Institiota
Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fibebahana sy famelan-keloka


“Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fibebahana sy famelan-keloka,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fibebahana sy famelan-keloka

Ny Bokin’i Môrmôna dia manolotra hevi-baovao tsy manan-tsahala momba ny fotopampianaran’ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Ny zavatra niainan’i Enôsa sy ny Mpanjaka Benjamina ary i Almà zanany dia maneho fa ny Mpamonjy no tena loharanon’ny famelana antsika sy ny fiadanan-tsaintsika. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana momba ny dingan’ny fibebahana ary hianatra ny fomba hahafantarana bebe kokoa ny fotoana izay namelan’ny Mpamonjy azy ireo. Hojeren’ireo mpianatra ihany koa ny fomba ahafahan’izy ireo manohy mibebaka sy lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manazava ny fomba nahazoany ny famelan’ny Mpamonjy i Almà.

Asehoy amin’ny faritra samy hafa ao amin’ny efitrano fianarana ireto fanontaniana telo manaraka ireto. Mandamìna seza vitsivitsy manao faribolana eo akaikin’ny fanontaniana tsirairay. Hazavao fa ireo fanontaniana ireo dia mitovy amin’ireo ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Inona no tena dikan’izany hoe mibebaka? Inona ny torohevitra homenao ny olona iray izay nanao ireo dingan’ny fibebahana, saingy tsy mahatsapa fiovana?

  • Ahoana no ahitantsika ny hery tena hiovana? Inona no holazainao amin’ny olona iray izay kivy satria tena efa niezaka mafy ny hanao ny tsaratsara kokoa hatrany saingy mbola mamerina manao ireo fahadisoana foana?

  • Ahoana raha misy olona mahatsapa fa efa tsy misy antenaina intsony ny aminy? Ahoana no hanampianao olona iray izay mahatsapa fa tsy tokony ho sahirana amin’ny fibebahana intsony satria efa ratsy loatra ny fahotany ka tsy ho voavela heloka na oviana na oviana izy?

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe misiônera izy ireo izay miomana ny hamaly ny iray amin’ireo andiam-panontaniana etsy ambony ireo ho an’ireo naman’ny Fiangonana ampianariny na koa hoe miomana ny hanampy olona tiana iray izay manana olana amin’ny fibebahana izy ireo. Avy eo dia angataho ireo mpianatra mba hipetraka amin’ny seza eo akaikin’ireo fanontaniana izay tiany hifanakalozana hevitra. Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ny tantaran’ny zavatra niainan’i Almà na tantara hafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontanian’izy ireo.

Manendre mpitarika ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny vondrona tsirairay, dia omeo tahadika irain’ireo torolalana hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny mpitarika tsirairay. Omeo fotoana ampy ireo vondrona mba hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja.

Rehefa avy nanome fotoana an’ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na mihoatra izany izay mazoto isaky ny vondrona mba hanolotra famintinana fohy ny zavatra nianarana sy tsapan’ny vondrona nisy azy ireo nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo.

Niaina ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka i Enôsa sy ny Mpanjaka Benjamina ary i Almà.

Asao ny mpianatra mba handinika raha toa ka efa nanontany tena izy ireo na ny olona fantany ny amin’ny fomba ahafantarana hoe namela azy ireo tamin’ny fahotany ve ny Mpamonjy. Asao hanadihady ny Enôsa 1:4–8; Môzià 4:1–3; ary Almà 36:19–21 ireo mpianatra ary hikaroka ireo fomba ahafantarana fa voavela heloka isika.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mamantatra ny herin’ny fampianarana mifototra amin’i Kristy. Nilaza toy izao tamin’ireo mpampianatra i Chad H. Webb, mpiandraikitra ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara: “Ny fomba tokana manan-danja indrindra izay hahafahantsika manampy amin’ny fampitomboana ny finoana ao amin’ny taranaka vao misondrotra dia ny fametrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarantsika sy ny fianarantsika amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatsika ho tonga amin’ny fahafantarana Azy, hianatra avy Aminy, ary milofo amim-pahatongavan-tsaina mba ho tonga tahaka Azy” (“We Talk of Christ, We Rejoice in Christ” [lahateny natao tamin’ny fampitana ny fiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 12 jona 2018], ChurchofJesusChrist.org). Rehefa miomana hampianatra ianao dia manontania tena hoe: Ahoana no ahafahako manampy ireo mpianatra hahafantatra sy hitia ary hanaraka bebe kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ity fianarana ity?

  • Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no tena nanaitra anao? Nahoana araka ny eritreritrao no nahasarika anao ireo andian-teny ireo?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mino sy manaiky fa i Jesoa Kristy dia manam-piniavana sy afaka ary maniry mafy ny hamela ny fahotantsika sy hanaisotra ny fahamelohantsika? (Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina hijery ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no ahafantarantsika fa namela ny fahotantsika ny Mpamonjy? (Ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray mitovy amin’ireto manaraka ireto: Rehefa tena mibebaka amin-kitsim-po sy manana finoana an’i Jesoa Kristy isika dia mamela antsika sy manome fifaliana sy fiadanan-tsaina ho antsika Izy.)

  • Oviana ianao no nahatsapa ny fifaliana sy ny fiadanana avy amin’ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo, ary inona no fiantraikan’io zavatra niainana io teo amin’ny fiainanao? (Amporisiho ireo mpianatra hiresaka momba ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fibebahana fa tsy ny mombamomba ny fahotan’izy ireo.) Inona no hevitrao sy ny zavatra tsapanao momba ny fahafahan’ny Mpamonjy sy ny faniriany hamela heloka anao?

Mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonao dia mety hanampy ny mizara ireto teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ireto:

Loholona Neil L. Andersen

Ho an’ireo izay tena mibebaka tokoa kanefa toa tsy mahatsapa ho maivamaivana: tohizo ny fitandremana ny didy. Mampanantena anareo aho fa ho maivamaivana ianareo amin’ny fotoan’ny Tompo. Mitaky fotoana ihany koa ny fahasitranana. (“Mibebaha … Mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 42)

Fanamarihana: Ho an’ireo mpianatra izay mety mahatsapa ho kivy amin’ny dingan’ny fibebahana satria mbola tsy mbola nitondra fahatsapana ho maivamaivana teo amin’izy ireo ny ezaka nataony, dia omeo teny fampaherezana izy ireo ary asao izy ireo mba hanohy hitodika any amin’ny Tompo ary angamba hizara ny olan’izy ireo manokana amin’ny evekany.

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanaovany tomban’ezaka momba ny fiainany ka hamantatra izay zavatra ilainy hibebahana. Asao ireo mpianatra mba hirakitra an-tsoratra izay fahatsapana voarainy.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fotopampianaran’ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Eritrereto ny hanasa ireo mpianatra mba hizara ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Anontanio ny mpianatra ny fomba nitahian’ireo fanekempihavanan’ny batisany sy ireo fanekempihavanana hafa ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo rehefa mandalina ny tahiri-kevitra hoenti-manomana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka mba hieritreritra ny lalan’ny fanekempihavanan’izy ireo sy ny fomba hampifamatotra azy ireo amin’ny Mpamonjy sy ny heriny rehefa manaja fanekempihavanana.

Fifanakalozan-kevitra ataona vondron’olom-bitsy momba ny fibebahana

Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 10

Fanamarihana ho an’ny mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampiasao azafady ireto torolalana ireto mba hanamora ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao. Amporisiho ny mpikambana rehetra ao amin’ny vondrona misy anao mba handray anjara. Na izany aza anefa dia aza manery. Tsy tokony hisy olona hahatsapa ho terena hizara na dia iray aza.

Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba haka minitra vitsivitsy hijerena ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana sy ireo soratra masina mifandray amin’izany (jereo ny Môzià 27:35; Almà 36:12–13, 17–21, 24). Angataho ireo mpianatra hitady fitsipika izay azo ampiharina amin’ny fanontanian’ny vondrona misy anao. Asao ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hiomana hizara izay soratra masina hafa hitan’izy ireo rehefa niomana tamin’ity fotoam-pianarana ity izy ireo.

Miaraha manapa-kevitra hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no tena manan-danja ho an’ny vondrona misy anao mba hifanakalozana hevitra. Mba hahatakarana bebe kokoa ireo hevitra ireo dia mety ho tsaratsara kokoa ny mifanakalo hevitra lalina kokoa momba ana fanontaniana iray na roa toy izay ny miezaka manadihady ireo fanontaniana rehetra amin’ny ambangovangony fotsiny.

  • Fitsipika inona izay azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Almà no mifandray amin’ny fanontaniantsika? Tamin’ny fomba manao ahoana no nitahiana anareo rehefa nanaraka ireo fitsipika ireo?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na fampianarana hafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay afaka manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao hiaina ny herin’ny fibebahana?

  • Inona no anjara asa tanan’i Jesoa Kristy amin’ny fibebahantsika? Inona no tsapanao momba ny finiavan’ny Mpamonjy hamela ny helokao?

  • Inona no ifandraisan’ilay didy hanolotra “fo torotoro sy fanahy manenina” (3 Nefia 9:20) ho an’ny Mpamonjy amin’ny fanontaniantsika? (Raha mifanakalo hevitra momba io fanontaniana farany io ianao dia mety ho hitanao fa mahasoa ny mandinika ny 3 Nefia 9:19–20 sy ilay tenin’ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)

Fifanakalozan-kevitra ataona vondron’olom-bitsy momba ny fibebahana

taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra