Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandresy ny avonavona


“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandresy ny avonavona,” Fampianarana sy fotopampampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mandresy ny avonavona

Lohahevitra lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fahotana amin’ny avonavona. Matetika ny vanim-potoan’ny fahamarinana sy ny fanambinana no arahin’ny vanim-potoan’ny avonavona sy faharatsiana. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hamantatra ireo fomba fisehoan’ny ny avonavona eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Ireo mpianatra ihany koa dia hihevitra izay zavatra azon’izy ireo atao mba handresena ny avonavona ary ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nampianatra momba ny fahotana avy amin’ny avonavona i Jakôba sy i Môrônia.

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mampiseho ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona J. Devn Cornish ao amin’ny Fitopololahy ity: “Ajanòny ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa” (“Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?Liahona, nôv. 2016, 33). Anontanio ny mpianatra ny antony mahatonga izany ho torohevitra tsara.

Zarao ity trangan-javatra manaraka ity ary anontanio ny mpianatra raha efa nahatsapa toy izany izy ireo na na ny olona fantany.

Tsy tia manatrika ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana i Jill. Rehefa mijery manodidina ny efitrano izy, ny hany hitany dia vehivavy toa tsara tarehy sy ara-panahy ary manan-talenta kokoa noho izy. Sosotra amin’izy ireo izy noho izy ireo manana ireo toetra ireo ary mazàna no mandao ny Fikambanana Ifanampiana mahatsapa tena ho tezitra sy mialona izy.

Ampisehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity, izay niresaka momba ny avonavona fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Amin’ny ifotony dia fahotan’ny fampitahana ny avonavona” (“Pride and the Priesthood,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 56). Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Fahotan’ny fampitahana ny avonavona.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa hitarika ho amin’ny avonavona?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampifanaraho amin’izay zavatra ilain’ny mpianatra. Na dia manome fahamarinana, sy loharanom-pitaovana manan-danja ary fitarihana manampy aza ny fandaharam-pianarana, dia tsy afaka maminavina izay zavatra ilain’ny mpianatrao rehetra izy io. Rehefa mampianatra ianao dia henoy tsara ny hevitry ny mpianatra, ny fanontaniany ary ny ahiahiny mba hahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao hahafantatra izay tokony hifantohana sy hatao laharam-pahamehana mandritra ny fifanakalozan-kevitra.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa izy ireo dia nianatra tamin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra famaranana fa nampitandrina ny olony momba ny avonavon’izy ireo i Jakôba, nahita mialoha ny avonavona amin’ny andro farany i Môrônia ary ny Filoha Ezra Taft Benson dia niresaka momba ny avonavona tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Asao hisafidy ny iray amin’ireo mpaminany ireo ny mpianatra tsirairay ary hamerina hijery ny hafatra entiny momba ny avonavona, ka hitady ny fomba ahitana fa “fahotan’ny fampitahana ny avonavona” (“Pride and the Priest,” 56).

Rehefa nanana fotoana namakiana ireo andininy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izay zavatra nianarany. Rehefa mizara ny fomba fijeriny ny mpianatra dia hevero hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no hifantohana sy hatao laharam-pahamehana:

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “tafasondrotra ao amin’ny avonavon’ny fonareo ianareo”? (Jakôba 2:13). Ahoana no ahalalanao fa tafasondrotra ao amin’ny avonavon’ny fonao ianao?

  • Fahotana hafa inona no mety hiditra eo amin’ny fiainantsika rehefa manambany ny hafa amin’ny fireharehana fatratra isika na mijery ambony ny hafa amin’ny lolom-pò? Araka ny zavatra niainanao, inona no fiantraikan’ireo karazana fampitahana ireo amin’ny fifandraisana amin’ny namana, ny olona ao amin’ny fianakaviana, ny mpiray trano, ny mpiara-miasa ary ny Ray any An-danitra?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety handrisihan’ny tamba-jotran-tserasera fampitahana izay mety hitarika ho amin’ny fahotana avy amin’ny avonavona? Inona no nataonao mba hanoherana ny fakam-panahy hampitaha ny tenanao amin’ny hafa?

