2010
Ny Fanomezana Masin’ny Fankasitrahana
Nôvambra 2010


Ny Fanomezana Masin’ny Fankasitrahana

Ny fo feno fankasitrahana … dia azo avy amin’ny fanehoana fankasitrahana amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ireo fitahiany sy ho an’ireo izay manodidina antsika amin’ireo zavatra entiny eo amin’ny fiainantsika.

President Thomas S. Monson

Nahafinaritra ity fivoriana ity. Fony aho voatendry ho Filohan’ny Fiangonana, dia nilaza aho hoe: “Handray andraikitra ho ahy manokana aho. Ho mpanorohevitra ny Amboarampeon’ny Tabernakely aho.” Mirehareha amin’ny amboarampeoko aho!

Nilaza tamiko ny reniko indray mandeha hoe: “Tommy a! Mirehareha tamin’ny zava-bitanao rehetra aho. Kanefa misy fanamarihana iray ataoko aminao. Tokony nanohy ny fitendrena piano ianao.”

Ka dia nankeny amin’ny piano aho ary nitendry hira iray ho azy: “Tonga isika, [tonga isika] eto amin’ny fety fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahana.”1 Avy eo dia norohako teo amin’ny handriny izy ary dia namihina ahy izy.

Mahatsiaro azy aho. Mieritreritra ny raiko aho. Mieritreritra ireo Manampahefana Ambony rehetra izay nanampy ahy aho, ary ireo olon-kafa hafa, isan’izany ireo mananotena izay notsidihiko—izy 85—izay akoho no atokony eo amin’ny fatana, indraindray tsy dia manam-bola firy any am-paosiny.

Nitsidika iray tamin’izy ireny aho indray alina be. Efa nisasak’alina tamin’izay, ary dia nandeha nankany amin’ny trano fitaizana be antitra aho, ary hoy ilay mpandray eo am-pidirana hoe: “Mino aho fa efa matory izy izay, kanefa nolazainy tamiko fa tsy maintsy fohaziko izy, satria hoy izy hoe: ‘Fantatro fa ho avy eo izy.’”

Notazoniko ny tanany; nantsoiny tamin’ny anarako aho. Nifoha tanteraka izy. Nosintoniny hanatona ny molony ny tanako ary hoy izy hoe: “Fantatro fa ho avy ianao.” Ahoana no tsy hahatongavako any?

Mahakasika ny foko tahak’izany zavatra izany ny hira mahafinaritra.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, nandre hafatra nentanim-panahy isika manambara fahamarinana, fanantenana ary fitiavana. Nifantoka tany Aminy ny saintsika, Izy ilay nanonitra ny otantsika, izay nampiseho antsika ny fomba iainana sy ny fomba fivavaka, ary izay nampiseho tamin’ny alalan’ny Asa nataony ny fitahiana entin’ny fanompoana—eny dia ny Tompo sy Mpamonjy, Jesoa Kristy.

Ao amin’ny bokin’i Lioka, toko faha-17 dia mamaky toy izao isika momba Azy:

“Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’i Samaria sy Galilia.

“Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.

“Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.

“Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.

“Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery,

“sady niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.

“Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? Fa aiza ny sivy?

“Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?

“Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.”2

Tamin’ny alalan’ny asa masina nataony dia nahazo fahafahana hiaina fiainana vaovao ireo boka izay navotana tamin’ny fahafatesana mandoza sy mikiky miadana. Ny fankasitrahana nataon’ilay iray dia mendrika ny Fitahian’ny Tompo, fa nandiso fanantenana Azy kosa ny toetra tsy mahay mankasitraka nasehon’ireo sivy hafa.

Ry rahalahy sy ranabavy, moa ve isika mahatsiaro maneho fisaorana tamin’ireo fitahiana noraisintsika? Ny fanehoana fisaorana vokatry ny fo dia tsy hoe manampy antsika fotsiny hamantatra ireo fitahiana fa koa mamaha ny varavaran’ny lanitra ary manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra.

