2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely
Martsa 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely,” Namana, mar. 2023, 49.

Testamenta Vaovao

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely

Sary
Ankizivavy mandoko ao anatin’ny kahie iray

Ho an’ny Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7

Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay mampatahotra ny ankizikelinareo? Resaho amim-pahatoniana ny iray amin’ireo zavatra mampatahotra ireo. Avy eo dia ampio izy ireo hiteny hoe: “Rehefa matahotra aho dia afaka manampy ahy hahatsapa fahatoniana i Jesoa.”

Ho an’ny Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

Angony ireo zavatra hanaovana fitsaboana vonjy maika ary hazavao ny fomba fampiasana azy ireo mba hanasitranana antsika. Hazavao avy eo fa lehibe kokoa noho izany ny herin’i Jesoa Kristy mba hanasitranana. Resaho ny iray amin’ireo fahagagana ao amin’ny Matio 9.

Ho an’ny Matio 11–12; Lioka 11

Tanisao amin’ireo ankizikelinareo ireo andro ao anatin’ny herinandro. Teneno mafy ny anaran’ny andro tsirairay fa mitsibitsiha kosa rehefa miteny ny “Alahady” ianao. Hazavao fa ny Alahady dia andro iray manokana mba hieritreretana amim-panajana momba an’i Jesoa Kristy.

Ho an’ny Matio 13; Lioka 8; 13

Hazavao fa taloha ela be tany dia nanatona an’i Jesoa ny olona mba hihaino ny tantarany (jereo ny Matio 13). Angataho izy ireo mba hanao sary ahitana olona mihaino an’i Jesoa.

Ho an’ny Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6

Manomàna sakafo ody am-bava fo ho an’ny ankizikelinareo. Tantarao ilay fahagagana momba ny mofo sy ny hazandrano (jereo ny Matio 14:15–21). Ampio izy ireo hiteny hoe: “Mahafantatra ny zavatra ilaiko i Jesoa ary afaka manampy ahy Izy.”

Hamoaka printy