2010
Ny Fampianarana Miompana amin’ny Androntsika
Nôvambra 2010


Ny Fampianarana Miompana amin’ny Androntsika

Ny leson’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny Alahady Fahaefatra dia hifantoka amin’ny “Fampianarana Miompana amin’ny Androntsika.” Ny lesona tsirairay dia azo omanina avy amin’ny lahateny iray na maromaro tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra Afaka misafidy izay lahateny tokony ho ampiasaina ny filohan’ny tsatòka sy ny distrika, na manome izany andraikitra izany ho an’ireo eveka sy filohan’ny sampana Tokony homen’ny mpitarika lanja ny maha-zava-dehibe ny fandalinan’ny rahalahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana lahateny mitovy amin’ny Alahady iray.

Ireo izay manatrika ny lesona atao ny Alahady fahaefatra dia amporisihana handalina ny laharana farany amin’ny gazetiboky izay ahitana ny fihaomben’ny Fiangonana ary hitondra izany mandritra ny fotoam-pianarana.

Torohevitra Enti-manomana ny Lesona avy amin’ireo Lahateny

Mivavaha mba hanananao ny Fanahy Masina hiaraka aminao eo am-pandalinana sy fampianarana ny lahateny. Mety ho te-hanomana ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hafa ianao kanefa ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana no fandaharam-pampianarana nahazoana lalana Ny andraikitrao dia ny manampy ny hafa hianatra sy hiaina ny filazantsara araky ny nampianarana azy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra.

Avereno jerena ireo lahateny, ary tadiavo ireo fitsipika sy fotopampianarana izay hamaly ny hetahetan’ny mpianatra ao an-dakilasy. Tadiavo koa ireo tantara, andinin-tsoratra masina sy teny nambaran’ny olona iray ao amin’ireo lahateny izay mety hanampy anao hampianatra ireo fahamarinana ireo.

Manaova rindran-damina amin’ny fomba hampianarana ireo fitsipika sy fotopampianarana Ny rindran-damina ataonao dia tokony ahitana fanontaniana izay hanampy ireo mpianatra ao an-dakilasy:

  • Hahita ireo fitsipika sy fotopampianarana ao amin’ny (ireo) lahateny.

  • Hisaintsaina ny dikan’izy ireny

  • Hizara ny fahatakarany, ny heviny sy ny zavatra niainany ary ny fijoroany ho vavolombelona.

  • Ampihatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izany fitsipika sy fotopampianarana izany.

Volana

Loharanom-pitaovana enti-mampianatra ny Alahady fahaefatra

Nôvambra 2010—Aprily 2011

Lahateny nivoaka tao amin’ny Liahona volana Nôvambra 2010*

Mey 2011—Ôktôbra 2011

Lahateny nivoaka tao amin’ny Liahona volana Mey 2011*

Hamoaka printy