2023
Mihazakazaha mankeny amin’ilay Hazavana
Martsa 2023


“Mihazakazaha mankeny amin’ilay Hazavana,” Namana, mar. 2023, 32–33.

Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana

Mihazakazaha mankeny amin’ilay Hazavana

Nalaina avy tamin’ny “Running toward the Light” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Ankizilahy iray mihazakazaka sady mibaby kitapo

Sary nataon’i Adam Nickel

Lehibe tany amin’ny faritra mampidi-doza tao anatin’ny tanan-dehibe iray aho. Indray andro aho nandeha an-tongotra hianatra ary nisy vola tao am-paosiko. Nikorintsandrintsana ireo vola madinika teny am-pandehanako tongotra.

Tsy maintsy nandalo teo amina ankizilahy efa lehibe vitsivitsy izay tao anatina andian-jiolahy aho. Niezaka ny hanana fahatokian-tena aho. Niezaka ny tsy hatahotra aho. Saingy henon’izy ireo ilay feon-javatra mikorintsandrintsana. Tian’izy ireo alaina ireo vola madinika ka nanomboka nanenjika ahy izy ireo.

Nihazakazaka faran’izay haingana vitako aho mba hitsoahana. Nivily nankany amin’ny lalan-kely iray aho. Nahita hazavana aho teny amin’ny faran’ilay lalan-kely ka nihazakazaka nankeny amin’ilay hazavana. Tsy ela dia nitsahatra tsy nanaraka ahy izy ireo ary avotra aho.

Lasa lamina iray teo amin’ny fiainako izany. Nihazakazaka nitsoaka ny ratsy aho ary nikaroka ny tsara. Indraindray aho kivy saingy niezaka aho nitady ilay hazavana.

Rehefa nianatra tany amin’ny oniversite aho dia nilalao tao amin’ny ekipa mpilalao basikety. Ny ankamaroan’ireo mpiara-milalao tamiko dia mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nianatra mikasika ny filazantsara avy tamin’izy ireo aho. Nahafantatra aho fa zanak’ Andriamanitra. Nidika izany fa afaka mandresy ireo olana atrehako aho ary ho lasa olona tsara kokoa. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho. Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia niezaka aho isan’andro ny hitovy kokoa amin’ny Raiko any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy. Ary afaka manao izany koa ianao!

Rehefa mihazakazaka mankeny amin’ny hazavana ianao dia misy ny fanantenana. Fantatrao fa mihazakazaka mba hahazo hery sy fiadanana ary fifaliana ianao. Mila mihazakazaka mankeny amin’ilay hazavana daholo isika rehetra.

Manao basikety amim-pifaliana

Sary
asa atao amin’ny alalan’ny baolina basikety hetiketezana

Nahafantatra momba ny filazantsara ny Loholona Johnson tamin’ny alalan’ny filalaovana basikety. Anjaranao indray izao!

  1. Hetezo ireo efamira etsy ambany ary aforiporeto hiendrika baolina izy ireo.

  2. Mifandimbiasa mampiditra ireo baolina ao anatina vilia baolina iray.

  3. Rehefa tafiditra ao anatin’ilay vilia baolina ny baolina iray dia sokafy ilay taratasy ary valio ilay fanontaniana!

  • Inona ny fomba iray ahafahanao manaraka ny Ray any An-danitra?

  • Oviana ianao no nisafidy ny tsara?

  • Ahoana ny fomba ahitanao ny fahazavan’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no manampy anao mba hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra?

  • Ahoana no ahafahanao mizara ny fahazavan’ny Ray any An-danitra amin’ny hafa?

  • Soraty ny fanontanianao manokana!

Hamoaka printy