“Ary hamindrao fo ny sasany izay mihanahana”
Ny hatsaran’ny famangiana isan-tokantrano dia ny fahitana ireo fiainana izay miova, ireo ranomaso voafafa, ireo fijoroana ho vavolombelona mitombo, ireo olona mahazo fitia, ireo fianakaviana mihamafy orina.
Ry rahavavy malala, tena fitahiana lehibe ny miaraka aminareo, ny mahatsapa ny herinareo sy ny fitiavanareo ny Tompo. Misaotra noho ny fitiavana sy ny fangorahana zarainareo isan’andro amin’ny hafa.
Nandritra ireo andro voalohan’ny Fikambanana Ifanampiana tany Nauvoo dia fantatsika fa ireo rahavavy dia nitety trano mba hifanompo, mba hamantatra izay mety ho filàna, mba hitondra hanin-kohanina, mba hikarakara ny marary ary mba haneho fangorahana ho an’ny vehivavy tsirairay sy ny ankohonan’izy ireo.1 Izany dia mampahatsiahy ilay soratra masina ao amin’i Joda manao hoe “Ary hamindrao fo ny sasany izay mihanahana.”2 Rehefa mandinika izany soratra masina izany sy ny dikany aho dia mitodika any amin’ny Mpamonjy sy ireo fotoana maro hanambaran’ny soratra masina ny fitiavana sy ny fitseran’i Kristy ny rehetra ny eritreritro.
Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mamaky matetika isika fa i Kristy dia “honena”3 ireo vahoaka rehefa nanome ny zavatra izay nilain’izy ireo. Honena Izy rehefa nahita fa noana izy ireo ary dia novokisany, na rehefa narary izy ireo dia nositraniny, na rehefa nila famokisana ara-panahy izy ireo dia nampianariny.
Ny fangorahana dia midika hoe fahatsapana fitiavana sy famindram-po ho an’ny olona iray hafa. Izany dia midika hoe fananana fitiavana sy faniriana hanamaivana ny fahorian’ny hafa. Izany dia midika hoe fanehoana hatsaram-panahy sy halemem-panahy ho an’ny hafa.
Ny Mpamonjy dia nangataka antsika hanao araka izay efa nataony,4 hifampitondra ny enta-mavesatra, hampionona izay mila fampiononana, hiara-malahelo amin’izay malahelo,5 hamahana izay noana, hamangy ny marary,6 hamonjy ny malemy, hampiakatra ny tanana izay miraviravy,7 ary “hifampianatra ny fotopampianaran’ny fanjakana.”8 Ho ahy, ireo teny sy asa ireo dia mamaritra ny mpamangy isan-tokantrano—ireo izay manompo ny hafa.
Ny famangiana isan-tokantrano dia manome fahafahana ny vehivavy mba hifampiahy sy hifankahery ary hifampianatra. Toy ny mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna izay ampiandraiketina ny “fitandremana mandrakariva ireo mpikamban’ny Fiangonana” ary ny “[fiarahana] amin’izy ireo sy [fanatanjahana] azy,”9 ny mpamangy isan-tokantrano dia mampiseho ny fitiavany amin’ny alalan’ny fieritreretana ombam-bavaka ny vehivavy tsirairay izay nasaina tompoiny.
Ny rahavavy Beck dia nampahatsiahy antsika hoe: “Satria isika manaraka ny ohatra sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia manome lanja ity andraikitra ny hitia, ny hahafantatra, ny hanompo, ny hahatakatra, ny hampianatra ary ny hanompo amin’ny anarany ity isika.”10
Anio aho dia te-hiresaka zavatra anankiroa:
-
Ny fitahiana entinareo eo amin’ny hafa rehefa manompo amin’ny maha mpamangy isan-tokantrano anareo ianareo
-
Ary ny fitahiana azonareo rehefa manompo ny hafa.
Ny fitahiana entinareo eo amin’ny hafa rehefa manompo amin’ny maha mpamangy isan-tokantrano anareo ianareo
Vao tsy ela akory izay no namangiako vondrom-behivavy iray tany Anchorage, Alaska. Nisy vehivavy teo amin’ny 12 teo tao anatin’ilay efitra ary dia nisy 6 amboniny nifampiresaka tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ny feo avo avy amin’ny tànana maro tao Alaska. Maro tamin’ireo vehivavy ireo no nipetraka tany amin’ny kilaometatra an-jatony maro avy eo amin’ny trano fiangonana. Ireo vehivavy ireo dia nampianatra ahy mikasika ny famangiana isan-tokantrano.
Ny famangiana manokana ny rahavavy tsirairay dia ho nitaky fandehanana amin’ny fiaramanidina, amin’ny sambo, na fanaovana dia lavitra amin’ny fiarakodia. Mazava ho azy fa ny fotoana sy ny vola holaniana dia nahatonga ny famangiana isan-tokantrano ho tsy azo tanterahina. Kanefa, ireto rahavavy ireto dia nahatsapa ho nifandray akaiky satria dia nifampivavaka tamim-pahazotoana izy ireo sy nikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantatra izay nilain’ireo rahavaviny, na dia tsy teo mivantana aza izy ireo mazàna. Nataon’izy ireo izay hifandraisana tsy tapaka tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, sy ny internet ary ny fandefasana taratasy. Nanompo tamim-pitiavana izy ireo satria nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo sy naniry ny hitondra fitahiana ho an’ireo rahavaviny ary hankahery azy ireo.
Nisy mpamangy isan-tokantrano feno fanoloran-tena anankiroa tany amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo izay nandeha an-tongotra lavitra mba hamangy vehivavy iray sy ny zanany kely. Ireo rahavavy ireo dia nanomana hafatra tamim-bavaka ary naniry ny hahafantatra izay fomba mety hitondrany fiovana teo amin’ny fiainan’ilay vehivavy malala izay novangian’izy ireo. Feno fifaliana noho ny famangian’izy ireo ilay vehivavy. Ho azy dia hafatra avy any an-danitra natolotra ho azy ny famangian’ireo rahavavy. Rehefa nihaona taminy tao amin’ilay tokantrano tsotra ireo mpamangy isan-tokantrano dia nahazo hery sy fitahiana ilay rahavavy sy ny ankohonany ary ireo mpamangy isan-tokantrano. Ilay dia an-tongotra lavitra be natao, dia toa ireny tsy nitaky fahafoizan-tena ireny akory. Nanana fangorahana ireto mpamangy isan-tokantrano ireto, nitondra fiovana ho amin’ny tsara, ary nitahy ny fiainan’ity vehivavy ity.
Ny olana eo amin’ny lafin’ny halaviran-dalana, ny vola holaniana, ary ny tsy fandriampahalemana dia mahatonga ny fifandraisana isam-bolana ho tsy azo tanterahina any amin’ny toerana sasany misy ny Fiangonana, saingy amin’ny alalan’ny herin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ny rahavavy izay tena mikatsaka ny hifankatia sy hifampiahy ary hifankahery dia mahita fomba manan-danja entina hanatanterahana izany antso avy amin’ny Tompo izany.
Ireo Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tarihin’ny Fanahy dia mila hevitra amin’ny evekany ary mampanatanteraka ombam-bavaka ilay andraikitra mikasika ny famangiana isan-tokantrano mba hanohanana ny eveka amin’ny fiahiana sy ny fikarakarana ny vehivavy tsirairay ao amin’ny paroasy. Rehefa mahatakatra izany fomba fiasa amin’ny alalan’ny filan-kevitra sy ny fanambarana izany isika dia mahatakatra tsara kokoa ny andraikitra manan-danja hananantsika mba hanompo ary afaka hiantehatra amim-pahatokiana bebe kokoa amin’ny Fanahy mba hitarika ny ezaka ataontsika.
Izaho dia namangy vehivavy maro isam-bolana ary avy eo dia nanambara tamim-pireharehana niaraka tamin’ny sentom-pahatsapana ho maivana hoe: “vita ny famangiana isan-tokantranoko!” Eny, mety vita ny lafiny tokony hanaovako tatitra saingy raha izany ihany no antony hanaovako izany dia tokony ho menatra aho.
Ny hatsaran’ny famangiana isan-tokantrano dia tsy ny mahita hoe 100 isan-jato ao amin’ny tatitra isam-bolana. Ny hatsaran’ny famangiana isan-tokantrano dia ny fahitana ny fiovan’ny fiainana, ny ranomaso voafafa, ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona, ny fahazoan’ny olona fitiavana, ny fahazoan’ny fianakaviana hery, ny fahazoan’ny olona fifaliana, ny noana novokisana, ny marary voavangy ary ny fahazoan’ireo izay nitomany fampiononana. Raha ny marina, ny famangiana isan-tokantrano dia tsy vita na oviana na oviana satria isika dia mifampiahy sy mifankahery mandrakariva.
