2023
Miara-manara-dia an’i Jesoa
Martsa 2023


“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, mar. 2023, 26–27.

Miara-manara-dia an’i Jesoa

Sary
Ny teny hoe “fijoroana ho vavolombelona” izay nosoratana teo amin’ny takelaka kely hazo efamira ny litera tsirairay mandrafitra azy

“Fijoroana ho vavolombelona,” Joey R., 7 taona, Texas, États-Unis

Sary
Sary nataon’ny ankizy iray mampiseho an’i Jesoa Kristy any ivelany miaraka amin’ny ankizy

“Tia antsika i Kristy,” Andrea V., 8 taona, Retalhuleu, Guatemala

Sary
Sary nataon’ny ankizy iray mampiseho an’i Jesoa Kristy mampitsahatra ny tafio-drivotra

Gideon T., 10 taona, Michigan, États-Unis

Sary
Sary nataon’ny ankizy iray mampiseho ny tany

Ella J., 9 taona, Uusimaa, Finlande

Sary
Sarina tempoly nataon’ny ankizy iray

Paulo B., 6 taona, Paraná, Brésil

Sary
Sarin’ny endriky ny ankizilahy iray mitsiky

Miezaka ny maneho hatsaram-panahy sy milalao amin’ny zandriko vavy aho ary nahafinaritra izany! Fantatro fa ny fanehoana hatsaram-panahy sy fitiavana dia mahafaly ny fianakaviako sy ny Ray any An-danitra.

Ned B., 7 taona, Utah, États-Unis

Sary
Sarin’ny endriky ny ankizilahy iray mitsiky

Nahatsapa ho tony sy faly aho rehefa natao batisa.

Tadeo B., 8 taona, Montevideo, Uruguay

Sary
Ankizivavy iray manofahofa tanana ao anatina sahana voninkazo tolipa

Nitsidika ilay sahana voninkazo tolipa teo akaikin’ny toeram-ponenanay izahay. Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy aho rehefa nahita ireo loko marevaka sy mitondra hafaliana ao anatin’ny taramasoandro. Faly aho miaina eto amin’ity izao tontolo izao tena kanto ity!

Jazlyn E., 6 taona, Washington, États-Unis

Sary
Sarin’ny endriky ny ankizivavy iray mitsiky

Natahotra aho hanaraka fampianarana milomano. Nanao vavaka aho mba hanampy ahy hanana herimpo hianatra hilomano. Ny Fanahy Masina no tsara indrindra!

Esther F., 6 taona, Texas, États-Unis

Sary
Ankizivavy iray mampiasa fiteny tanana

Manana mpiara-mianatra iray marenina aho. Manao fiteny tanana aminy aho mba hanampiana azy any am-pianarana. Mahatsapa hafanana ao anatiko aho rehefa manampy!

Avarie H., 9 taona, Utah, États-Unis

Sary
Ankizilahy iray manamboatra sambo iray vita amin’ny tsora-kazo.

Nanamboatra sambon’i Nefia tamin’ny alalan’ny tsora-kazo aho. Feno fankasitrahana aho noho ny ohatra nasehon’i Nefia.

Ollie T., 10 taona, Alberta, Canada

Sary
Sarin’ny endriky ny ankizivavy iray mitsiky

Mivavaka matetika aho ary manao izay azoko atao mba hanampiana na dia amin’ny fomba kely aza.

Cing N., 12 taona, Yangon, Myanmar

Hamoaka printy