2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Martsa 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy,Namana, Mar. 2023, 6–7.

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takariva ao an-tokantrano, na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

Ilay tafio-drivotra

Sary
Ankizilahy iray sy ankizivavy iray manatopatopa baolina iray eo ambonin’ny bodofotsy

Sary nataon’i Katy Dockrill

Ho an’ny Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7

Tantara: Vakio ny tantaran’i Jesoa Kristy mampitsahatra ny tafio-drivotra ao amin’ny pejy 46 na ao amin’ny Marka 4:36–41. Resaho ireo fomba hitondran’i Jesoa fiadanana eo amin’ny fiainanao.

Hira: “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42–43)

Asa atao: Mijoroa ao anatin’ny faribolana iray ary hazony ireo sisin’ny bodofotsy iray. Asio baolina eo ambonin’ilay bodofotsy ary atopatopao moramora manodidina izany toy ny sambo atopatopan’ny onja. Mifandimbiasa miteny amin’ilay vondrona mba handeha haingana, na handeha miadana na “hitsahatra.”

Kilalao famantarana fahagagana

Sary
Taratasy miloko anankitelo naforitra

Ho an’ny Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

Tantara: Nanao Fahagagana maro i Jesoa Kristy. Nanasitrana lehilahy iray tsy afaka nandeha Izy. Namerina zazavavy iray efa maty ho velona indray Izy. Nanasitrana lehilahy jamba Izy. (Jereo ny Matio 9.) Inona avy ireo fahagagana hafa nataon’i Jesoa?

Hira: “Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 36)

Asa atao: Soraty tsirairay eo amina sombin-taratasy ny sasany amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa ary ataovy ao anatin’ny vilia baolina iray izany. Makà taratasy iray ary vakio izay fahagagana eo amin’izany ary ataovy sary izany. Azon’ny hafa fantarina hoe inona ilay fahagagana!

Miara-miasa

Sary
Ankizy anankiroa mitondra harona

Ho an’ny Matio 11–12; Lioka 11

Tantara: hoy i Jesoa hoe: “Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako” (Matio 11:30). Ny zioga dia manampy biby anankiroa mba hiara-hisintona zavatra. Rehefa misafidy ny hanaraka an’i Kristy isika dia afaka manampy antsika amin’ireo fitsapana mianjady amintsika Izy.

Hira; “Raha toa teo ny Mpamonjy” (ChurchofJesusChrist.org)

Asa atao: Mangataha olona iray mba hibata zavatra mavesatra manerana ny efitrano. Ataovy batain’izy ireo avy eo izany zavatra izany miaraka amin’ny fanampian’olona hafa. Resaho ny maha-maivana kokoa ny olantsika rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy isika mba hahazo fanampiana.

Manorata fanoharana izay anao manokana!

Sary
Kahie sy pensilihazo

Ho an’ny Matio 13; Lioka 8; 13

Tantara: Nampianatra ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fampiasana ny tantara antsoina hoe “fanoharana” i Jesoa. Ny tantara iray notantarainy dia mikasika ny fomba ahafahan’ny voa kely iray ana voatsinapy ho lasa hazo lehibe iray (jereo ny Matio 13:31–32). Inona no nampianariny? Inona avy ireo fanoharana hafa nampianarin’i Jesoa?

Hira: “Raha mihaino amin’ny foko aho” (ChurchofJesusChrist.org)

Asa atao: Afaka manampy antsika hahatakatra kokoa ny filazantsara ireo fanoharana. Mankanesa any amin’ny pejy 8 mba hanoratana ny fanoharana izay anao manokana. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao izany fanoharana izay anao manokana izany.

Mihoatra noho ny ampy

Sary
Mofo voatetitetika

Ho an’ny Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6

Tantara: Indray mandeha nandany andro iray manontolo i Jesoa Kristy hampianarana olona. Noana ny olona rehetra. Saingy mofo dimy sy hazandrano anankiroa ihany no nananan’izy ireo. Notsofin’i Jesoa rano ilay mofo sy hazandrano ary nozarain’ireo mpianatra tamin’ny olona izany. Nisy sakafo ampy ho an’olona 5000 dimy arivo mahery tamin’izany! (Jereo ny Matio 14:15–21).

Hira: “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 70–71)

Asa atao: Ataovy ilay fomba fanamboarana mofo tianao indrindra, andramo ilay fomba fanamboarana mofo ao amin’ny pejy 8. Diniho ny ahafahan’ny lalivay (levure) izay tena kely mampitombo ilay mofo iray manontolo. Ahoana no fomba nanaovan’i Jesoa ilay ezaka kely nataonao ho lasa lehibe?

Hamoaka printy