2023
Mianatra mitia
Martsa 2023


“Mianatra mitia,” Namana, mar. 2023, 28–29.

Mianatra mitia

Nanenina i Damien fa tsy tokony nivazavaza tamin’ny anabaviny izy.

Sary
Ankizivavy iray mitaingina soavaly hazo mandeha mihodinkodina sady mitazona tapa-kazo iray

Rehefa niditra ilay toerana fialana voly i Damien dia naheno mozika mahafalifaly. Nentin’ny renibeny nitaingina ilay soavaly hazo mandeha mihodinkodina tiany indrindra izy sy i Adele anabavikeliny. Nisy fanaovana kilalao mahafinaritra niaraka tamina peratra izany. Tsindrindaona i Damien ny hampiseho an’i Adele ny fomba filalaovana izany.

Tonga dia nilahatra izy ireo. Ilay kilalao mandeha mihodinkodina dia goavana sy milokoloko isan-karazany ary ahitana soavaly bozeny maro voasokitra. Nipetraka teo ambonin’ireo soavaly bozeny ireo ankizy feno tsikitsiky ary nanofahofa tanana rehefa nandeha nihodinkodina.

“Raha mifidy soavaly bozeny eo amin’ny sisiny ianao dia afaka ny hilalao ilay kilalao miaraka amin’ny peratra!” Hoy i Damien tamin’i Adele. “Hitanao ve ireny tapa-kazo tazonin’ny ankizy ireny? Dia hitanao ve iry lehilahy mitazona peratra iry?”

Sady notondroin’i Damien ilay mpiasa. Nijoro teo akaikin’ilay soavaly hazo izy sady nihazona peratra iray. Rehefa teny am-pitaingenana soavaly hazo ny ankizy dia niezaka nanatsofoka ny tapa-kazon’izy ireo tao anatin’ilay peratra mba hisambotra izany. Isaky ny nahazo iray izy ireo dia nitazona peratra iray vaovao indray ilay mpiasa.

Nitehatehaka i Adele. “Tiako ho azo ny peratra rehetra!” hoy izy.

Tonga teo amin’ny lohan’ilay laharana ihany izy ireo nony farany. Saingy tsy nisy afa-tsy soavaly iray sisa teo amin’ilay kilalao soavaly hazo.

“Damien a!” hoy i Grand-mère, “koa tsy aleo ve i Adele no avelantsika maka io toerana iray sisa io satria mbola tsy nitaingina an’io mihitsy izy taloha? Afaka mitaingina ianao amin’ilay fihodinana manaraka.”

“Eny ary,” hoy i Damien nimonomonona. Nijery an’ilay mpiasa nanampy an’i Adele niakatra teo amin’ilay soavaly bozeny miloko volon-tsôkôla mangirangirana izy. Avy eo dia nomen’ilay mpiasa tapa-kazo i Adele mba hisamborana peratra.

Nanomboka ny mozika ary nanomboka nandeha ilay soavaly hazo. Nijery an’i Adele teny amin’ny faritra ilany iray niaraka tamin’i Grand-mère i Damien. Saingy nivadika ny nitazonan’i Adele ilay tapa-kazo! Raha tokony hihazona ilay tapa-kazo eny amin’ilay tahony lehibe izy dia nohazoniny tamin’ilay lohany lava sy manify ampiasaina hisamborana ireo peratra ilay izy.

Sary
Ankizilahy mivazavaza

“Adele a! Avadiho ilay tapa-kazonao!” hoy izy nivazavaza. Saingy toa tsy nandre azy i Adele noho ny tabataba. Rehefa nandalo teo anoloan’ilay peratra izy dia voakasik’ilay tapa-kazony ilay peratra. Saingy lehibe loatra ilay tahony ka tsy homby an’ilay peratra.

“Adele a! Jereo ilay tapa-kazonao!” Hoy i Damien raha nanandrana niantsoantso indray. “Tsy ho afaka hisambotra peratra ianao raha tazoninao toy izao iny!”

Saingy tsy henon’i Adele izy. Nitsikitsiky sy ny nihomehy fotsiny izy teo am-pihodinkodinan’ilay soavaly hazo. Voakasik’ilay tapa-kazony foana ny peratra. Fa tsy nahazo izy na dia iray aza.

Nisento i Damien. Very fotsiny ny anjaran’i Adele! Raha izy no nitaingina ilay soavaly hazo dia ho azony daholo ireo peratra.

Rehefa tapitra ilay fihodinkodinana dia nihazakazaka nandeha teny amin’i Adele izy.

“Efa nolazaiko anao ny fomba fitazonana ilay tapa-kazo!” hoy izy nivazavaza. “Nahoana ianao no tsy nihaino ahy? Tsy nety daholo ny zavatra nataonao!”

Tsy namaly tamim-pivazavazana an’i Damien anefa i Adele. Tsy nitomany izy. Nijoro teo fotsiny izy toy ny ankizy kely dia kely.

Nidobodoboka ny fon’i Damien ary nivoaramena ny tarehiny. Nahatezitra azy ny nahita an’i Adele tsy nahasambotra ireo peratra rehetra ireo! Saingy vao voalohany ny nanaovany izany. Tetsy ankilany anefa dia toa nahazo fahafinaretana izy. Hatramin’izao.

Nalahelo i Damien. Nanenina izy fa tsy tokony nivazavaza tamin’i Adele.

“Azafady,” hoy izy niteny moramora. “Tsy nety ny nataoko.”

Nitraka i Adele.

“Ahoana raha homeko torohevitra vitsivitsy hisamborana peratra ianao?” Hoy i Damien. “Hipetraka eo akaikinao aho eo amin’ilay soavaly hazo ary hampiako ianao.”

Nanaiky i Adele.

Sary
Mpianadahy mifampitantana

Nitodika tany amin’i Grand-mère avy eo i Damien. “Afaka mividy tapakila anankiroa ve izahay mba hanandraman’i Adele indray?”

Nitsiky i Grand-mère. “Mazava ho azy.”

Tany Frantsa no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Violet Lemay

Hamoaka printy