Fanamarihana: Raha maneho ny ahiahiny momba ireo fanamby apetraky ny tamba-jotran-tserasera ny mpianatra dia azonareo atao ny mizara sy mifanakalo hevitra momba ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Ny Loholona Gary E. Stevenson

Maro (raha tsy ny ankamaroany) amin’ireo sary aely eny amin’ny tamban-jotran-tserasera no maneho ny tsara indrindra amin’ny fiainana—amin’ny fomba tsy mitombina mihitsy matetika. …

Ny fampitahana ny fisiantsika toa antonontonony amin’ny an’ny hafa izay voarindra tsara, ireo fiainana namboarina ho lafatra araka ny aseho ao amin’ny tamba-jotran-tserasera dia mety hitondra fahatsapana ho kivy sy fitsiriritana ary tsy fahombiazana mihitsy eo amintsika. …

Araka ny nampahatsiahivin’ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson antsika androany maraina, ny fahombiazana amin’ny fiainana dia tsy miankina amin’ny isan’ny “j’aime” azontsika na ny isan’ny namantsika sy mpanaraka antsika amin’ny tamba-jotran-tserasera. Fa izany kosa anefa dia misy ifandraisany amin’ny fifandraisana amin’ny fomba manan-danja amin’ny hafa sy ny fitondrana hazavana amin’ny fiainan’izy ireo.. (“Fanakona-masoandro ara-panahy,” Liahona, nôv. 2017, 46)

Angataho ireo mpianatra handeha any amin’ny fanontaniana any amin’ny faran’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana . Asao izy ireo hamerina hijery ireo valin-teny noraketiny an-tsoratra nandritra ny fandalinany manokana ary hanampy izay eritreritra na fahatsapana fanampiny nananany hatramin’ny nanoratany ny valin-teniny.

Nandresy ny avonavona tamin’ny alalan’ny fanetren-tena ny Nefita.

Mangataha mpianatra iray hanazava ny tanjon’ny fanefitra. (Raha ilaina dia hazavao fa ny fanefitra dia fanafody entina manohitra poizina manokana.) Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Benson ity: “Ny fanefitra amin’ny avonavona dia ny fanetren-tena—fahalemem-panahy, fanoavana. (Jereo ny Almà 7:23.)” (“Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 6). Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny fanetren-tena no fanefitry ny avonavona.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny avonavona ho tahaka ny poizina?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nofaritan’ny Filoha Benson ho fanefitry ny avonavona ny fanetren-tena?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao amin’ny Jakôba 2:17–21, i Jakôba dia nilaza tamin’ny olony ny fomba hanoherana ny fakam-panahin’ny avonavona rehefa mihabe harena izy ireo. Ampahatsiahivo ireo mpianatra ihany koa fa nianarany tamin’ny fanomanana ny fotoam-pianaran’izy ireo fa ny 3 Nefia 6:12–14 dia mamariparitra ireo olona nanetry tena izay tsy nety nanao zavatra am-pieboeboana. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hikaroka ny zavatra azontsika atao mba handresena ny avonavona.

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no azontsika atao mba handresena ny avonavona? (Azonao atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra. Mety ho tafiditra amin’ny valin-teny mety hiseho ireto manaraka ireto: malala-tanana amin’izay ananantsika, mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha, mahazo fanantenana ao amin’i Kristy, mikarakara ny mahantra, mahita ny olon-drehetra ho sarobidy, tsy miady hevitra amin’ny hafa, manetry tena sy mibebaka eo anoloan’ Andriamanitra, ary mitandrina ny didy.)

  • Ahoana no anehoan’ireo toetra sy fihetsika ireo ny fanetren-tena?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fanetren-tena avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy? Ahoana ahafahantsika mampihatra ny ohatry ny fanetren-tena nasehony eo amin’ny fiainantsika?

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Benson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Amporisiho izy ireo hamantatra fomba manokana ahafahany mikolokolo fanetren-tena bebe kokoa amin’ny fiainany ary hamaritra ny fomba hanaovan’izy ireo izany.

Hevero ny hijoro ho vavolombelona fa rehefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka mamantatra mandrakariva sy mandresy ny avonavona isika ary ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Ho an’ny fotoana manaraka

Anontanio ny mpianatra raha efa namaky na nandre zavatra izay nahatonga fisalasalana na fifandirana momba ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny velona izy ireo. Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ny mpianatra, dia asao izy ireo hijery fampianarana izay afaka manampy azy ireo hiaro tena amin’ireo izay mitady hanimba ny finoany.

Hamoaka printy