“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana
Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia “mampatanjaka ireo mpanara-dia an’i Kristy izay manetry tena hahatohitra ireo teti-dratsy, paikady ary fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Jan. 1988, 3). Ato amin’ity fizarana ity dia hanana fotoana hianarana ny fomba ampihariharian’ny Bokin’i Môrmôna ireo loza ireo ianao mba hahafahanao miaro tsara kokoa ny tenanao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava fitsipika izay afaka manampy anao hiaina am-pahamarinana mandritra ny fotoam-paharatsiana.
Fizarana 1
Ahoana no ahafahako mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo rehefa miatrika fanenjehana noho ny fiainana ny filazantsara aho?
Rehefa nipetraka tamin’ny toeram-pitsarana i Helamàna, zanakalahin’i Helamàna, dia niaina vanim-potoana nilamina ny Nefita ary olona an’aliny no niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana. Na dia niroborobo aza ny Fiangonana dia nisy mpikambana sasantsasany lasa niavonavona ary nanomboka nanenjika ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy nanetry tena. (Jereo ny Helamàna 3:20–34.)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahako ho olo-marina rehefa voahodidin’ny faharatsiana aho?
Ny mpaminany Môrmôna sy ny zanany lahy Môrônia dia niatrika fotoana nanjakan’ny faharatsiana. Noho ny fahotana sy ny tsy finoana dia nitsahatra ny fahagagana ary tsy niaraka tamin’ny vahoaka intsony ny Fanahy Masina. Nanjaka eran-tany ny herin’i Satana. (Jereo ny Môrmôna 1:13–19.) Tao amin’ny taratasy iray ho an’i Môrônia zanany lahy dia nilazalaza ny toetoetry ny olona i Môrmôna ary nanatsoaka hevitra fa mamohehitra izy ireo hany ka “tsy manaraka fahalalam-pomba” (Môrônia 9:11). Herisetra, ady ary vono olona no namely ny tany rehefa niady tsy anki-janona ny Lamanita sy ny Nefita. Nanjaka ny Lamanita tamin’ny farany ary nanatri-maso ny famongorana tanteraka ny Nefita i Môrmôna sy i Môrônia (jereo ny Mormôna 2–6; 8:1–3, 7).
Raha niresaka momba ny herin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy ao anatin’ny tontolo feno ota ny Filoha Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia nampianatra hoe:
Raha toa ny fisarihan’izao tontolo izao ka matanjaka kokoa noho ny finoantsika ny Mpamonjy sy ny fahatokiantsika Azy dia handresy hatrany ny fisarihan’izao tontolo izao. …
… Raha matetika no mora kokoa ny matoritory ara-panahy raha oharina amin’ny fanaovana ny ezaka ara-panahy mba hahatsiahy sy hanaiky ny toetrantsika amin’ny maha-Andriamanitra, dia tsy azontsika atao ny manome vahana izany amin’izao andro farany izao. Enga anie isika … “ho mahatoky ao amin’i Kristy; … fa hanandratra [antsika] kosa anie i Kristy, ary enga anie ny fijaliany sy ny fahafatesany, … ary ny famindram-pony sy ny fahari-pony, ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandrakizay ao [an-tsaintsika]” [Môrônia 9:25]. Rehefa ampiakarin’ny Mpamonjy eo amin’ny faritra ambony kokoa isika dia tsy hoe afaka mahita mazava bebe kokoa fotsiny ilay tena maha-izy antsika fa lasa akaiky Azy kokoa noho izay noheverintsika.. (“Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 15)
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao izao fijoroana ho vavolombelona manaraka izao momba ny fomba hanampian’ny Tompo ny mpino hiatrika tontolo ratsy:
Efa hitan’ny Tompo mialoha ny androntsika, ary nomeny fiarovana ara-panahy isika. … Koa satria mitombo ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao, dia misy herin’ny fanambarana mifandanja amin’izany sy fanomezana ara-panahy omena ireo olo-marina. Omen’ny Tompo hery fanampiny isika rehefa vonona ny hitoetra ho marina ao anatin’ny tontolo ratsy.. (“A Classroom of Faith, Hope, and Charity” [takariva iarahana amin’ny Manam-pahefana Ambony, 28 feb 2014], ChurchofJesusChrist.org)