Fitahiana iray entin’ny famangiana tokantrano ny fitomboan’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana. Ny soratra masina dia manoro hevitra antsika ny amin’ny fomba hanatanterahana izany: “Ary nodidiany izy … ny hibanjinany kosa ny ho avy amin’ny maso tokana, manana finoana iray sy batisa iray ary manana ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy.”11
Maro ny vehivavy nilaza fa ny antony niverenan’izy ireo ho nazoto niangona indray dia noho ny mpamangy isan-tokantrano mahatoky izay niverina isam-bolana sy nanompo azy ireo, namonjy azy ireo, nitia azy ireo ary nitahy azy ireo.
Indraindray dia ny hafatra no ho zavatra manan-danja indrindra zarainareo mandritra ny famangiana iray manokana. Ny vehivavy sasany dia zara raha manana fomba hampivoarana ny ara-panahy eo amin’ny fianan’izy ireo ankoatry ny hafatra izay entinareo. Ny Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano ao amin’ny Liahona dia hafatry ny filazantsara izay manampy ny vehivavy tsirairay hampitombo ny finoany, hankahery ny ankohonany na hanome vahana ny asa fanompoana entanim-piantrana.
Indraindray ny fitahiana lehibe indrindra entinareo mandritra ny famangianareo dia ny fihainoana fotsiny ihany. Ny fihainoana dia mitondra fampiononana, fahatakarana sy fanasitranana. Amin’ny fotoana iray hafa dia mety mbola mila mampiakatra ny tanan’akanjonareo ianareo ary mandeha miasa ao amin’ilay tokantrano na manampy mba hampangiana zaza iray mitomany.
Ny fitahiana Azonareo rehefa Manompo ny Hafa.
Marobe ny fitahiana azonareo rehefa manompo ny hafa ianareo Indraindray aho dia niteny hoe, “Oay, mila manao ny famangiana isan-tokantranoko aho!” (Ireo ilay fotoana izay nanadinoiko fa izaho dia manana vehivavy tokony hovangiana sy hampianarina. Ireo ilay fotoana niheverako ny famangiana isan-tokantrano ho toy ny vesatra fa tsy fitahiana.) Afaka milaza marina aho fa isaky ny nandeha nanao famangiana isan-tokantrano dia nahatsapa ho tsaratsara kokoa hatrany. Nahazo hery sy fitiavana ary fitahiana mihoatra noho ilay rahavavy novangiako aho. Ny fitiavako dia nitombo. Ny faniriako hanompo dia nitombo. Ary dia afaka nahita aho fa tena mahafinaritra ilay drafitra napetraky ny Ray any an-danitra mba hifampiahiantsika sy hifampikarakarantsika.
Ny fitahiana hafa amin’ny maha mpamangy isan-tokantrano dia ny fahafahantsika mifankahalala sy ny mahatonga antsika ho lasa naman’ireo olona izay mety tsy ho fantatsika raha tsy nisy izany. Indraindray dia lasa valim-bavaky ny olona iray isika amin’ny alalan’izany. Ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny traikefa ara-panahy ihany koa dia mifandray akaiky amin’ny famangiana isan-tokantrano.
Niaina zavatra izay isan’ireo nampanetry tena indrindra sy nitondra fifaliana indrindra ary masina indrindra teo amin’ny fiainako aho raha naka toerana nipetraka tao amin’ny tokantranon’ireo vehivavy avy tao amin’ny paroasiko sy manerana an’izao tontolo izao. Nifampianatra ny filazantsara izahay, niara-nitomany izahay, niara-nihomehy, niara-namaha olana ary dia nahazo hery sy fitahiana aho.
