2023
Ilay vavaka natao nandritra ny horohoron-tany
Martsa 2023


“Ilay vavaka natao nandritra ny horohoron-tany,” Namana, mar. 2023, 4– 5.

Ilay vavaka natao nandritra ny horohoron-tany

Rehefa nifoha i Violet dia nihozongozona ny zavatra rehetra!

Tany Pérou no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizivavy kely iray nitsamboatra teo am-pifohazana sady mihazona bodofotsy

Mbola natory i Violet rehefa nisy zavatra nirohondrohona nanaitra azy. Noheveriny fa kotroka izany tamin’ny voalohany.

Saingy nihamafy hatrany ilay zavatra nirohondrohona. Nanozongozona ny varavarankely tao amin’ny efitrano fatoriany izany.

Nipetraka haingana i Violet. Horohoron-tany ilay izy!

Vao haingana izy sy ny fianakaviany no nifindra tany Pérou. Fantany fa misy horohoron-tany mitranga matetika any. Ary efa niomana tamin’izany izy sy ny fianakaviany sy nanao fampiharana ny zavatra tokony hatao. Saingy nampatahotra kokoa noho ny fieritreretany azy izany. Tsapany hoe nangovitra ny vatany!

Nihazakaza nankany an-dakozia i Violet ary nisitrika tao ambany latabatra. Tonga teo aminy teo koa ny anadahiny sy ny rahavaviny segondra vitsy taty aoriana. Torak’izany koa i Dada sy i Neny.

“Tena tsara rehefa nahatadidy ny zavatra nanaovantsika fampiharana isika,” hoy i Dada. “Tsy maninona daholo ve ny rehetra?”

Naneho fanekena tamin’ny lohany ny anadahin’i Violet sy ny rahavaviny.

Natahotra anefa i Violet. Nakimpiny ny masony. Tsy mora ny tsy miraharaha ny fihozongozonana nanodidina azy.

Dia nahatsiaro i Violet fa tokony hivavaka. Nampifanindriny ny sandriny ary nanondrika ny lohany izy. “Ry Ray any An-danitra malala,” hoy izy nibitsibitsika, “mba arovy ny fianakaviako.”

Sary
Fianakaviana iray nivavaka tao ambany latabatra nandritra ny horohoron-tany iray

Nanohy nivavaka i Violet. Tsapany ho toy ny hoe misy olona mamihina izany izy. Rehefa vita ilay vavaka nataony dia nitraka izy. Nampifanindry ny sandriny i Neny sy i Dada. Torak’izany koa ny anadahiny sy ny anabaviny. Nivavaka daholo izy rehetra! Mbola nihovitrovitra ny tany. Saingy nahatsapa fiadanana tao am-pony sy tao an-tsainy i Violet.

Nitsahatra ilay fihozongozonana tamin’ny farany. Mbola nijanona elaela kely tao ambany latabatra i Violet sy ny fianakaviany mba ho voaro.

“Manao ahoana ianao?” Hoy i Neny nanontany an’i Violet.

“Tsy maninona aho,” hoy i Violet. “Tena natahotra aho tamin’ny voalohany. Saingy nanampy ahy hahazo aina kokoa ny vavaka.” Nofihininy i Neny. Faly izy fa nanampy azy hahatsapa fiadanana ny Ray any An-danitra.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Toby Newsome

Hamoaka printy