“Ireo fanekempihavanana atao amin’ny batisa,” Namana, mar. 2023, 9.
Ny lalan’ny fanekempihavanako
Ireo fanekempihavanana atao amin’ny batisa
Rehefa manara-dia an’i Jesoa ianao dia hahita fitahiana mahatalanjona eny amin’ny lalana hizoranao eny!
Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana na fampanantenana amin’ny Ray any An-danitra. Indreto ny sasantsasany amin’ireo fampanantenana atao ireo:
-
Hanaraka an’i Jesoa Kristy (2 Nefia 31:13).
-
Hankatò ny didy (Môzià 5:8).
-
Hanampy sy hampionona ny hafa (Môzià 18:8–9).
Anisan’ireo fitahiana hampanantenain’ny Ray any An-danitra ho valin’izany ny:
-
Famelana ny fahotanao (Asan’ny Apostoly 2:38).
-
Fanomezana anao ny Fanahy Masina (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).
-
Fanampiana anao hiverina hiara-hiaina Aminy (Almà 7:15–16).
Mihazona ireo fampanantenana natao
Fotoana iray nanampiako olona …
Fotoana iray nanarahako ny ohatra nasehon’i Jesoa …
Fotoana nisafidianako ny tsara…