2023
Manorata fanoharana iray
Martsa 2023


“Manorata fanoharana iray,” Namana, mar. 2023, 8.

Zavatra mahafinaritra

Manorata fanoharana iray

Sary
fomba fanamboarana mofo

Mieritrereta zavatra ao amin’ny filazantsara izay tianao hampianarina ny hafa. Inona ny zavatra na ny ohatra izay azonao ampiasaina mba hampianarana izany? Ataovy sary eto na soraty eto izany.

Ohatra: Ny finoana dia tahaka ny voa iray satria afaka mitombo tsikelikely isaky ny mandeha izany.

Amboary ny mofonao

Azonao ampiasaina ity fomba fanamboarana mofo ity ho an’ilay asa atao ao amin’ny pejy 11.

Rano mafana 236 mililitatra

Lalovay (Levure) 11 grama

Siramamy fotsy 28 grama

Lafarinina 384 grama

Sira 5 grama

Menaka avy amin’ny zava-maniry 60 mililitatra

  1. Afangaroy ao anaty vilia baolina ny rano sy ny lalovay ary ny siramamy. Miandrasa 5 minitra mba hampadroatra ny lalovay.

  2. Afangaroy ny lafarinina sy ny sira ary ny menaka.

  3. Volavolao mandritra ny 10 minitra ny kobana mofo. Apetraho ao anatin’ny lasitra iray nasiana menaka izany. Sarony ary avelao hitombo mandritra ny adiny iray.

  4. Tsindritsindrio amin’ny totohondry ny kobana mofo ary avelao hitombo mandritra ny 10 minitra indray. Ataovy ao anaty lafaoro mandritra ny 30–40 minitra amin’ny hafanana 175°C.

Hamoaka printy