Nilaza ny namako malala dia ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Rehefa maneho fisaorana foana ianao eo amin’ny fiainanao, dia tsy handeha amin’ny làlan’ny fiavonavonana sy ahiahy ary fitiavan-tena mihitsy. Hiaina ny fanahin’ny fisaorana ianao izay ho raiki-tapisaka aminao sy hitahy ny fiainanao.”3

Ao amin’ny bokin’i Matio ao amin’ny Baiboly dia misy tantara iray hafa mikasika ny fisaorana, ary izany dia nataon’ny Mpamonjy. Rehefa nandehandeha namakivaky ny tany foana nandritra ny telo andro Izy, niaraka tamin’ireo vahoaka mihoatra ny 4.000 izay nanaraka Azy. Nangoraka azy ireo Izy satria tsy nihinana nandritra ny dia tao anatin’ny telo andro izy ireo. Nanontany anefa ny mpianany hoe: “Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao?” Ireo mpianatra, toy ny maro amintsika dia tsy nahita afa-tsy izay tsy ampy.

“Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.

“Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin’ny tany.

“Dia nandray ny mofo fito mbamin’ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ny vahoaka.”

Diniho fa nanolotra fisaorana tamin’ny zavatra nananan’izy ireo ny Mpamonjy—ary dia nanaraka ny fahagagana. “Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.”4

Efa samy niaina fotoana isika rehetra izay tsy nifantohantsika afa-tsy tamin’ireo zavatra tsy ampy, fa tsy tamin’ireo fitahiana voaraintsika. Hoy ilay filôzôfa Grika Epiktetosy hoe: “Ny olona hendry dia tsy mitaraina amin’ny zavatra tsy ananany fa mifaly kosa amin’ireo ananany.”5

Fitsipika masina ny fankasitrahana. Nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Hisaotra ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ ny zavatra rehetra. …

“Ary tsy misy na inona na inona ataon’ ny olona ka manafitohina an’ Andriamanitra na mandrehitra ny fisafoahany afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tànany amin’ ny zava-drehetra.”6

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia nolazaina fa tokony “hiai[na] ao amin’ ny fanati-tsaotra isan’ andro, noho ny famindram-po maro sy ny fitahiana izay atolotr’ [Andriamanitra] anareo.”7

Na inona na inona toe-javatra misy antsika dia manana zavatra maro tokony hanehoantsika fisaorana isika tsirairay avy raha toa isika ka manao afa-tsy miato kely fotsiny sy mandinika ireo fitahiana ananantsika.

Fotoana mahafinaritra hiainana eto an-tany ankehitriny. Na dia maro aza ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao, dia maro ireo zavatra izay marina sy tsara. Ao ny fanambadiana izay mahomby, ny ray aman-dreny izay tia ny zanany sy manao fahafoizana ho azy ireo, ny namana izay mikarakara sy manampy antsika, ny mpampianatra izay mampianatra. Feno fitahiana sesehena ny fiainantsika.

Afaka mampitraka ny tenantsika, sy ireo hafa koa isika, rehefa mandà ny hitoetra ao amin’ny eritreri-dratsy ary manolokolo ao am-pontsika ny fanahin’ny fanehoam-pisaorana. Raha toa ka isan’ny ota goavana ny tsy fanehoam-pisaorana dia manana ny anjara toerany amin’ireo toetra manan-danja indrindra izany ny fankasitrahana. Nisy olona niteny fa ny fankasitrahana dia tsy toetra tsara indrindra fotsiny fa toy ny loharanon’ireo toetra tsara hafa rehetra.8

