2023
Ilay olana teo amin’ny fizarana zavatra
Martsa 2023


“Ilay olana teo amin’ny fizarana zavatra,” Namana, mar. 2023, 36– 37.

Ilay olana teo amin’ny fizarana zavatra

“Ny mizara dia fomba iray hampisehoana amin’olona iray fa miraharaha azy ireo ianao.”

Sary
Mpirahalahy mifampizara poakatsaka sy sushi

Mikarepodrepoka, mikarepodrepoka, mikarepodrepoka. Natelin’i Andrew ny poakatsaka teny aminy dia naka iray tanana indray izy.

Nitsilailay teo amin’ny seza lava teo akaikiny ny zokiny lahy. “E! afaka mahazo kely ve aho!”

Tsy nanala ny masony teo amin’ny fahitalavitra i Andrew. “An, an, an!”

“Eo moa e! Afaka mizara ianao.”

Nisambotra ilay vilia baolina i Caleb saingy nakisak’i Andrew haingana izany.

“An, an, an! Efa noteneniko ianao teo. Aza mangataka intsony!”

“Eny ary!” Nitsangana i Caleb ary nivoaka ny efitrano.

Nandeha nankany an-dakozia i Andrew ny ampitson’izany. Nanamboatra sushi niaraka tamin’ny vary sy ahidrano ary hena-kisoa am-bifotsy i Caleb.

Nilendalenda i Andrew. “Afaka mahazo kely ve aho?”

“Tsia,” hoy i Caleb.

Tena nahatezitra an’i Andrew izany. Nihazakazaka nidina mba hiteny izany amin’i Dada izy.

“Nahoana i Caleb no tena tia tena?” hoy izy nanontany.

Nikentrona i Dada. “Hitako omaly fa tsy nety nizara ny poakatsakao ianao. Nahoana i Caleb no tokony hizara aminao nefa ianao tsy nizara taminy?”

“Satria rahalahiko izy!” Hoy i Andrew.

“Dia nahoana ary no tsy nizara taminy ianao?”

“Tsy mizara zavatra velively amiko koa izy! Ankoatra izany, namboariko ho ahy ilay izy fa tsy ho azy,” hoy i Andrew. Saingy somary menatra kely ihany izy. Ratsy fanahy izy angamba satria tsy nizara.

“Moa ve fantatrao fa any Corée dia tena zava-dehibe ny mizara?” Hoy i Dada nanontany. Avy any Corée ny fianakavian’i Andrew. “Ny mizara dia fomba iray hampisehoana amin’olona fa miraharaha azy ireo ianao. Rehefa tsy mizara ianao dia tahaka ny milaza izany hoe tsy miraharaha azy ireo ianao.”

“Fa izaho anie tena miraharaha an’i Caleb e!”

Nieritreritra ny zavatra mety ho nataon’i Jesoa i Andrew. Tsaroany ny fomba nitiavan’i Jesoa ny olona rehetra na dia ireo izay ratsy fanahy Taminy aza.

“Mieritreritra ny hizara amin’i Caleb aho rahampitso dia ho hita eo ny vokany,” hoy izy tamin’i Dada.

Nitsiky i Dada. “Heveriko fa hevitra tsara izany.”

Rehefa nandeha natory i Andrew tamin’io alina io dia nieritreritra zavatra tsara hafa azony atao ho an’i Caleb izy. Feno fientanentanana izy amin’ny fanombohana hizara!

Ny ampitson’izany dia nifoha teo anatrehan’ny zavatra iray tsy nampoiziny i Andrew. Nanamboaran’i Caleb sakafo maraina izy!

“Niresaka tamiko momba ny hoe mizara i Dada,” hoy i Caleb. “Te hanao zavatra tsara kokoa aho. Noho izany dia nanao an’ity ho anao aho”

“Misaotra!” Hoy i Andrew. “Te hanao zavatra tsara kokoa koa aho.”

Tao aoriandriana kely tamin’iny andro iny ihany, dia nijery sarimihetsika i Andrew sy i Caleb. Navelan’i Andrew i Caleb hisafidy anankiray. Nanamboatra poakatsaka ho an’i Caleb fotsiny izy avy eo! Nojereny ny tao anatin’ilay vilia baolina. Toy ireny niteny ireny ireo poakatsaka hoe “HANO AHO!” Kanefa tsy naka i Andrew. Nomeny an’i Caleb ilay vilia baolina ary nilaza izy hoe, “Ho anao daholo ity. Azafady fa tsy nizara aho teo aloha.”

Nizara zavatra tamin’i Caleb i Andrew nandritra ny herinandro. Navelany namaky ireo bokiny i Caleb. Navelany nampiasa ireo feutres izay azy izy. Navelany nilalao ny kilalao tiany indrindra i Caleb. Navelany mbola hanohy aza i Caleb rehefa nilalao kilalao izy ireo.

Arakaraka ny nizaran’i Andrew zavatra bebe kokoa tamin’i Caleb no nizaran’i Caleb zavatra taminy! Vetivety dia nanao zavatra tsara teo amin’izy samy izy foana izy ireo. Fantatr’i Andrew fa nampian’ny Ray any An-danitra izy mba hizara zavatra amin’ny rahalahiny. Tsy tonga lafatra tahaka an’i Jesoa i Andrew saingy niezaka izy ny hitovy kokoa Aminy isan’andro.

Tany États-Unis no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Adam Howling

Hamoaka printy