2023
Ilay boky momba ny dinôzôro
Martsa 2023


“Ilay boky momba ny dinôzôro,” Namana, mar. 2023, 22– 22.

Ilay boky momba ny dinôzôro

Nikentrona i Sophia. Nahoana izy no tsy afaka ny hitia dinôzôro koa?

Sary
Ankizilahy iray miresaka amin’ny ankizivavy iray mihazona boky

Kambana i Sophia sy i Allie, ary tena mpinamana akaiky izy ireo. Tsy mitovy ny zavatra tian’izy ireo saingy vao mainka nahafinaritra izany! Tia miara-milalao izy ireo.

Naka boky iray momba ny dinôzôro tao amin’ny tranomboky i Sophia indray andro tany an-tsekoly. Tena faly izy hampiseho izany an’i Allie.

“Tsy afaka mamaky an’io ianao,” hoy i Timmy, izay ankizilahy tao amin’ny kilasiny.

“Fa nahoana?” Hoy i Sophia nanontany.

“Boky ho an’ny ankizilahy ireny,” hoy izy. “Natao ho an’ny ankizilahy ny dinôzôro.”

Nikentrona i Sophia. Nahoana izy no tsy afaka ny hitia dinôzôro koa? Nampidirina tao anatin’ny kitapony ilay boky. Hovakiny foana ihany izany.

Nieritreritra ny zavatra nolazain’i Timmy i Sophia nandritra ny andro iray manontolo. Mbola tezitra izy rehefa tonga tany an-trano avy nianatra.

“Fa misy inona?” Hoy i Neny nanontany.

“Nilaza i Timmy fa tsy afaka mamaky boky momba ireo dinôzôro aho,” hoy i Sophia. “Nilaza izy fa natao ho an’ny ankizilahy fotsiny ihany ireo dinôzôro. Tsy marina izany, sa tsy izany?”

“Mazava ho azy fa tsy marina izany,” hoy i Neny.

Niondrika i Sophia. “Fa maninona i Timmy no nilaza izany?”

“Angamba mety tsy mahalala ankizivavy hafa mihitsy izay tia dinôzôro izy,” hoy i Neny. “Saingy tsy nataon’ny Ray any An-danitra hitovy daholo isika. Ary tiany isika mba hifaneho hatsaram-panahy.”

Nofihinin’i Neny i Sophia. “Miala tsiny aho raha izany no nataon’i Timmy taminao. Tia anao ny Ray any An-danitra. Ary tia anao koa aho.”

“Misaotra ry Neny a!” hoy i Sophia. Nahazo aina kokoa izy tamin’izay.

“Hiresaka momba izany amin’ny mpampianatra anao aho. Mety ve?” Hoy i Neny.

Nanaiky i Sophia. “Eny, mety.”

Nandeha nilalao niaraka tamin’i Allie i Sophia. Namorona kilalao iray izay antsoina hoe Fifaninanana tena mahafinaritra ataon’ny andriambavy izy ireo, ka ireo saribakolin’i Allie no mpanamory fiara fanaovana fifaninanana. Nifanakaikikaiky ireo mpifaninana saingy ny Andriambavy guépard mitselatselatra no mpandresy! Faly i Sophia sy i Allie.

“Te hijery ilay boky momba ny dinôzôro nalaiko androany ve ianao?” Hoy i Sophia nanontany.

“Mazava ho azy!” Hoy i Allie.

Nitsiky i Sophia. Faly izy fa afaka miala voly foana miaraka amin’i Allie.

Nisy fanambarana nataon’ny mpampianatra an’i Sophia ny ampitson’izany. “Ry mpianatra,” hoy izy, “misy zavatra tiako holazaina aminareo. Tsy maninona ny hoe tia zavatra samihafa. Natao ho an’ny rehetra ireo bokintsika sy ireo kilalaontsika.”

Faly ery i Sophia! Nandritra ny fotoam-pamakiana boky, dia navoakany tao anatin’ny kitapo fibabiny ilay boky momba ny dinôzôro.

Nanatona teo amin’ny latabany i Timmy. “Miala tsiny aho raha nilaza hoe tsy afaka mamaky iny boky iny ianao,” hoy izy. “Izaho koa tia dinôzôro.”

“Tsy maninona e!” hoy i Sophia. “Hiaraka hamaky amiko ve ianao?”

“Mazava ho azy!” Nipetraka teo akaikiny i Timmy. “Misaotra.”

Nosokafan’i Sophia ilay boky. Tsy mitovy izy sy i Timmy saingy nahafinaritra ny nizara zavatra niaraka tamina namana vaovao iray.

Tany États-Unis no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy