Institiota
Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy


“Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy

Ny mpaminany Lehia dia nampianatra fa ny fahalavoan’i Adama sy i Eva dia nahatanteraka ny tanjona mandrakizain’ Andriamanitra ho an’ireo zanany (jereo ny 2 Nefia 2:15–25). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny maha-zava-dehibe ny fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fahafahana misafidy ary ny Sorompanavotani Jesoa Kristy eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fanavotana. Handinika ny zavatra azony atao hampiasana tsara ny fahafahany misafidy ihany koa ireo mpianatra mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nampianatra an’i Jakôba zanany i Lehia ny amin’ireo vokatry ny Fahalavoana.

Hazavao fa manomboka mianatra toko vaovao momba ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any An-danitra ny kilasy. Mety hanampy ny manazava fa amin’ireo anarana maro nomena ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ny hoe “drafitry ny fanavotana” no tena fampiasa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ohatra ny Jakôba 6:8; Almà 12:30, 32–33; 34:31).

Asehoy ity fehezan-teny manaraka ity dia asao ireo mpianatra mba hanombatombana izany araka ny fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia hadisoana mahatsiravina na loza iray izay nifanohitra tamin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Rehefa avy nizara ny heviny ireo mpianatra dia asehoy ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia singa manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany.

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra io fahamarinana io dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny tsy feno manaraka ireto (asio toerana malalaka eo anelanelan’ireo fehezan-teny):

Raha toa ka tsy nihinana ilay voankazo i Adama sy i Eva dia …

Noho ny fihinanan’izy ireo ilay voankazo dia …

Asao ireo mpianatra mba hijery ny 2 Nefia 2:19–25 ary hamantatra ireo vokatry ny fahalavoana izay azon’izy ireo hamenoana ny fehezan-teny tsirairay. Asao hizara ny zavatra hitany ireo mpianatra. Tanisao eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny andian-teny tsirairay ny valin-tenin’izy ireo.

Asehoy ary vakio ity teny nambaran’ny Loholona Orson F. Whitney tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona Orson F. Whitney

Dingana mianotra ny fahalavoan’i Adama, kanefa dingana mandroso ihany koa, dingana iray ao amin’ilay dia mandrakizay ho amin’ny fivoaran’ny zanak’olombelona. (Ao amin’ny Conference Report, Apr. 1908, 90)

  • Amin’ny fomba ahoana no sady maha “dingana mianotra” no “dingana mandroso” ny fahalavoana ao amin’ny fivoarantsika ara-panahy? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao asaina ireo mpianatra mba hijery ireo teny nambaran’ny Loholona Bruce C. Hafen sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hizara ny zavatra nanaitra azy ireo.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahatakarana ny fahalavoana anao hahita fa na ireo fanamby amin’ny fiainana an-tany aza dia tafiditra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

  • Manome fahafahana antsika hivoatra ara-panahy sy hanana fifaliana amin’ny fomba ahoana ireo toe-javatra nateraky ny Fahalavoana? (Jereo ny 2 Nefia 2:25.)

Mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia asehoy ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mazava fa nahafantatra fifanoherana, tebiteby, ratram-po, fanaintainana, fahadisoam-panantenana ary alahelo i Lehia. Mbola nanambara fitsipika iray tamin’ny fomba hentitra sy tsy nitsitsy anefa izy araka ny nambaran’ny Tompo hoe: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana” [2 Nefia 2:25]. Alaivo sary an-tsaina anie! Tamin’ireo teny rehetra azony nampiasaina mba hamariparitana ny toetra sy ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, dia nosafidiany ny teny hoe fifaliana!

Indraindray dia tsy araka izay neritreretintsika ny fiainana, feno karazana fisedrana sy olana. Ny tsirairay amintsika dia efa samy nandalo fotoana izay nahatonga ny fahoriana, ny tebiteby ary ny fahakiviana saika nanempotra antsika. Kanefa eto ve isika mba hahazo fifaliana?

Eny! Eny manakoako ny valiny!” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82)

Asao ireo mpianatra mba hamantatra mangina ny olana iray manokana izay atrehan’izy ireo. Asehoy ity fanontaniana manaraka ity ary asao ireo mpianatra hisaintsaina ny valin-tenin’izy ireo sy hirakitra an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo. (Raha mety dia asao ny iray na ny roa amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra niainana izay tena an’ny tenany manokana loatra na tsiambaratelo izy ireo.)

