2023
Ilay tanjoko mikasika ny Bokin’i Môrmôna
Martsa 2023


“Ilay tanjoko mikasika ny Bokin’i Môrmôna,” Namana, mar. 2023, 31.

Ankizy sy Zatovo

Ilay tanjoko mikasika ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Ankizivavy iray mamaky soratra masina miaraka amin’ny fitaovana fihainoana

Sary nataon’i Rachel Hoffman-Bayles

Nametraka tanjona aho mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna mialoha ny batisako tahaka ny nataon’ny anadahiko sy ny rahavaviko. Saingy rehefa tonga ny COVID dia tsy afaka nianatra nandritra ny fotoana ela aho ary faran’izay sarotra ho ahy ny famakiana teny. Feno teny sarotra takarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary nila fanampiana aho.

Dia nahita hevitra izaho sy ny ray aman-dreniko. Nampiasa ny appli Médiathèque de l’Évangile tao amin’ny telefaonin’i Neny aho mba hihainoana ny Bokin’i Môrmôna. Nataonay miadana ny feo mba hahafahako mamaky sy manaraka izany mora kokoa. Nijanona koa aho teny antenantenany teny ary nijery ireo rohy ahitana horonan-tsary ao amin’ilay appli. Isaky ny mamaky aho dia asiako marika eo amin’ny tabilao iray. Notantaraiko an’i Neny ny zavatra novakiko. Nahafinaritra ilay izy!

Lasa nihanahay namaky teny aho saingy tsy ho vita nialoha ny batisako izany raha ny eritreritro. Noho izany raha tokony hamita izany mialoha ny batisako aho dia nokasaiko hovitaina mialoha ny faran’ny taona izany (izay iray volana taty aoriana). Nanohy namaky aho. Indraindray miaraka mamaky amiko ny rahavaviko sy ny reniko.

Vitako ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 31 desambra! Faly daholo ny fianakaviako. Avy eo dia nankany amin’ny efitranoko aho nanao vavaka. Nanontany aho raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna ary nahazo fahatsapana tena tsara aho.

Fantatro fa mihaino ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka aho. Fantatro fa tia ahy ny ray aman-dreniko any an-danitra. Fantatro fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna ary tia antsika i Jesoa.

Hamoaka printy