“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fibebahana sy famelan-keloka,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 10: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Fibebahana sy famelan-keloka
Tafiditra ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy ny fibebahana. Fanomezana avy Aminy izany ho an’ireo izay maniry ny hiova sy ho voadio amin’ny fahotana. Tsaroanao ve ny fahatsapana nanananao rehefa nifona tamin-kitsim-po sy nibebaka tamin’ny zavatra iray tamin’ny lasa ianao? Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsarovy fa tsy famaizana akory ny fibebahana. Fa izany no lalana feno fanantenana mankany amin’ny hoavy feno voninahitra kokoa” (“Herin’ny tena manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2013, 84). Eo am-pandalinanao ho fanomanana ny fotoam-pianarana dia saintsaino ny fomba hamelan’ny fanomezan’ny fibebahana sy famelan-keloka avy amin’ny Mpamonjy anao hianatra sy hitombo ary ho lasa tahaka Azy kokoa.
Fizarana 1
Ahoana no ahafahako mibebaka marina sy mandray ny famelan’ny Tompo ny heloko?
Tsy nino ny fampianaran’i Almà rainy i Almà zanany. Niezaka mafy ny handrava ny Fiangonan’ny Mpamonjy niaraka tamin’ireo zanaky ny Mpanjaka Môzià i Almà zanany. Raha nanatanteraka izany asa ratsiny izany izy ireo dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’izy ireo ary nampitandrina an’i Almà mba hanatsahatra ny zavatra nataony fa raha tsy izany dia ho very izy (Môzià 27:16). Raha kepoka noho izany zavatra niainany izany i Amà dia tsy afaka niteny na nihetsika. Nentin’ireo zanakalahin’i Môzià ho any amin’ny rainy i Almà zanany ary nohazavain’izy ireo ny zavatra nitranga. (Jereo ny Môzià 27:8–20.)
Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny andraikitra fototra sahanin’ny Tompo amin’ny fibebahantsika:
I Kristy no hery ao ambadiky ny fibebahana rehetra. … Nahakasika ny fon’i Almà ny fampianaran’ny rainy, fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe ilay faminaniana tsaroany dia faminaniana iray mikasika ny “fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Almà 36:17.) Izany no anarana ary izany no hafatra tsy maintsy ho ren’ny olona rehetra. … Na inona na inona vavaka hafa ataontsika, na inona na inona filàna hafa ananantsika, dia toa miankina amin’izany fitalahoana izany avokoa izy rehetra hoe: “Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko.” Voaomana hanome izany famindram-po izany Izy. Ny fiainany mihitsy no nataony onitra mba hanomezana izany famindram-po izany. (However Long and Hard the Road [1985], 85)
Fizarana 2
Amin’ny fomba ahoana no maha-tafiditra ao amin’ny fibebahana amin-kitsim-po ny fanolorana fo torotoro sy ny fanahy manenina amin’ny Tompo?
Niaina ny lalàn’i Mosesy ireo Nefita hatramin’ny fotoana taloha kelin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy tamin’izy ireo. Tao anatin’ny lalàn’i Mosesy, dia nandidy ny vahoakany ny Mpamonjy mba hanatitra biby atao sorona ho tandindon’ny sorompanavotana izay hataony.
Ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny dikan’ilay andian-teny hoe “fo torotoro sy ny fanahy manenina” (3 Nefia 9:20):
Rehefa manota isika ka maniry famelan-keloka, ny atao hoe fo torotoro sy fanahy manenina dia mahatsapa “alahelo araka an’ Andriamanitra [izay] miasa ho amin’ny fibebahana” (2 Korintiana 7:10). Mitranga izany rehefa miredareda tokoa ny faniriantsika ho voadio amin’ny fahotana ka vonton’alahelo ny fontsika ary maniry ny hanana fiadanana amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina dia vonona hanao na inona na inona sy ny zava-drehetra takin’ Andriamanitra amin’izy ireo, tsy amim-panoherana sy tsy amin’ny lonilony. Manatsahatra ny fanaovana zavatra araka ny fombantsika isika ary mianatra ny manao azy ireo araka ny fomban’ Andriamanitra kosa. Afaka manan-kery ny Sorompanavotana ary mitranga ny fibebahana marina ao anatin’izany toetran’ny fankatoavana izany. (“A Broken Heart and a Contrite Spirit,” Liahona, Nov. 2007, 32)
Fizarana 3
Nahoana ny Mpamonjy no vonona aok’izany hamela ny fahotako?
Nandritra ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Môzià dia “maro tamin’ny taranaka vao misondrotra” (Môzià 26:1) no nandresy lahatra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanao fahotana goavana. Raha nisalasala ny amin’izay atao manoloana izany tranga izany i Almà rainy dia nitodika tany amin’ny Tompo mba hangataka fitarihana.
Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Afaka mamela heloka satria nanefa ny vidin’ny fahotantsika Izy [jereo ny Isaia 53:5].
Misafidy ny hamela heloka ilay Mpanavotra antsika noho ny fangorahany sy ny famindram-pony ary ny fitiavany tsy manan-tsahala.
Te hamela heloka ny Mpamonjintsika satria anisan’ny toetra amin’ny maha-Andriamanitra Azy izany.
Ary, amin’ny maha-Mpiandry ondry tsara Azy, dia feno fifaliana Izy rehefa misafidy ny hibebaka isika [jereo ny Lioka 15:4–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13]. (“Ny fibebahana: Safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 123; nampiana fanamafisana)
Nanamafy ihany koa ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Talanjona aho tamin’ny sandry misakambin’ny Mpamonjy izay feno famindram-po sy fitiavana ho an’izay nibebaka, na tahaka ny inona ny endriky ny fitiavan-tena tao anatin’ilay fahotana nafoy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia afaka mamela sy maniry ny hamela ny fahotantsika. (“Mibebaha … Mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 40)