2023
Maneho ny fiarahabana avy aty Kiribati!
Martsa 2023


“Maneho ny fiarahabana avy aty Kiribati!” Namana, mar. 2023, 18–19.

Maneho fiarahabana avy aty Kiribati!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

I Kiribati (kee-ruh-bas) dia nosy iray izay firenena ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika. Olona eo amin’ny 120.000 eo no mipetraka ao.

Nosy 33

Sary
Nosy iray misy hazo voaniho

Sary nataon’i Robyn Brimley

Ireo nosy kely mandrafitra an’i Kiribati dia mivelatra hatrany amin’ny 3,5 tapitrisa km2 eo amin’ny ranomasimbe! Ny toerana misy azy eto amin’ity tany ity dia mametraka azy ho ao anatin’ny zarakisan’ora voalohany mahita ny hazavana isaky ny andro vaovao iray.

Moron-dranomasina tsara tarehy

Sary
Ny tany mampiseho ny fiposahan’ny masoandro

Feno torapasika sy hazo voaniho i Kiribati. Mafana ny andro any mandritra ny taona.

Ohatra tena miavaka

Sary
Fianakaviana ahitana ray aman-dreny, zanaka, ary raibe sy renibe

Ny 20 isan-jaton’ny mponina eo ho eo dia mpikamban’ny Fiangonana. Ohatra tsara ho an’ireo olona hafa mipetraka eo amin’ireo nosy izy ireo.

Mandehana manjono!

Sary
Ankizilahy mitazona trondro iray sy harato

Noho ny ranomasimbe manodidina azy ireo dia mihinana hazan-dranomasina betsaka ny olona. Fihinana mahazatra koa ny voaniho, ny vary ary ny voatavo.

Tempoly vao haorina

Sary
Fanehoana an-tsary ny tempolin’i Kiribati

Tamin’ny ôktôbra 2020 dia nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa hisy tempoly haorina any Kiribati! Toy izao ny mety ho endrik’izany.

Hamoaka printy