2023
Natao batisa i Jesoa Kristy
Martsa 2023


“Natao batisa i Jesoa Kristy,” Namana, mar. 2023, 24–25.

Ireo tantaran’i Jesoa

Natao batisa i Jesoa Kristy

Esory ity pejy ity ary aforeto roa. Hazony ambony ilay sary avy eo rehefa mitantara ilay tantara ianao.

Sary
Sary hosodoko ahitana an’i Jesoa nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa

Sary hosodoko nataon’i Greg Olsen

I Jaona Mpanao Batisa dia mpaminany. Nampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy izy. Indray andro nanao batisa olona teo amin’ny Renirano Jordana i Jaona. Dia tonga i Jesoa. Nangatahiny i Jaona mba hanao batisa Azy.

Nilaza i Jesoa fa nandidy ny olona rehetra mba hatao batisa ny Ray any An-danitra. Te hankatò ny Ray any An-danitra Izy. Te hampiseho ohatra ho antsika Izy.

Nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Renirano Jordana i Jesoa. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Jesoa dia naheno ny feon’ny Ray any An-danitra ny olona. Hoy Izy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.”

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa. Faly ny Ray any An-danitra rehefa manaraka ny Zanakalahiny isika.

Hamoaka printy