Institiota
Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Hadihadio ny soratra masina


“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Hadihadio ny soratra masina,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Karohy ny soratra masina

Hoy ny mpaminany Môrmôna hoe: “Izay manana ny soratra masina, aoka izy hanadihady izany” (3 Nefia 10:14). Ity lesona ity dia hanome ireo mpianatra fahafahana hamantatra ireo fitahiana maro izay raisin’ireo izay manadihady amim-pahazotoana ny soratra masina. Hamantatra ny zavatra azony atao ihany koa izy ireo mba hahatonga ny fandalinana ny soratra masina ho ampahany manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nianatra i Lehia sy ny fianakaviany fa ny soratra masina dia sarobidy tokoa.

Azonao atao ny mizara izao toe-javatra mety hitranga manaraka izao:

Tanora iray tena be atao i Tasha. Mianatra izy, manao asa an-tselika, manompo ao amin’ny Fiangonana, mavitrika ao amin’ireo tambajotran-tserasera, ary mandany fotoana miaraka amin’ireo namany izy mandritra ny faran’ny herinandro. Te hanam-potoana handalinana manokana ny soratra masina izy saingy sarotra ny mahita ny fotoana sy ny hery hanaovana izany.

  • Inona no torohevitra mety azonao omena an’i Tasha?

Manasà mpianatra iray hamerina ny tantaran’ireo zanakalahin’i Lehia raha nandeha naka ny takela-barahina izy ireo. Avy eo dia iaraho vakina ny 1 Nefia 5:20–21.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity ary mandritra ny fifanakalozan-kevitra ho atao manaraka dia entano ireo mpianatra hanoratra ireo fomba samihafa hahafahana manatanteraka izany: Sarobidy tokoa ny soratra masina satria …

  • Ahoana no mety namenoan’i Lehia sy Nefia an’ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe?

  • Ahoana no hamenoanao an’io fehezan-teny io avy amin’ny zavatra niainanao manokana?

Asehoy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary hazavao fa ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanambara ny hasarobidin’ny soratra masina: 1 Nefia 15:23–24; Jakôba 2:8; Jakôba 4:4; Almà 31:5; Almà 37:8–10; Helamàna 3:29–30.

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba hifampizara ireo andinin-tsoratra masina mba hahafahan’ny rehetra ao amin’ilay vondrona manana soratra masina iray na roa ho vakina. Angataho ireo mpianatra hamaky mangiana ny soratra masina nomena azy ary hieritreritra antony hafa maha-sarobidy ny soratra masina.

Entano ny mpikambana ao amin’ireo vondrona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ary ny zavatra azony ampiana amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe mba hahafeno ilay fehezan-teny. Ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitra dia azon’ireo mpianatra atao ny mizara ireo fotoana niainany ireo tombontsoa avy amin’ny soratra masina araka izay voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina hifanakalozan’izy ireo hevitra.

Aorian’ilay asa nampanaovina ao anaty vondrona dia apetraho amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo antony maha-sarobidy tokoa ny soratra masina no eritreretinao fa tena manan-danja indrindra?

  • Inona no lasa fantatrao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa namaky ny soratra masina ianao, indrindra ny Bokin’i Môrmôna? Inona avy ireo toko sy andininy manokana izay nitarika anao hanakaiky kokoa Azy?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fahafahana hiraketana ny fahatsapana ananany ny mpianatra. Raha mizatra mirakitra ny fahatsapana ananany avy amin’ny Fanahy Masina ireo mpianatra dia lasa mora mandray kokoa an’ireo bitsika ara-panahy izy ireo. Asao ireo mpianatra handray an-tsoratra ny fahatsapana toy izany amin’ny toerana izay hahafahan’izy ireo mamerina mijery izany ary hahafahan’izy ireo manao drafitra sy mametraka tanjona ihany koa. Azonao hamporisihana izy ireo hampiasa ny application Vivre l’Évangile mba hanaovana izany. Amporisiho ny mpianatra hamadika ho asa ny fitaomam-panahy azon’izy ireo.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina sy handray an-tsoratra ny fahatsapana noraisany nandritra ny fotoam-pianarana.

  • Inona ireo fitahiana manokana tianao ho raisina misimisy kokoa araka ny zavatra nianaranao momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina?