Ahoana no hahafahantsika manolokolo ao am-pontsika izany fanahin’ny fanehoam-pisaorana izany? Nanome valiny momba izany ny Filoha Joseph F. Smith, Filoha faha-enin’ny Fiangonana. Hoy izy: “Ny lehilahy be fankasitrahana dia mahita anton-javatra maro tokony hanehoam-pisaorana eto amin’izao tontolo izao, ary aminy dia mahery lavitra noho ny ratsy ny tsara. Mandresy ny fialonana ny fitiavana, ary mampisava ny haizina ny hazavana.” Notohizany hoe: “Manimba ny fanehoam-pankasitrahana ananantsika ny fieboeboana ary manolo izany amin’ny fitiavan-tena. Akory ny hafaliantsika rehefa manoloana fanahy feno fankasitrahana sy be fitiavana isika, ary tokony ho manao ahoana ny fikolokoloantsika, amin’ny alalan’ny fiainana feno vavaka, ny toetra feno fankasitrahana an’Andriamanitra sy ny olona!”9

Nilaza tamintsika ny Filoha Smith fa ny fiainana arahim-bavaka dia fanalahidy entina hananana ny fanahin’ny fankasitrahana.

Moa ve mitondra fifaliana sy ankasitrahantsika ireo fananana ara-materialy? Angamba, saingy tsy maharitra. Kanefa kosa, ireo zavatra izay mitondra fahasambarana lalina sy maharitra dia ireo zavatra izay tsy voavidy vola: toy ny fianakaviantsika, ny filazantsara, ny namana tsara, ny fahasalamana, ny fahaiza-manao, ny fitiavana izay raisintsika avy amin’ireo manodidina antsika. Ny mampalahelo dia tsy asiantsika lanjany ireo zavatra sasany notanisaina teo ireo.

Nanoratra ilay mpanoratra Anglisy Aldous Huxley hoe: “Toetran’ ny ankamaroan’ny olombelona, izay mety tsy manam-petra, ny mandray ny zavatra ho mora azo.”10

Matetika ataontsika mora azo ireo olona izay tena mendrika ny hanehoantsika fisaorana. Aoka isika tsy hiandry izany ho tara vao haneho izany fankasitrahana izany. Raha niresaka ireo olon-tiany izay efa nandao azy ity vehivavy ity dia toy izao no nilazany ny alahelony: “Tsaroako ireo andro feno fifaliana ary matetika aho dia maniry ny ho afaka hiteny eo am-poto-tsofin’ireo efa nodimandry ny fankasitrahana tokony natolotro azy ireo kanefa mahalana ny nanaovako izany.”11

Ny fandaozan’ireo olon-tiantsika dia saika miteraka fanenenana ao am-pontsika. Ndeha hohamaivanintsika izany fahatsapana izany amin’ny fanehoantsika matetika ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika azy ireo. Tsy ho fantatsika hoe rahoviana no ho tara loatra amin’ny fanaovana izany isika.

Ny fo feno fankasitrahana raha izany dia azo avy amin’ny fanehoana fankasitrahana amin’ny Raintsika any an-danitra noho ireo fitahiany sy ho an’ireo izay manodidina antsika noho ireo zavatra entin’izy ireo eo amin’ny fiainantsika. Mitaky ezaka amim-piniavana izany—mandrapahatonga antsika hahay sy hikolokolo tsara izany toetry ny fankasitrahana izany. Matetika isika no mahatsapa ho feno fankasitrahana ary maniry ny haneho izany fisaorana izany kanefa manadino ny manao izany na tsy mety mahavita izany fotsiny. Nilaza ny olona iray fa ny fananana fahatsapana te-haneho fisaorana nefa tsy manao izany dia toy ny mamono fanomezana iray nefa tsy manome izany.12

Rehefa miatrika fanamby sy olana eo amin’ny fiainana isika dia matetika sarotra ho antsika ny hifantoka amin’ireo fitahiana ananantsika. Na dia izany aza, raha toa isika ka mamakafaka lalina sy mifantoka tokoa dia ho afaka hahatsapa sy hamantatra ireo zavatra izay nomena antsika.