Indray hariva, akaikin’ny faran’ny volana, dia niomana ny handao ny tanàna aho ary tsy mbola namangy ny iray tamin’ireo rahavaviko. Efa nandroso ny alina. Tsy nanana fotoana efa voalamina mialoha aho. Tsy niantso mialoha aho. Tsy nanana namana mpiara-mamangy aho. Saingy nanapa-kevitra aho fa zava-dehibe ny hamangiako an’i Julie namako. I Ashley zanakavavin’i Julie, dia teraka niaraka tamin’ny aretin-taolana. Na dia efa ho enin-taona aza i Ashley, dia tena kely dia kely izy ary tsy afaka nanao zavatra maro ankoatry ny manetsika ny sandriny sy ny miteny. Mandry eo ambonin’ny firakofana vita amin’ny hoditr’ondry izy mandritra ny andro iray manontolo, isan’andro. I Ashley dia ankizy falifaly sy miran-dava ary tiako ny miaraka aminy eo.
Tamin’io alina manokana io, rehefa tonga tao amin’ilay tokantrano aho, dia nanasa ahy hiditra i Julie ary dia nihiaka niantso ahy i Ashley hilaza fa te hampiseho zavatra ahy izy. Niditra aho ary dia nandohalika tamin’ny gorodona teo akaikin’i Ashley ary tery amin’ny ilany ny reniny. Hoy i Ashley, “Jereo ny zavatra vitako!” Ary dia afaka nivadibadika i Ashley niaraka tamin’ny fanampiana kely avy amin’ny reniny. Nila enin-taona izy hanatanterahina izany tanjona izany. Rehefa niara-nitehaka sy niara-nifaly ary niara-nitomany izahay tamin’izany fotoana manokana izany dia nisaotra ny Ray any an-danitra aho noho ny nandehanako nanao famangiana isan-tokantrano sy noho ny nahafahako nanatrika izany fotoana lehibe izany. Na dia efa taona maro lasa aza izany famangiana nataoko izany ary na dia efa nodimandry aza i Ashley kely dia ho feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ny niainako izany traikefa manokana niainako niaraka taminy izany.
Ilay reny malalako dia mpamangy isan-tokantrano mahafinaritra sy feno fanoloran-tena nandritra ny taona maro. Nieritreritra tsy tapaka ny fomba hitahiany ny fianakaviana izay novangiany izy. Tena naneho fitiavana manokana ny zanak’ireo vehivavy izay novangiany izy tao anatin’ny fanantenana ny hahatonga ireo fianakaviana ireo ho mafy orina. Tsaroako ny ankizy dimy taona iray nihazakazaka namonjy ny reniko tany am-piangonana nilaza hoe, “Ianao no mpamangy isan-tokantranoko. Tiako ianao!” Ny nandraisany anjara tamin’ny fiainan’ireo vehivavy mahafinaritra sy ireo ankohonany dia fitahiana ho an’ny reniko.
Tsy ny traikefa rehetra mifandray amin’ny famangiana isan-tokantrano akory dia mitondra hafanana ao am-po sy mahafinaritra. Indraindray sarotra izany, toy ny mamangy tokantrano iray izay tena tsy te handray anareo, na rehefa sarotra ny mihaona amin’ny rahavavy iray izay tena maro sahanina. Mety mitaky fotoana ela ny manorina fifandraisana tsara amin’ny rahavavy sasany. Kanefa rehefa tena mikatsaka ny hitia sy hikarakara ary hivavaka ho an’ilay rahavavy isika, dia hanampy antsika hahita fomba hiahiana sy hankaherezana azy ny Fanahy Masina.
Ny Filoha Thomas S. Monson dia mahay manompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy. Hita mamangy sy manampy ny hafa hatrany izy. Nilaza izy hoe: “Voahodidin’ireo izay mila ny fikarakarantsika, ny famporisihantsika, ny fanohanantsika sy ny fampiononantsika ary ny hatsaram-panahintsika isika … Isika no tanan’ny Tompo eto ambonin’ny tany, miaraka amin’ny andraikitra mba hanompo sy hampitraka ny zanany. Miantehatra amin’ny tsirairay amintsika Izy.”12
“Ary tsy misy afaka manampy amin’ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana, manana finoana, fanantenana ary fiantrana, mahonon-tena amin’ny zava-drehetra na inona na inona hankinina hotandremany.”13
Ny vehivavy vangiantsika dia nampiandraiketina antsika. Aoka isika hanana fitiavana sy fangorahana ka hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ireo izay nampiandraiketina antsika.
Ry rahavavy, tiako ianareo. Mivavaka aho mba hahatsapanareo ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra anareo sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.