Fialana amin’ireo Fandriky ny Ota
Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, mitoera ho matanjaka ary manaova ireo safidy tsara izay hamela anao hihinana ny voan’ny hazon’ny fiainana.
Indray marainan’ny masoandro mibaliaka dia nanasa ny zafikeliko vavy izay efa ho valo taona aho mba handehandeha akaikin’ny farihy, izay farihy mamatsy rano fisotro ho an’ny tanananay izay mahafinaritra tokoa.
Nandehandeha tamim-pifaliana tokoa izahay, nihaino ny fikoriana malefaky ny riaka madio sy mamirapiratra tamin’ny lalana nolalovanay. Tomorin’ny hazo maintso mahafinaritra sy ireo voninkazo manitra izany lalana izany. Afaka nandre ireo voronkely nihira izahay.
Nanontaniako ilay zafikeliko vavy izay manga maso, feno hafaliana ary tsy manan-tsiny mikasika ny fiomanany amin’ny batisa.
Novalian’ny tamin’ny fanontaniana izany, nanao hoe: “Dadabe a! Inona moa no atao hoe ota?”
Nivavaka nangina aho mba handray fitariham-panahy ary niezaka namaly tamin’ny fomba tsotra indrindra vitako: “Ny ota dia tsy fankatoavana an-tsitrapo ny didin’Andriamanitra. Mahatonga ny Ray any an-danitra ho malahelo izany ary ny vokany dia fijaliana sy alahelo.”
Tonga saina izy ka nanontany indray hoe: “Ahoana no mahatonga antsika hanao izany?”
Miendrika tsy fananan-tsiny ilay fanontaniana tamin’ny voalohany kanefa ao ambadik’izany koa maneho ahiahy amin’ny fomba hialana ka tsy hahatafalatsaka amin’ny ota.
Mba hahafahany hahatakatra mazava kokoa dia nampiasa ireo singa ara-boajanahary nisy nanodidina anay aho mba hamaritana izany. Teo am-panohizana ny dianay izahay dia nahita vongambato lehibe tetsy amin’ny sisin’ny fefy vỳ. Vongambato lehibe izany izay ahitana voninkazo, bozaka ary hazokely vitsivitsy maniry manodidina azy. Any aoriana any dia ho lehibe kokoa noho ilay vongambato ireo zava-maniry ireo.
Tsaroako fa raha mandroso ao alohaloha ao izahay dia hahita vongambato iray hafa izay efa tena voatototr’ireo zava-maniry naniry nanodidina azy tanteraka, tsikelikely, tsy hitahita akory. Azoko an-tsaina eto fa tsy nieritreritra izany mihitsy ilay vongambato, kanefa na dia eo aza ny tanjany dia afaka ny ho tototra sy ho ravan’ny zava-maniry malemy izany. Mety nieritreritra ilay vongambato hoe: “Tsy hitako izay olana. Sady matanjaka aho no lehibe ary ireto zava-maniry ireto dia tsy afaka ny haninona ahy.”
Ka rehefa nihalehibe ireo hazo teo akaikiny dia tsy tsikaritr’ilay vongambato izany tamin’ny voalohany, avy eo dia tiany koa ilay alokaloka azo avy tamin’ilay hazo. Kanefa mbola nihalehibe hatrany ilay hazo ary nanomboka nofehezin’ny sampan-kazo roa ilay vongambato, izay amin’ny voalohany, toa sampan-kazo mora tapaka kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia namatopatotra sy niodidina ilay vongambato izany.
Kanefa mbola tsy tonga saina amin’ny zava-mitranga hatrany ilay vongambato.
Tsy ela akory teo am-pandehanana izahay dia nahita ilay vongambato resahanay. Niendaka tamin’ny tany izany. Sanganehana ilay zafikeliko vavy nahita izany ary nanontany hoe: “Dadabe a! io ve izany hazon’ny ota izany?”
Nazavaiko taminy fa sariohatra entina hanehoana ny fomba mahatafalatsaka antsika amin’ny ota fotsiny izany.
Tsy dia fantatro ny mety ho fiantraikan’ny resaka nataoko taminy, fa nahatonga ahy hahazo sary an-tsaina ireo endrika maro hisehoan’ny ota izany sy ireo fomba hidirany eo amin’ny fiainantsika rehefa mamela azy hiditra ao isika.
