2023
Mitazona ny fampanantenana nataony
Martsa 2023


“Mitazona ny fampanantenana nataony,” Namana, Mar. 2023, 10–11.

Mitazona ny fampanantenana nataony

Nandainga tsotra izao tamin’i Dada aho. Inona no tokony hataoko izao?

Tany Ghana no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizilahy iray atao batisa

“Enina andro sisa dia hatao batisa aho!” Hoy i Happiness. Efa akaiky izany andro izany!

“Vonona ve ianao?” hoy i Dada.

“Vonona aho raha ny fieritreretako azy,” hoy i Happiness.

“Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana,” ho i Dada. “Tsaroanao ve ny dikan’izany?”

“Manao fampanantenana, sa tsy izany?”

Nahetsiketsik’i Dada ny lohany ho mariky ny fanekeny. “Eny! Manao fampanantenana ianao fa hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny didiny. Mampanantena anao ny Ray any An-danitra fa hitahy sy hanampy anao Izy.”

Nitsiky i Happiness. Fantany fa fampanantenana manan-danja izany. Feno fientanentanana izy hoe hanao izany!

Tonga ihany ny andro hanaovana ny batisany nony farany. Nanao akanjo fotsy i Happiness. Nisy ankizy roa hafa natao batisa koa. Samy nijery ny famenoana rano ilay dobo fanaovana batisa izy rehetra.

Rehefa tonga ny anjarany dia niditra tao anatin’ny dobo fanaovana batisa i Happiness sy i Dada. Nanonona ny vavaka atao amin’ny batisa i Dada. Notampenan’i Happiness ny orony ary nampidinin’i Dada mba halentika ao anaty rano izy.

Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Happpiness dia nahatsapa zavatra tena tsara tao anatiny! Te hihazona ilay fampanantenany mba hanara-dia an’i Jesoa izy. Te hahatsapa ho madio toy izao sy ho faly toy izao mandrakizay izy. Tsy te hanao safidy ratsy intsony izy.

Andro vitsy taty aoriana dia nifoha i Happiness ary nandefa ny fanafanana rano mba hahafahany mandro. Ela ilay rano vao nafana. Noho izany dia nalefan’i Happiness ny fahitalavitra. Te hijery sarimiaina izy eo am-piandrasana izany.

Nihomehy i Happiness teo am-pijerena ireo biby niresaka teo amin’ny efijery. Tena nampihomehy ilay sarimiaina! Vetivety teo dia hadinony ny momba ilay fanafanana rano.

Niditra ny efitrano i Dada adiny iray taty aoriana. “Hafiriana izay no efa nandeha teto ity fanafanana rano ity?” hoy izy nanontany.

Nitraka i Happiness. Nijery fahitalavitra nihoatra ny fotoana tokony hijerena izany izy!

“Vao tsy ela izay,” hoy i Happiness. “Vao minitra vitsy teo.” Novonoiny ny fahitalavitra ary nihazakazaka nandeha nandro izy.

Saingy tsy nahazo aina i Happiness mandra-pahatapitr’ilay andro. Tsy naniry ny hanao safidy ratsy intsony izy taorian’ny batisany. Saingy nandainga tsotra izao tamin’i Dada izy!

Sary
Ankizilahy iray mametraka ny tanany eo ambony lohany

Nisento i Happiness. Fantany ny tokony hataony.

“Dada a!” hoy i Happiness. “Nandainga aho. Navelako nandeha nandritra ny fotoana ela ilay fanafanana rano fa tsy nataoko fanahy iniana izany. Azafady.”

“Tsy maninona izany. Misaotra anao niteny tamiko izany,” hoy i Dada.

“Tena tsy mahazo aina aho satria tsy nanaja ny fampanantenana nataoko tamin’ny batisa,” hoy i Happiness.

Nipetraka teo amin’ny seza lava niaraka tamin’i Happiness i Dada. “Tsy nampanantena ny ho tonga lafatra ianao tamin’ny ianao natao batisa. Nampanantena ny hiezaka mafy mba hanaraka an’i Jesoa ianao.”

Nanaiky izany i Happiness. Nampahazo aina kely azy izany.

“Ary moa ve fantatrao ny zavatra azonao atao rehefa manao safidy ratsy ianao?” Hoy i Dada nanontany.

“Mibebaka?” hoy i Happiness.

“Marina izany! Rehefa mibebaka isika dia mamela antsika ny Ray any An-danitra. Dia afaka ny ho madio tahaka ny tamin’ilay andro nanaovana batisa antsika iny mihitsy isika. Ampahany amin’ny fihazonana ny fampanantenana nataonao tamin’ny batisa ny fibebahana.”

Nitsiky i Happiness. “Hivavaka aho ary hangataka ny Ray any An-danitra mba hamela ahy.” Faly izy fa afaka nihazona ny fampanantenana nataony tamin’ny batisa.

Sary
Ankizilahy iray mandohalika mivavaka
Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Macky Pamintuan

Hamoaka printy