2023
Mampitsahatra ny tafio-drivotra i Jesoa
Martsa 2023


“Mampitsahatra ny tafio-drivotra i Jesoa,” Namana, mar. 2023, 46–47.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Mampitsahatra ny tafio-drivotra i Jesoa

Sary
I Jesoa Kristy natory tao anaty sambo raha teo am-pijerena ny ranomasina ny mpianany

Sary nataon’i Apryl Stott

Indray alina namakivaky ny ranomasina tao anatin’ny sambo iray i Jesoa Kristy sy ny mpianany. Reraka i Jesoa ka resin-tory.

Sary
Tafio-drivotra nampitongilangilana ny sambo nisy an’i Jesoa sy ny mpianany

Nisy tafio-drivotra tonga. Nihalehibe hatrany ireo onja! Natahotra ireo mpianatra. Nofohazin’izy ireo i Jesoa ary nangataka Azy izy ireo mba hamonjy azy ireo.

Sary
I Jesoa mampitsahatra ny tafio-drivotra

Nitsangana i Jesoa ary nilaza hoe, “Mangina, mitsahara.” Nijanona ny rivotra. Nitony ny rano.

Sary
Ankizilahy iray mampifanindry ny sandriny ary manakimpy ny masony

Afaka mitondra fiadanana ho ahy ny finoako an’i Jesoa Kristy. Rehefa matahotra aho dia afaka manampy ahy hahatsapa fahatoniana i Jesoa.

Hamoaka printy