Te-hizara aminareo ny tantaran’ny fianakaviana iray aho izay afaka nahita ireo fitahiana ananany eo anivon’ireo olana goavana maro. Tantara novakiako taona maro lasa izy ity saingy notehiriziko tsara noho ny lanjan’ny hafatra ampitainy. Nosoratan’i Gordon Green izany ary niseho tao amin’ny gazetiboky Amerikana iray efa ho dimam-polo taona lasa mahery izay.

Notantarain’i Gordon ny fahazazany tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana tany Kanada, izay tsy maintsy nodian’izy sy ny mpiray tampo aminy haingana taorian’ny fianarana raha toa kosa ireo ankizy hafa dia nilalao baolina sy nandeha nilomano. Ny rain’izy ireo anefa dia nanana ny fahaiza-manao hanampiana azy ireo hahatakatra fa ny asa ataon’izy ireo dia mahasoa kokoa. Tena voaporofo marina izany indrindra nandritra ny fotoam-pijinjana, rehefa mankalaza ny Andro Fisaorana ny fianakaviana, satria amin’izany andro izany dia omen’ny rain’izy ireo fanomezana lehibe izy ireo. Asain’ny rain’izy ireo mitanisa ny zavatra ananany izy ireo.

Tamin’ny marain’izany Andro fisaorana izany dia entiny mankany amin’ny lakavy izy ireo mijery ireo barika feno paoma, kapaoka feno betiravy, karaoty voafatratra ao anaty fasika ary gonin’ovy misavovona, ary koa ireo voamaina, katsaka, tsaramaso, voankazo masa-tsiramamy, voaroimena vahiny ary ireo tahiry izay nameno ny talantalany. Nasainy isain’ireo zanany tsara izany rehetra izany. Avy eo dia nivoaka nankany an-tsompitra izy ireo ary nahita ireto mololo misavovona tao ary ireto voamaina amin’ny gony tao amin’ny fitehirizam-bary. Nisain’izy ireo ireo omby, kisoa, akoho, vorontsiloza ary gisa nananany. Nilaza taminy ny rainy hoe tiany ho hita hoe aiza ho aiza izy ireo raha ny mikasika ny tahiry, kanefa fantatr’izy ireo fa tena tiany ho tsapan’izy ireo, amin’izany andro fety izany, hoe hatraiza ny habetsaky ny harena nitahian’Andriamanitra azy ireo ary hatraiza ny fomba namalian’Andriamanitra ireo fotoana maro lanin’izy ireo tamin’ny asa. Farany, rehefa nipetraka hihinana ireo sakafo nokarakarain-dreniny izy ireo dia tena nahatsapa mivantana ireo fitahiana.

Nofaritan’i Gordon anefa fa ny Andro Fisaorana tsaroany sy nanehoany fankasitrahana indrindra dia ilay tamin’ny taona izay tsy nananan’izy ireo na inona na inona izay azo hanehoam-pisaorana.

Niantomboka tsara ilay taona: nanana ambiny tamin’ireo mololo izy ireo, masomboly maro, zana-kisoa efatra. Nanana vola kely notehirizina ny rain’izy ireo mba hividianany masinina fitaomana mololo indray andro—fitaovana mahafinaritra iray izay nofinofisin’ny mpamboly sy ny mpiompy rehetra ananana. Taona izay nahatongavan’ny herinaratra teo an-tanànan’izy ireo koa izany—na dia tsy nanana aza izy ireo, satria tsy takany izany.

Indray alina nandritra ny fotoana nanasan’ny renin’i Gordon ireo lambany marobe no niditra ny rainy ary nankeo amin’ny toerana fanasan-damba sady nangataka ny vadiny haka aina ary hanao ny zaitrany fa izy kosa hanohy ny fanasana lamba. Hoy izy hoe: “Betsaka kokoa ny fotoana laninao amin’ny fanasana lamba noho ny amin’ny fatoriana. Tokony hilefitra amin’ny faniriantsika ve isika ka hampiditra herinaratra?” Na dia faly tamin’izany fikasana izany aza izy dia nirotsa-dranomaso ihany satria hoy izy any an-tsainy hoe tsy ho azo indray ilay masinina fitaomana mololo.

