2023
I Lillian irery monja
Martsa 2023


“I Lillian irery monja,” Namana, mar. 2023, 40–41.

I Lillian irery monja

Tsy tian’i Lillian ho izy irery no hany ao amin’ny Zatovovavy.

Sary
Ankizivavy malahelo iray mijery izay ao an-damosiny

Androany no andro farany hanatrehan’i Lillian ny Kilonga. Halahelo an’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga i Lillian. Anankitelo fotsiny izy ireo. Ankizivavy kely anankiroa ary i Michael zandriny lahy.

“Inona no tsapanao amin’izao ianao hiakatra ao amin’ny Zatovovavy izao?” hoy ny fanontanian’ilay mpampianatra azy ao amin’ny Kilonga.

“Tsy andriko ery ny hanatrehana kilasy miaraka amin’ireo zatovovavy!” Hoy i Lillian.

“Faly aho fa mientanentana ny amin’izany ianao,” hoy ilay mpampianatra azy. “Iza koa no ho ao amin’ny Zatovovavy miaraka aminao?”

Nieritreritra ireo zatovovavy ao amin’ny paroasiny i Lillian. Vao avy nahavita ny fianarany tao amin’ny lisea i Summer sy i Cova. Ary lasa nifindra ny fianakavian’i Melvina. Andraso hoe! Izany hoe … i Lillian sisa.

Hanao ahoana ny ho endriky ny kilasin’ny Zatovovavy hisy azy? Izy sy ireo mpampianatra fotsiny ve? Toy ny hafahafa izany ary toy ny hahatsapa ho manirery izy. Nampikorontan-tsaina an’i Lillian ny fieritreretana izany. Nikentrona Izy. Tsy tiany ho izy irery no hany ao amin’ny Zatovovavy.

Mandra-pahatapitr’ilay andro i Lillian dia nieritreritra ilay hoe izy irery monja no zatovovavy. Nandritra ny sakafo hariva dia nahodinkodiny ny sakafo teo amin’ny viliany fa tsy nohaniny. Ningonongonona izy rehefa anjarany ny namaky teny nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.

Napetrak’i Neny ny soratra masiny. “Fa misy inona?” hoy izy nanontany.

Nisento i Lillian. “Tena ho irery aho ao amin’ny Zatovovavy!”

Nifindra nipetraka teo akaikin’i Lillian i Neny. Nofihininy i Lillian. “Tsy ho mora izany,” hoy izy. “Inona no azoko atao mba hanampiana anao?”

Nieritreritra kely i Lillian. “Angamba tokony hivavaka isika mba hisy zatovovavy iray hifindra ao amin’ny paroasintsika. Ary angamba afaka manome tsodrano ahy i Dada.”

Nitsiky i Dada. “Hevitra tena tsara ireo.”

Nandohalika nivavaka ny fianakaviana. “Ry Ray any An-danitra,” hoy i Lillian nanomboka, “Faly aho fa afaka niakatra ao amin’ny Zatovovavy. Tsy te ho irery aho saingy raha izay no sitraponao dia tsy maninona. Mba ampio aho hahafantatra ny zavatra azoko atao mba hampahazo aina ahy kokoa. Ary toa ianao ka te hanentana ny fanahin’ny fianakaviana iray izay ahitana zatovovavy mitovy taona amiko mba hifindra ao amin’ny paroasinay dia tena tsara koa izany.”

Taorian’ilay vavaka dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohany i Dada. “Mitsodrano anao aho mba hahatsapa fiadanana ianao mahakasika ny fiakarana ao amin’ny Zatovovavy,” hoy i Dada. “Hitahy anao ny Ray any An-danitra rehefa mangataka ny fanampiany ianao.”

Tena nahatsapa fiadanana i Lillian. Tsy mbola fantany tsara ny zavatra azony atao mba hanamorana kokoa ny fiakarany ao amin’ny Zatovovavy. Saingy fantany kosa fa hanampy azy ny Ray any An-danitra.

Sary
Ankizivavy iray mandray tsodrano

Mbola nikorontan-tsaina kely ihany i Lillian ny Alahady. Saingy tsaroany ilay fiadanana tsapany taorian’ny tsodrano nomen’i Dada. Fantany fa tsy haninona izy.

Nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nanambara ny eveka fa Rahavavy Barns no ho filohan’ny Zatovovavy vaovao. Nitsangana Rahavavy Barns rehefa voantso ny anarany. Tsy dia fantatr’i Lillian loatra izy saingy sariaka ny fijery azy.

Nilaza i Neny fa fony izy tamin’ny taonan’i Lillian dia lasa iray amin’ireo namany akaiky indrindra ilay mpitarika azy tao amin’ny Zatovovavy. Angamba afaka ny ho mpinamana i Lillian sy ny Rahavavy Barns! Izay no valin’ny vavaka nataony.

Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nandeha tany amin’ny efitrano fianarany vaovao i Lillian. Nisy ankizivavy efa lehibe iray nijoro teo an-dalantsara.

“Manahoana,” hoy i Lillian. “Mamangy ny paroasinay angaha ianao?”

Nahetsiketsik’ilay ankizivavy ny lohany. “Tsia. Vao nifindra aty ny fianakavianay.”

Nitsiky i Lillian. “Tonga soa ato amin’ny paoasinay. Anio no androko voalohany ao amin’ny Zatovovavy.” Nipetraka tao amin’ilay efitrano fianarana izy sy ilay ankizivavy. “I Lillian aloha no anarako e!”

“Marina ve!” hoy ilay ankizivavy vaovao. “Lillian koa no anarako!”

Nihomehy i Lillian. Namaly ny vavaka nataony indray ny Ray any An-danitra! Angamba tsy ho manirery indray rehefa ao amin’ny Zatovovavy.

Sary
Ankizivavy anankiroa miresaka sy mitazona soratra masina

Tany Australie no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Sue Teodoro

Hamoaka printy