2023
Fiadanana avy amin’ny Mpamonjy
Martsa 2023


“Fiadanana avy amin’ny Mpamonjy,” Namana, mar. 2023, 2–3.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Fiadanana avy amin’ny Mpamonjy

Nalaina avy amin’ny “Peace in This Life,” Liahona, Dec. 2016.

Sary
Ankizivavy anankiroa sy ankizilahy iray mandray ny fanasan’ny Tompo

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana” (Jaona 16:33). Midika izany fa hiaina fotoan-tsarotra isika rehetra eto an-tany. Saingy nanome antsika ity fampanantenana ity koa Izy: “Ny fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27). Afaka mahatsapa fiadanana isika mandritra ireo fotoan-tsarotra iainantsika amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy.

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mampanantena ny hahatsiaro ny Mpamonjy. Afaka mieritreritra Azy amin’ny fomba izay hanampy anao hahatsapa ho akaiky azy ianao. Indraindray aho mieritreritra Azy mandohalika ao amin’ny Sahan’i Getsemane. Indraindray aho maka sary an-tsaina Azy miantso an’i Lazarosy hivoaka avy ao am-pasana. Rehefa manao izany aho dia mahatsapa ho akaiky Azy. Mahatsapa fankasitrahana sy fiadanana aho. Afaka miaina izany koa ianao.

Nampanantena i Jesoa fa rehefa mitandrina ny didiny isika ary manaraka Azy dia hiaraka amintsika ny Fanahy Masina. Avy eo dia afaka mahita fiadanana isika na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainantsika.

Ireo tantaran’i Jesoa

Sary
Pejy holokoina ahitana an’i Jesoa Kristy nivavaka tao amin’ny saha iray.

Nilaza ny Filoha Eyring fa mahatsapa fankasitrahana sy fiadanana izy rehefa mieritreritra ny Mpamonjy tao Getsemane. Inona avy ireo tantaran’i Jesoa izay manampy anao hahatsapa ho akaiky Azy?

Hamoaka printy