  • Eritrereto hoe matetika manao ahoana ary mahomby ve ny fandalinanao ny soratra masina. Raha misy, dia inona no manakana anao tsy handalina ny soratra masina amin’ny fomba mahomby? Inona no zavatra hafa azonao atao mba hanatsaranao ny traikefa anananao momba ny soratra masina?

Mampitaha ny tenin’i Kristy amin’ny Liahona i Almà.

Asehoy ilay sary nampiarahana amin’ity lesona ity ary asao ireo mpianatra hilaza ny fahasahiranana natrehan’ny fianakavian’i Lehia raha namakivaky ny tany foana izy ireo. Inona no mampitovy ny fiainantsika amin’ny dia mamakivaky ny tany foana?

Sary
Namakivaky ny tany foana i Lehia sy ny fianakaviany

Asehoy ilay sarin’ny Liahona nampiarahana amin’ity lesona ity ary asao ireo mpianatra hanazava ny fomba fiasan’ilay izy. (Raha ilaina dia asaivo mamaky ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo mpianatra.)

Sary
ny Liahona
  • Inona ireo lesona mety nianaran’ny fianakavian’i Lehia vokatry ny fampiasana ny Liahona?

Asehoy ilay sary nampiarahana amin’ity lesona ity izay maneho zatovolahy iray mamaky ny soratra masina amin’ny smartphone ary asao ireo mpianatra hamaky na hamerina hamaky ny Almà 37:43–46.

Sary
zatovo mamaky ny soratra masina amin’ny smartphone
  • Aiza no ahitantsika ny tenin’i Kristy? Ahoana no hahafahan’ny tenin’i Kristy ho tahaka ny Liahona ho anao manokana?

Asehoy ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manaraka ny tenin’i Kristy isika, ireny dia hitarika antsika hamakivaky ireo fanamby atrehantsika amin’ity fiainana ity ho amin’ny fifaliana mandrakizay.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hitarihan’ny tenin’i Kristy antsika dia asehoy ity toe-javatra mety hiseho manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Nolazaina i Luis fa ny soratra masina dia ahitana ny valin’ireo fanontaniantsika rehetra. Kivy izy satria tsy mahita valiny mazava amin’ny fanontaniana manan-danja iray ho azy manokana ao amin’ny soratra masina. Rehefa nitombo kokoa ny fikarohana nataony dia nitombo kokoa ny fahasorenany.

  • Inona no torohevitra homenao an’i Luis?

Asehoy ary vakio mafy ity teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Milaza isika fa ny soratra masina no ahitana ny valin’ireo fanontaniana tsirairay avy satria ny soratra masina dia afaka mitarika antsika amin’ny valim-panontaniana tsirairay avy. …

… Na dia tsy mirakitra ireo teny izay mety hamaly ireo fanontaniana manokana ananantsika aza ny soratra masina dia hanampy antsika handray valim-panontaniana ny fandalinana ny soratra masina ombam-bavaka. Izany no izy satria ny fandalinana ny soratra masina dia manamora ny fahatsapantsika ny fitaoman’ny Fanahy Masina. …

… Ny soratra masina dia hanampy antsika hamaha ireo fanontaniana manokana rehetra ananantsika satria rehefa mamaky azy ireny isika dia manasa sy manomana ny tenantsika ho amin’ny fitaomam-panahin’ny Fanahy Masina, izay hitarika antsika ho any amin’ny fahamarinana rehetra. (“Studying the Scriptures” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Hawaii, 14 mar., 1986], 18–21, Tranom-bokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City)

  • Inona no fahamarinana nampianarin’ny Filoha Oaks antsika mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny teniny? (Tokony hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Ny fandalinana ny soratra masina dia manasa ny fanambarana ho an’ny tena manokana.)

  • Oviana no nisokatra taminao ny fanambarana ho an’ny tena manokana noho ireo soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-sarobidy ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina ary entano ireo mpianatra hamadika ho asa ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina noraisin’izy ireo tamin’ny fandalinana sy ny fotoam-pianarana.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa mandritra ny fotoam-pianarana manaraka dia hanomboka fizarana vaovao antsoina hoe “Ilay drafitra lehiben’ny fanavotana” isika. Eo am-pandalinan’ireo mpianatra ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 5 dia asao izy ireo hieritreritra ny zavatra fantany momba ny Fahalavon’i Adama sy Eva ary ny safidy lasa nisokatra ho antsika vokatr’izany.

Hamoaka printy