2023
Mba tantarao ahy ireo tantaran’i Jesoa
Martsa 2023


“Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa,” Namana, mar. 2023, 30.

Afaka mitendry izany aho

Mba tantarao ahy ireo tantaran’i Jesoa

Malefaka [naoty noire pointée] = 60–68 (Tariho amin’ny paikam-peon-kira roa isaky ny mandeha.)

Sary
taratasy misy ireo mari-peo

1. Mba tantarao ‘reo tantaran’i Jesoa Kristy

sy ‘zay mety ho nolazainy ahy raha toa re Izy tety.

‘Reo fahagagana sy asa soa

‘zay manambara an’i Jesoa.

2. Mba tantarao ny niantsoany ‘reo ankizy hizaha,

hahatakarako ireo fitahiana omeny ahy.

‘Reo teny mamy mamindra fo,

maneho fa tia ahy tokoa Jesoa.

3. Mba tantarao koa izay fomba nampitoniany

ilay tafiotra izay nanjo ‘lay sambo kely fahiny.

Ny herin’ny Tompo ahoana moa?

Ny rivotra aza dia nankatò!

Hamoaka printy