  • Manampy ahy handray io zavatra niainana io ho toy ny fahafahana iray hivoarana ara-panahy sy hifaliana amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ireo tanjona ireo?

Mampianatra i Lehia fa malalaka isika ny hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity: “Nanome lalana ny olona hampiasa fanomezam-pahasoavana roa fanampiny avy amin’ Andriamanitra koa [ny Fahalavoana], izay sarobidy mitovy amin’ny aina mihitsy aza—dia ny fahafahana misafidy sy ny maha-tompon’andraikitra” (“Constancy amid Change,” Ensign, Nov. 1993, 34).

  • Inona avy ireo fepetra sasany hitan’i Lehia izay mampisy ny fahafahana misafidy sy ny maha-tompon’ andraikitra? (Raha ilaina dia asao ireo mpianatra hijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanazava fohifohy ny antony mahatonga ireo fepetra ireo ho ilaina mba hampisy ny fahafahana misafidy.)

Iaraho vakina ny 2 Nefia 2:26–29 hijerena fomba fanampiny izay nahatonga ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fanavotany antsika tamin’ny vokatry ny Fahalavoana hiantraika amin’ny fahafahantsika misafidy. Anisan’ireo fitsipika mety ho hitan’ireo mpianatra avy amin’io andininy io izao manaraka izao: Ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy dia manome fahalalahana antsika hisafidy ny fiainana mandrakizay. Ny drafitry ny Ray any An-danitra dia nanolotra ireo zavatra ilaintsika mba hahafahantsika na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny devoly.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho ireo mpianatra mba hanao zavatra amim-pahamarinana Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana amin’ny asa marina” (“Mangataha amim-pinoana,” Liahona, mey 2008, 95). Rehefa mampianatra ianao dia omeo fahafahana ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manao zavatra am-pinoana sy hampihatra ny zavatra ianarany. Rehefa mamporisika tsy tapaka ireo mpianatra mba hisaintsaina sy hampihatra ny zavatra ianarany ianao dia afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahafahan’izy ireo manao zavatra amim-pahamarinana.

Eritrereto hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no mety hanampy ny mpianatrao hahatakatra tsara ny fahafahana misafidy ka hanapa-kevitra manokana ny amin’izay asa amim-pahamarinana tokony hataony eo amin’ny fiainany. (Afaka misafidy ny iray amin’ireto andiam-panontaniana manaraka ireto ianao ary mamporisika ireo mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe lasa “afaka mandrakizay … mihetsika ho azy fa tsy etsehina, afa-tsy amin’ny famaizan’ny lalàna amin’ny andro lehibe sady farany” isika? (2 Nefia 2:26). Inona no zavatra tsapanao fa asain’ny Fanahy ataonao mba hahafahanao manao zavatra amim-pahamarinana androany?

  • Inona avy ireo ohatra sasany ana safidy kely izay ataonao isan’andro ka mety hanana fiantraikany maharitra? Karazana safidy isan’andro toy ny ahoana no hanampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana mandrakizay? Inona avy ireo safidy sasany ataonao ankehitriny izay mety hanakana na hampihena ny fitomboanao sy ny fahafahana anananao ara-panahy?

  • Ahoana no nanomezan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fahafahana anao hianatra avy amin’ny fahadisoanao? (Avereno jerena ny teny nambaran’ny Loholona Bruce C. Hafen ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana raha ilaina.) Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ny fahotana na fahadisoana nataonao?

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao izay mpianatra te hizara ny heviny na ny fijoroana ho vavolombelona ananany mba hanao izany. Hazavao amin’ireo mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra momba ny tena manokana loatra izy ireo na hiresaka momba ny fahotana manokana izay nataon’izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra mba hanao zavatra mifanaraka amin’ny zavatra nosoratany sy nosaintsaininy androany. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitsipika ato amin’ity lesona ity sy ny fanirian’ny Tompo hanampy ireo mpianatra hanao ny safidny eo amin’ny fiainana.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa mandritra ny fotoam-pianarana manaraka dia hiresaka momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Amporisiho ireo mpianatra mba handalina tsara ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hisaintsaina ny antony mahatonga ny Bokin’i Môrmôna milaza ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho tsisy fetra sy mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 9:7; Almà 34:10).

Hamoaka printy