Koa dia tonga teo amin’ny lalan-kely mankany amin’izy ireo ny herinaratra tamin’io taona io. Na dia tsy zavatra raitra be aza ny nananan’izy ireo dia nanana masinina fanasan-damba mandeha tsara izy ireo izay afa-miasa mandritra ny andro manontolo miampy ireo takamoa mamiratra izay nandravaka ny valindrihina tsirairay. Tsy nisy intsony ny jiro solitany fenoina solika, tsy hisy intsony ny lahin-dabozia tapatapahina ary tsy misy intsony ny fatana maloto ilaina sasàna. Nampirimina tsimoramora tany amin’ny rihana fitoeran’entana ambony ireo jiro solitany.

Ny fahatongavan’ny herinaratra tao amin’ny tokantranon’izy ireo angamba no zavatra tsara farany nitranga tamin’izy ireo tamin’io taona io. Raha vao nanomboka nitsiry tamin’ny tany ireo voly novolen’izy ireo dia nanomboka nilatsaka ny orana. Rehefa nitsahatra ny orana tamin’ny farany dia tsy nisy niangana izay rehetra nambolena. Namerina namboly indray izy ireo, kanefa mbola nisy orambe indray nandrava ny voly rehetra tamin’ny tany. Lò noho ny hamandoan’ny tany ny ovin’izy ireo. Nivarotra ireo ombivavy roa sy ny kisoa rehetra ary ireo biby fiompy hafa izay nokasain’izy ireo ho tazonina izy ireo, izay nahazoany vola tamin’ny vidiny ambany satria ny olona rehetra koa dia nanao izany. Ny hany vokatra niakatra tamin’izany taona izany dia tangozan’ireo nave maromaro izay nahazaka ny oram-baratra tamin’ny fomba tsy fantatra.

Dia tonga indray ary ny Andro Fisaorana. Hoy ny renin’izy ireo hoe: “Angamba tsara raha tsy mankalaza izany isika amin’ity taona ity. Tsy manana na dia gisa iray aza isika.”

Ny marain’ny Andro Fisaorana anefa dia nitondra bitro dia ny rain’i Gordon ary nangataka ny mba handrahoan’ny vadiny izany. Nanomboka nanao izany tsy tamin’ny fony izy no sady niteny hoe handany fotoana ela ny fiketrehana izany bitro dia antitra kely izany. Rehefa naroso teo amin’ny latabatra fihinana izany niaraka tamin’ireo nave sisa niangana dia nandà tsy hihinana ireto ankizy. Nitomany ny renin’i Gordon, ary avy eo dia nanao zavatra nahavariana ny rainy. Niakatra nankeny amin’ny fitoeran’entana izy ary nalainy tany ilay jiro solitany, napetrany teo ambony latabatra ary narehiny. Nasainy novonoin’ireto ankizy ny jiro mandeha amin’ny herinaratra. Rehefa ny jiro solitany irery no nirehitra dia tsy nino izy ireo raha nahita fa maizina toy izany no niainany taloha. Nanontany tena izy ireo hoe ahoana no fomba nahitan’izy ireo zavatra tamin’ny mbola tsy nisy herinaratra tao amin’izy ireo.

Nangatahana tsodrano ny sakafo ary dia samy nihinana ny tsirairay. Rehefa vita ny sakafo dia samy nipetraka tamim-pahanginana izy ireo. Nanoratra i Gordon hoe:

“Tao anatin’ny fitsilopilopy feno fanetren-tenan’ilay jiro solitany tonta no nahitanay bebe kokoa indray. …

“Fiaraha-misakafo nahatsapana fifankatiavana izany. Natsiro toy ny vorontsiloza ilay bitro dia, ary ireo nave dia nanana ny tsiro tsara indrindra izay mety tsaroako hatrizay. …

“… Ny tokantranonay … dia heniky ny fahasoavana ho anay, na dia teo aza ny tsy fahampiana.”13

Ry rahalahiko sy anabaviko, ny fanehoana fisaorana dia maha-te-ho tia sy mendri-kaja. Ny fanehoana fisaorana dia mampiseho ny falalahan-tanana sy ny fanehoam-boninahitra, kanefa ny fiainana ny fanahin’ny fankasitrahana tsy tapaka ao am-pontsika dia sombin’ny lanitra.

Eo am-pamaranana amin’ity maraina ity aho dia mivavaka mba ho ataontsika ho fanampin’izay zavatra rehetra mendri-pisaorana ananantsika, ny fanehoam-pisaorana ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy. Manome valiny amin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana ny filazantsarany be voninahitra, toy ny hoe: Avy aiza isika? Maninona eto? Mankaiza ny fanahintsika rehefa maty? Izany filazantsara izany dia mitondra ny fahazavan’ny fahamarinana masina ho an’ireo izay miaina ao anaty haizina.

Nampianatra antsika hivavaka Izy. Nampianatra antsika hiaina Izy. Nampianatra antsika ny fomba hahafatesana Izy. Lova feno fitiavana ny fiainany. Nositraniny ireo marary ary natrakany ireo voan’ny tsindrihazolena; navotany ireo mpanota.

Farany indrindra dia nijoro irery Izy. Nihozongozona ara-pinoana ny Apôstôly sasany, ny hafa namadika Azy. Nanindrona ny lanivoany ny miaramila Romana. Nanala ny ainy ireo mpihetraketraka feno hatezerana. Kanefa dia mbola nanakoako teo amin’ny havoan’i Golgota ireo teny mamindra fo hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”14

Iza moa izany “lehilahy ory, … sy zatra fahoriana izany?15 “Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao,”16 izay Mpanjakan’ny mpanjaka? Izy no Tompontsika. Izy no Mpamonjy antsika. Izy no Zanakalahin’Andriamanitra. Izy no mpanefa ny famonjena antsika. Manao famantarana Izy hoe: “Manaraha Ahy.”17 Manoro hevitra Izy hoe: “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.”18 Niangavy Izy ny “hitandr[emana] ny didi[ny].”19

Handeha isika hanaraka Azy. Handeha isika haka tahaka ny ohatra nataony. Ndeha isika hankatò ny Teniny. Amin’ny fanaovana izany no hanehoantsika Aminy ny fanomezana masin’ny fankasitrahana.

Ny vavaka amin-kitsimpo ataoko dia ny mba hisaintsainantsika izany toetra mahagagan’ny fankasitrahana izany eo amin’ny fiainantsika manokana. Enga anie hanivatsiva ny aty fanahintsika izany, manomboka izao ka ho mandrakizay. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, amena.

Fanamarihana

  1. John Thompson, “Birthday Party,” Teaching Little Fingers to Play (1936), 8.

  2. Lioka 17:11–19.

  3. Teachings of Gordon B. Hinckley (1997), 250.

  4. Jereo ny Matio 15:32–38; nampiana fanamafisana.

  5. The Discourses of Epictetus; with the Encheiridion and Fragments, trans. George Long (1888), 429.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:7, 21.

  7. Almà 34:38.

  8. Cicero, in A New Dictionary of Quotations on Historical Principles, sel. H. L. Mencken (1942), 491.

  9. Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, edis. faha-5 (1939), 263.

  10. Aldous Huxley, Themes and Variations (1954), 66.

  11. William H. Davies, The Autobiography of a Super-Tramp (1908), 4.

  12. William Arthur Ward, in Allen Klein, comp., Change Your Life! (2010), 15.

  13. Nalaina sy narindra avy tamin’ny “The Thanksgiving I Don’t Forget,” boky nosoratan’i H. Gordon Green, Reader’s Digest, Nôv. 1956, 69–71.

  14. Lioka 23:34.

  15. Isaia 53:3.

  16. Salamo 24:8.

  17. Matio 4:19.

  18. Lioka 10:37.

  19. Jaona 14:15.