana an’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fitahiana sy herin’ Andriamanitra nomen’ny Tompo rehefa avy nampihatra finoana taminy izy ireo? (Mety hanampy ny manazava fa misy fitahiana sasantsasany mety tsy ho azo raha tsy any amin’ny fiainana manaraka.)
-
Inona no fitsipika na fampiharana azonao ianarana avy amin’io tantara io? Ahoana no ahafahanao mampihatra izany eo amin’ny fiainanao?
Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina ireo fitsipika noresadresahany ary hanoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany manokana momba izany.
Nanasa ny mpamaky hikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia.
Asehoy ity toe-javatra manaraka ity:
-
Inona no mety havalinao an’ireo olana ananan’ny namanao mikasika ny Bokin’i Môrmôna?
-
Ahoana no fomba ahafahanao mampihatra ireo fampianarana ao amin’ny Etera 12:6 amin’io toe-javatra io?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:3–5 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.
-
Inona no tokony hataontsika raha te hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna isika? (Mety hahita ity fitsipika ity na ny mitovy amin’izany ny mpianatra: Mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia tokony hahatsiaro sy hisaintsaina ny famindram-pon’ny Tompo isika eo am-pamakiana ilay boky ary avy eo dia manontany an’ Andriamanitra amin-kitsim-po sy amin’ny finiavana marina ary amim-pinoana an’i Jesoa Kristy raha marina ilay izy.)
-
Maneho ny zavatra nianarantsika momba ny fanaovana asa amim-pinoana amin’ny fomba ahoana ny fanekena ny fanasan’i Môrônia? (Mety hanampy ny mpianatra ny mamaky indray ny teny nambaran’ny Loholona Gene R. Cook ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa izy ireo dia nasaina tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana mba hisaintsaina sy hanoratra ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fiezahana hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Manasà mpianatra vitsy hizara ny zavatra niainany sy nianarany tamin’ny fikatsahana sy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny Bokin’i Môrmôna.
Hevero ny hizara ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mikasika ny fampanantenana nomen’i Môrônia:
Manantena aho fa efa nanandrana izany fampanantenana izany ho an’ny tenanareo manokana daholo ianareo na hanao izany ato ho ato. Mety tsy ho amin’ny alalan’ny zavatra iainana ara-panahy izay miseho indray mandeha sy mahery vaika ny valin’izany. Ho ahy dia tamin’ny fomba mangingina no nahatongavan’izany tamin’ny voalohany. Kanefa nihanahery ny fahatongavan’izany isaky ny namaky sy nivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna aho.
Tsy miantehitra fotsiny amin’ny zavatra nitranga tamin’ny fotoana lasa aho. Mba hiarovako ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Bokin’i Môrmôna, dia mandray matetika ilay fampanantenan’i Môrônia aho. Tsy raisiko ho fitahiana mandeha ho azy toy ny fanomezana efa azo mandrakizay izany hoe fahazoana fijoroana ho vavolombelona izany. (“F ijoroana ho vavolombelona mitombo,” Liahona, mey 2011, 127)
-
Inona no ataonao, na inona no azonao atao, mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna?
Ho an’ny lesona manaraka
Asao ny mpianatra hieritreritra hoe mety ho toy ny ahoana ny fiainany raha tsy nanana finoana, na fanantenana, na fiantrana mihitsy izy ireo. Eo am-piomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hampidirana tanteraka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo.