2010
Ny Amin’ireo Zavatra Izay Manan-danja Indrindra
Nôvambra 2010


Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra

Raha toa ny fiainana sy ny hafainganam-pandeha mirotoroto ary ny fasahiranan-tsaina mahatonga anareo hahita fa sarotra ny mahatsapa fifaliana, dia mety izao no fotoana tsara hifantohanareo indray amin’izay manan-danja indrindra.

Sary
President Dieter F. Uchtdorf

Tena mahatalanjona ny zavatra azontsika hianarana mikasika ny fiainana amin’ny alalan’ny fandinihana ny zava-boahary. Ohatra, ny mpahay siansa dia afaka mijery ny faribolana eo amin’ny hazo ary avy eo dia manao tombana voadinika mikasika ny toetr’andro sy ny tontolon’ ny zava-maniry tamin’ny taon-jato na arivo taona maro lasa. Isan’ny zavatra hianarantsika amin’ny alalan’ny fandinihina ny fanirin’ny hazo dia ny hoe mitombo araka ny tokony ho izy ny hazo mandritra ny vaninandro hisian’ny fepetra tsara indrindra. Mandritra ny vaninandro tsy mahavory ny fepetra tsara indrindra kosa anefa dia mihamiadana ny fanirin’ny hazo ary dia atokan’izy ireo amin’ireo ampahany fototra ilaina hahavelomana sisa ny angovo ananan’izy ireo.

Hatreto ianareo mety hieritreritra hoe: “Tsy maninona sy tsara avokoa izany saingy inona koa no ifandraisan’izany amin’ny famoriana fiaramanidina?” Mamelà ahy hilaza aminareo.

Ianareo ve efa nitaingina fiaramanidina ka sendra fisafotofotoana eny amin’ny habakabaka? Ny antony tena fahita matetika indrindra mahatonga ny fisafotofotoana eny amin’ny habakabaka dia ny fiovàna tampoka eo amin’ny lalan’ny rivotra izay mahatonga ny lohan’ny fiaramanidina hiakatra sy hidina, sy hivilivily ho amin’ny havia sy ny havanana ary hiodinkodina ka lasa midina ny elatra iray ary lasa miakatra ny ilany. Na dia namboarina hahazaka mihoatra lavitra no izay fisafotofotoana lehibe indrindra mety ho hitanao eny amin’ny habakabaka mandritra ny sidina mahazatra aza ireny fiaramanidina ireny, dia mety hampisavorovoro ny mpandeha ihany izany.

Inona no eritreretinao hoe ataon’ny mpanamory rehetra sendra fisafotofotoana eny amin’ny habakabaka? Ny mpianatra ho mpanamory dia mety hihevitra fa ny fampitomboana ny hafainganam-pandeha no paikady tsara satria hahatonga azy ireo ho tafavoaka haingana kokoa amin’ilay fisafotofotoana izany. Kanefa mety izany no ho fomba diso tsy tokony atao. Ireo mpanamory matianina dia mahatakatra fa misy hafainganam-pandeha tsara indrindra hamakiana ny fisafotofotoana eny amin’ny habakabaka izay hampihena ny voka-dratsy entiny. Ary matetika izany dia midika hoe ilaina hahena ny hafainganam-pandehanao. Izany fitsipika izany ihany no ampiasaina rehefa mandeha amin’ireny dongona eny amin’ny arabe ireny izay niniana natao hanenana ny hafainganam-pandeha.

Noho izany, hevitra tsara ny manena kely ny hafainganam-pandeha sy ny mandamina ny dia ary ny mifantoka amin’izay manan-danja rehefa mandalo toe-javatra sarotra.

Ny Hafainganam-pandehan’ny Fiainana Ankehitriny

Lesona tsotra nefa tena ilaina hianarana izany. Mety ho toy ny lôjika izany rehefa miresaka hazo na fisafotofotoana eny amin’ny habakabaka saingy mahavariana fa toa mora ny tsy miraharaha izany lesona izany rehefa tokony ampiharina amin’ny fiainantsika andavanandro ireo fitsipika ireo. Rehefa mitombo ny zava-manahiran-tsaina, rehefa tonga ny fahakiviana, rehefa tonga ny loza, matetika loatra isika no miezaka ny hihazona ilay hafainganam-pandeha feno firotorotoana mahazatra na koa mampitombo izany mihitsy aza, ary mihevitra fa raha hafainganintsika ny fandehantsika dia ho tafavoaka haingana kokoa.

Isan’ny toetry ny fiainana ankehitriny ny toa mandeha amin’ny hafainganam-pandeha tsy mitsaha-mitombo, na dia eo aza ireo fisafotofotoana na sakana.

Raha ny marina dia toa mora ihany ny ho tonga be atao. Samy afaka mieritreritra avokoa isika lisitry ny zavatra tokony atao izay hameno ny fandaharam-potoanantsika. Ny sasany aza mety hieritreritra fa ny lanjan’izy ireo dia miankina amin’ny halavan’ny lisitry ny zavatra tokony ataon’izy ireo. Fenoin’izy ireo amin’ny lisitra fivoriana sy olana madinidinika ny fotoana bangan’izy ireo—eny, na dia mandritra ny fotoana fikorontanan-tsaina sy faharerahana aza. Ary satria manasarotra ny fiainany amin’ny tsy misy antony izy ireo, dia matetika izy ireo no mahatsapa fihombon’ny fahabangana sy fihenan’ny fifaliana ary fahamaivanan-danjan’ny fiainan’izy ireo.

Voalaza fa ny toetra tsara rehetra, rehefa entina amin’ny mihoampampana dia mety ho tonga toetra ratsy. Ny mameno be loatra ny fandaharam-potoanantsika dia azo antoka fa tafiditra anatin’izany. Ary dia tonga ny fotoana hoe ny zava-bita dia lasa vato manafintohana ary ny tanjona iriana lasa vato misakana.

Inona ary ny Vahaolana?

Ny hendry dia mahatakatra sy mampihatra ny lesona avy amin’ny faribolana eo amin’ny hazo sy ny fisafotofotoan’ny rivotra eny amin’ny habakabaka. Mahatohitra ny fakam-panahy ny ho tafiditra ao anatin’ny fihazakazahana tsy misy fiafaran’ny fiainana andavanandro izy ireo. Arahan’izy ireo ilay torohevitra hoe, “Misy mihoatra noho ny mampitombo hafainganam-pandeha ny fiainana.”1 Raha fintinina dia mifantoka amin’ny zavatra izay manan-danja indrindra izy ireo.

Ny Loholona Dallin H. Oaks, nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana Manerantany vao haingana izay dia nampianatra fa “Mila mamela ny zavatra tsara sasany isika mba hisafidy zavatra hafa izay tsara kokoa na tsara indrindra, noho izy ireo mampitombo ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy mankahery ny fianakaviantsika.”2

Ny fikatsahana ny zavatra tsara indrindra dia tsy azo hodivirana fa mitondra ho amin’ny fitsipika fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—ireo fahamarinana tsotra sy tsara izay nambaran’ny Ray any an-danitra be fiahiana, sy mandrakizay ary mahalala ny zava-drehetra amintsika. Ireo fotompampianarana sy fitsipika fototra ireo, na dia tsotra azon’ny ankizy takarina aza, dia manolotra valiny ho an’ireo fanontaniana sarotra indrindra eo amin’ny fiainana.

Misy hatsarana sy fahazavana avy amin’ny fahatsorana izay tsy ankafizintsika indraindray eo amin’ny hetahetantsika hahazo vahaolana sarotra.

Ohatra, tsy ela taorian’ny niodinan’ireo astrônôta sy ireo kôsmônôta nanodidina ny tany dia tonga saina izy ireo fa ny “stylo à billes” dia tsy handeha eny amin’ny habakabaka. Noho izany dia nisy andian’olona manam-pahaizana niasa mba hamahàna ilay olana. Nandany adim-pamantaranandro an’arivony sy vola an-tapitrisany dôlara izany, saingy, tamin’ny farany dia nahavita penina izy ireo izay azo hanoratana na aiza na aiza, na firy na firy ny mari-pana, ary na amin’ny toerana manao ahoana na amin’ny toerana manao ahoana. Kanefa inona no nataon’ireo astrônôta sy ireo kôsmônôta talohan’ny naha voavaha ilay olana? Pensily hazo tsotra izao no nampiasain’izy ireo.

Nindramina ny tenin’i Leonard de Vinci raha nilaza izy hoe “Ny fahatsorana no tsara indrindra”.3 Raha jerentsika ireo fitsipika fototry ny Drafitry ny Fahasambarana, ilay Drafitry ny Famonjena, dia azontsika fantarina sy ankafizina amin’ny fahafenoany sy ny fahatsorany ny hatsaran’ny fahendren’ny Raintsika any an-danitra. Avy eo dia ny fandehanantsika amin’ny lalany no fiandohan’ny fahendrena.

Ny Herin’ireo Fitsipika Fototra

Voalaza ilay tantara hoe ilay mpanazatra baolina amerikana malaza Vince Lombardi dia nanana fomba izay fanaony amin’ny andro voalohan’ny fanazaran-tena. Mihazona baolina iray izy, mampiseho izany amin’ireo mpanao fanatanjahan-tena izay efa nilalao ilay taranja nandritra ny taona maro, ary dia miteny izy hoe “Ry tovolahy isany, ity no atao hoe baolina!” Resahiny ny refiny sy ny bikany, ny fomba azo handakàna sy hitondràna na hampitàna izany. Entiny ho any amin’ny kianja ny ekipa ary dia miteny izy hoe “Ity no kianja fanaovana baolina”. Entiny mitety ilay kianja izy ireo, hampisehoany ny refiny, sy ny endriny, sy ny fitsipi-dalao ary ny fomba filalaovana.4

Io mpanazatra io dia nahalala fa na dia ireo mpilalao matianina ireo aza, ary indrindra ilay ekipa dia tsy afaka ny ho tonga lehibe raha tsy mahafehy ny fitsipika fototra. Afaka nandany ny fotoan’izy ireo tamin’ny fampiharana ireo fita-pitaka sarotra mandritra ny lalao izy ireo, saingy mandra-pifehezan’izy ireo ny fitsipika fototry ny lalao dia tsy ho lasa ekipa tafiditra ao amin’ny fiadiana ny ho tompon-daka na oviana na oviana izy ireo.

Mihevitra aho fa ny ankabeazantsika dia mahatakatra ho azy ny maha zava-dehibe ny fitsipika fototra. Isika fotsiny no variana indraindray amin’ny zavatra maro loatra izay toa manintona kokoa.

Ny fitaovana vita printy, ny loharanon-tserasera samihafa, ny fitaovana elektrônika—izay manampy avokoa raha ampiasaina amin’ny tokony ho izy—dia mety ho lasa mpanelingelina mandratra na efitra mangatsiaka mampitoka-monina.

Kanefa eo anivon’ny feo sy ny safidy maro, Ilay Lehilahy mietry avy any Galilia dia mijoro manatsotra ny tanany sady miandry. Ny hafany dia hafatra tsotra: “Avia, manaraha ahy”.5 Ary tsy miresaka amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo izy fa amin’ny feo mitsoka malemy.6 Tena mora loatra ho an’ny hafatra fototry ny filazantsara ny ho very ao anatin’ny safodranon’ny fahalalana izay tonga amintsika avy amin’ny lafiny rehetra.

Ny Soratra Masina sy ny teny haloak’ireo mpaminany velona dia manamafy ireo fitsipika fototra sy ireo fotopampianaran’ny filazantsara. Ny antony hiverenantsika any amin’ireo fitsipika fototra ireo, ireo fotopampianarana madio, dia satria izy ireo no varavarana mitondra mankany amin’ny fahamarinana izay manana dikany lalina. Izy ireo no varavarana mitondra ho amin’ny traikefa manan-danja tena lehibe tokoa izay ho sarotra amintsika ny hanakatra azy raha tsy izany. Ireo fitsipika fototra sy tsotra ireo no fanalahidin’ny fiainana mirindra amin’Andriamanitra sy amin’ny olona. Ireo no fanalahidy fanokafana ny varavaran’ny lanitra. Ireo no fanalahidy ho an’ny fiadanana, ny fifaliana ary ny fahatakarana izay nampanantenain’ny Ray any an-danittra ho an’ireo zanany izay mihaino sy mankatoa Azy.

Ry Rahalahy sy Anabavy malala, tsara kokoa amintsika ny manena kely ny hafainganam-pandehantsika, mandeha amin’ny hafainganam-pandeha tsara indrindra amin’ny toe-piainantsika, mifantoka amin’izay misy dikany, mampitraka ny masontsika ary mahita marina ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra. Aoka isika hahatsiaro ireo fampianarana fototra izay nomen’ny Raintsika any an-danitra ireo zanany, izay hametraka ny fototry ny fiainana mety maty ho feno sy mamokatra, miaraka amin’ny fampanantenana ny fahasambarana mandrakizay. Ireo no hampianatra antsika hanao “ireo zavatra rehetra ireo … amin’ny fahendrena sy ny filaminana; fa tsy takiana ny hihazakazahan[tsika] haingana kokoa noho izay tratrin’ny herin[tsika]. [Saingy] (ilaina [isika] mba hazoto, [ary] amin’izany no) hahazoan[tsika] ny loka.”7

Ry rahalahy sy anabavy, ny fanaovana am-pahazotoana ireo zavatra izay manan-danja indrindra dia hitondra antsika mankany amin’ny Mpamonjy izao tontolo izao. Izany no mahatonga antsika “miresaka an’i Kristy, mifaly amin’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, mba hahafantaran[tsika] ny loharano azon[tsika] andrandraina ho famelana ny fahotan[tsika].”8 Ao anatin’ny fahasarotana sy savorovoro ary firotorotoan’ny fiainana ankehitriny dia izao no “lalana tena tsara kokoa.”9

Koa inona ary no Fototra?

Rehefa mitodika any amin’ny Raintsika any an-danitra isika sy mikatsaka ny fahendreny mikasika ireo zavatra manan-danja indrindra dia mianatra tsy tapaka indray ny maha-zava-dehibe ireo fifandraisana lehibe efatra: ny fifandraisana amin’Andriamanitra, amin’ny fianakaviantsika, amin’ny mpiara-belona, ary amin’ny tenantsika. Rehefa manao tombana ny fiainantsika manokana isika miaraka amin’ny saina vonona dia hahita isika hoe taiza no nivily tamin’ilay lalana tena tsara kokoa. Hisokatra ny mason’ny fahatakarantsika ary dia ho fantatsika izay ilaintsika atao mba hanadiovana ny fontsika sy hanovantsika izay hifantohantsika indray eo amin’ny fiainantsika.

Voalohany, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no masina sy miankina aman’aina indrindra. Isika dia zanaka fanahiny. Izy dia Raintsika. Maniry antsika ho sambatra Izy. Rehefa mikatsaka Azy isika, rehefa mianatra avy amin’i Jesoa Kristy Zanany, rehefa manokatra ny fontsika ho amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia mitombina sy azo antoka kokoa ny fiainantsika. Miaina fiadanana sy fifaliana ary fahafenoana bebe kokoa isika rehefa manome ny tsara indrindra avy amintsika mba hiaina mifanaraka amin’ny drafitra mandrakizain’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny.

Manatsara ny fifandraisantsika amin’ny Ray any an-danitra isika amin’ny alalan’ny fianarana Aminy; amin’ny firaisana Aminy, amin’ny fibebahana amin’ireo otantsika, ary ny fanarahana am-pahazotoana an’i Jesoa Kristy, fa “tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalan’i [Kristy].”10 Mba hanamafisana orina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia mila fotoana hatokana hiarahana irery Aminy isika. Ny fifantohana am-pahatoniana amin’ny vavaka manokana sy fandalinana soratra masina atao isan’andro, mikatsaka mandrakariva ny ho mendrika ny hihazona fahazoan-dalana mankany amin’ny Tempoly—ireo dia toy ny petra-bola hendry atao amin’ny fotoanantsika sy ny ezaka ataontsika mba hifanakaiky kokoa amin’ny Raintsika any an-danitra. Handeha isika hamaly ilay fanasan’ny mpanao Salamo hoe “Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra.”11

Ny fifandraisana faharoa lehibe ho antsika dia amin’ny fianakaviantsika. Satria “tsy misy fahombiazana hafa afaka misolo ny tsy fahombiazana”12 eto amin’ity fiainana ity dia mila mametraka ny ankohonantsika ho laharam-pamehana lehibe isika. Manorina fifandraisana lalina sy feno fitiavana eo anivon’ny fianakaviana isika amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra tsotra miaraka toy ny fiarahana misakafo amin’ny ankohonana, ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fiarahana miala voly. Eo amin’ny fifandraisana amin’ny ankohonana, ny fitiavana dia tena tononina mihitsy hoe f-o-t-o-a-n-a na fotoana. Ny fakana fotoana ho an’ny tsirairay no fanalahidin’ny firindrana ao an-tokantrano. Mifampiresaka “amin’i” isika fa tsy hoe miresaka “momba an’i”. Mianatra avy amin’ny tsirairay isika ary mankafy ireo fahasamihafana sy ireo zavatra iraisana ihany koa. Mametraka fifandraisana araka an’Andriamanitra isika rehefa miaraka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka miaraka amin’ny ankohonana, ny fianarana ny filazantsara ary ny fanompoana ny Alahady.

Ny fifandraisana lehibe fahatelo hananantsika dia amin’ny mpiara-belona amintsika. Manorina izany fifandraisna izany isika isaky ny olona iray—amin’ny alalan’ny fihainoana ny filan’ny hafa, ny fanompoana azy ireo, ary ny fanomezana ny fotoanantsika sy ny talentantsika. Tena nitolagaga aho tamin’ny rahavavy iray izay novesaran’ny fanambin’ny taona sy ny aretina saingy nanapa-kevitra fa na dia tsy afaka manao be aza izy dia afaka mihaino. Ary noho izany, isakerinandro izy dia nitady olona izay hita ho manana olana sy kivy ary dia nandany fotoana niaraka tamin’izy ireny, nihaino azy ireo. Tena fitahiana teo amin’ny fiainan’ny olona maro izy.

Ny fifandraisana fahaefatra lehibe dia amin’ny tenantsika. Mety ho hafahafa ny mieritreritra hoe manana fifandraisana amin’ny tenantsika isika, saingy misy izany. Misy olona izay tsy afaka mifandray amin’ny tenany. Mitsikera sy manambany ny tenan’izy ireo ireo izy ny andro manontolo mandra-pahatongan’izy ireo hankahala ny tenany. Te-hanome soso-kevitra aho hoe, hahenao ny firotorotoana dia makà fotoana amboniny hahafantarana tsara kokoa ny tenanao. Mandehandehana eny amin’ny zava-boahary, mijere ny fiposahan’ny masoandro, ankafizo ny harintanan’Andriamanitra, saintsaino ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary tadiavo ny dikan’izy ireo ho anao manokana. Mianara mahita ny tenanao tahaka ny fahitan’ny Ray any an-danitra anao—dia toy ny zanany vavy na zanany lahy sarobidy izay manana fahafahana hivoatra ho tahakan’Andriamanitra.

Mifalia ao amin’ny Filazantsara Madio

Ry rahalahy sy anabavy, aoka isika ho hendry. Handeha isika hitodika any amin’ny ranon’ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Handeha isika handray anjara am-pifaliana amin’ireo, ao anatin’ny fahatsorany sy ny fahafenoany. Misokatra indray ny lanitra. Ento an-tany indray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary ny fahamarinany tsotra dia loharanom-pifaliana feno!

Ry rahalahy sy anabavy, tena manana antony lehibe hifaliana isika. Raha toa ny fiainana sy ny hafainganam-pandehany mirotoroto ary ny fasahiranan-tsaina mahatonga anareo hahita hoe sarotra ny mahatsapa fifaliana, dia mety izao no fotoana tsara hifantohanareo indray amin’izay manan-danja indrindra.

Ny hery dia tsy tonga avy amin’ny hetsika mirotoroto fa avy amin’ny fiorenana tsara amin’ny fototra mafy orin’ny fahamarinana sy ny fahazavana. Tonga izany amin’ny fametrahana ny fifantohana sy ny ezaka ataontsika amin’ireo fitsipika fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tonga izany avy amin’ny fiheverana ireo zavatra araka an’Andriamanitra izay manan-danja indrindra.

Handeha isika hanatsotra kely kokoa ny fiainantsika. Handeha isika hitondra ireo fanovana ilaina mba hampifantoka indray ny fiainantsika amin’ny hatsarana faratampon’ny lalana tsotra sy mietry an’ny mpanara-dia Kristianina—ilay lalana izay mitondra mandrakariva mankany amin’ny fiainana misy dikany sy feno fifaliana ary fiadanana. Ho amin’izany no ivavahako eto am-pametrahana ny tso-dranoko ho aminareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Mahatma Gandhi, ao amin’ny boky nosoratan’i Larry Chang, Wisdom for the Soul (2006), 356.

  2. Dallin H. Oaks, “Good, Better, Best,” Liahona, Nôv. 2007, 107.

  3. Leonard de Vinci, in John Cook, comp., The Book of Positive Quotations, 2nd ed. (1993), 262.

  4. Vince Lombardi, in Donald T. Phillips, Run to Win: Vince Lombardi on Coaching and Leadership (2001), 92.

  5. Lioka 18:22.

  6. Jereo 1 Mpanjaka 19:12.

  7. Môsià 4:27.

  8. 2 Nefia 25:26.

  9. 1 Korintiana 12:31; Etera 12:11.

  10. Jaona 14:6.

  11. Salamo 46:10.

  12. J. E. McCulloch, Home: The Savior of Civilization (1924), 42; jereo ihany koa Conference Report, Apr. 1935, 116.

Hamoaka printy