2023
Ny andro nanaovana batisa ahy
Martsa 2023


“Ny andro nanaovana batisa ahy,” Namana, mar. 2023, 12– 13.

Nosoratanao

Ny andro nanaovana batisa ahy

Sary
Fianakaviana iray ahitana ankizivavy anankitelo handeha hiangona

Salama e! I Megan no anarako ary mipetraka any Mexique aho. Te hitantara aminareo ilay fotoana iray tena nanan-danja teo amin’ny fiainako aho, dia ny andro nanaovana batisa ahy izany.

Natao batisa tamin’ny andro naha-feno valo taona ahy aho. Andro tena nanan-danja izany satria tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa ahy no nankalazako ny fitsingerenan’ny taona nahaterahako.

Zavatra niainana tena tsara ny firotsahana tamin’ny batisa. Nanamboaran’i Neny kahie ahitana zavatra atao isan-karazany mba hiomanana aho. Nanampy ahy hianatra momba ny maha-zava-dehibe ny batisa sy ireo fanekempihavanana izay hataoko amin’ny Ray any An-danitra izany.

Sary
Ankizivavy iray manao akanjo lava mavokely mihazona kahie

Olona maro tia ahy no tonga nanatrika ny batisako. Tena faly aho noho ny fahatongavan’izy ireo. Nanao akanjo fotsy aho ary nafana ilay rano.

Rehefa avy nanao batisa ahy i Dada dia nanamaina ny vatako aho ary nisolo akanjo. Avy eo dia nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aho. Noraisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny alalan’ireo mpihazona ny fisoronana aho. Tena nahatsapa fiadanana sy fitiavana ary fifaliana aho.

Sary
Ankizivavy iray atao batisa sy ankizy hafa izay mijery azy

Hotsaroako foana izany andro izany. Tena niavaka izany satria nanao ny fanekempihavanako voalohany tamin’ Andriamanitra aho. Nampanantena ny hanaraka an’i Jesoa sy hankatò ny didiny aho.

Sary
Ankizivavy iray mamihina ny dadany

Raha toa ka sahiran-tsaina ianao mahakasika ny mety ho fizotry ny andro hanaovana batisa anao dia aza miahiahy. Ho faly amin’ilay safidy nataonao ny Ray any An-danitra!

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Olga Lee

Hamoaka printy