Tokony ho tsapantsika hatrany fa ireo safidy kely madinidinika, toy ny fatoriana aloha sy fifohazana maraina dia misy fiantraikany lehibe. Mampianatra antsika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124 hoe: “Mifohaza aloha, mba hahatonga ny vatanareo sy ny sainareo ho mavitrika.” Ireo izay matory aloha dia afa-tsasatra rehefa mifoha, ary manana vatana sy saina mavitrika sy nandray fitahiana avy tamin’ny Tompo noho ny fankatoavana.
Ireo zavatra izay miendrika tsy manan-danja toy ny fatoriana tara loatra, tsy fanaovana vavaka isan’andro, tsy fanaovana fifadian-kanina na fandikana ny Sabata—hadisoana madinika kely toa izany—dia hahatonga antsika tsy hahita ny voka-dratsin’ny ota, ary manome vahana izany hitondra vokatra ratsiratsy kokoa.
Tamin’ny fahatanorako dia amin’ny 10 ora alina no fotoana farany tsy maintsy hidirana ny trano. Ankehitriny, amin’izany ora izany no fivoahana hiala voly. Kanefa fantatsika fa amin’ny alina no tena hisehoan’ireo zava-dratsy sasantsasany. Mandritra ny haizina no handehanan’ireo tanora amin’ny toerana tsy tokony halehany, izay misy mozika sy tonon-kira manakana azy ireo tsy hanana ny fiarahan’ny Fanahy Masina. Avy eo, eo amin’izany toe-javatra izany dia lasa haza mora voafandriky ny ota izy ireo.
Matetika lasa haza ho an’ny ota isika rehefa misafidy namana izay tsy miaina ny fitsipika mifanaraka amin’ny filazantsara, ary mba hahatonga ilay tanora ho malaza na ho tafiditra ho naman’ny hafa dia mametraka marimaritra iraisana amin’ireo fitsipika sy lalàn’ny filazantsara izy ireo, ary mandeha amin’ny lalana izay mitondra afa-tsy fanaintainana sy alahelo ho an’izy ireo sy ho an’ireo olon-tiany.
Tokony ho malina isika ka tsy hamela ny ota haniry manodidina antsika. Hita eny rehetra eny ny endriky ny ota—ohatra fotsiny amin’izany ny solosaina na ny finday mihitsy aza. Mahasoa sy afaka mitondra tombontsoa ho antsika ireo teknôlojia ireo. Kanefa rehefa ampiasaina tsy araky ny tokony ho izy izany—toy ny fandaniam-potoana amin’ny kilalao na amin’ny zavatra ratsy toy ny pôrnôgrafia—dia manimba. Manimba ny toetra tsara ny pôrnôgrafia ary mahatonga ny mpampiasa azy ho tafalatsaka ao anatin’izany, izay sarotra ho an’izay tratran’izany ny ho tafavoaka ao raha tsy amin’ny alalan’ny fanampiana maro.
Lozabe mahatsiravina miteraka fanaintainana sy fahoriana, ho an’ireo mpampiasa azy sy ho an’ireo zanany, vadiny, rainy, reniny ary ireo olon-tiany tsy manan-tsiny hafa izany. Ny vokatry ny fahafinaretana ara-nofo dia ngidy sy alahelo. Ny vokatry ny fankatoavana sy ny fahafoizana kosa dia hamamiana sy fifaliana mandrakizay.
Tokony apetraka mialoha ny fitsipika tokony arahina, fa tsy rehefa mitranga ny fakam-panahy vao hanao izany. Tokony ho toy izao ny fitsipika arahintsika:
-
Hanao izany aho satria izany no marina, sy avy amin’ny Tompo izany ary hitondra fifaliana ho ahy.
-
Tsy hanao izany aho satria hanalavitra ahy amin’ny fahamarinana izany, sy amin’ny Tompo ary amin’ny fifaliana mandrakizay izay nampanantenainy ho an’ireo mahatoky sy mpankatò.
Nanolotra Mpamonjy an’izao tontolo izao, hanonitra ny otan’ireo rehetra izay mibebaka, sy manatona Azy amin’ny fanampiana, fampiononana sy famelan-keloka ary manaiky ny hitondra ny Anarany—dia i Jesoa Kristy—ny Ray tamin’ny alalan’ny drafitry ny fitiavany mahafinaritra satria fantatry ny Ray isika fa hanao safidy diso.
Raha toa ka manota isika dia tokony hitodika hitady fanampiana haingana satria raha isika irery dia tsy ho afaka amin’ny fandriky ny ota, tahaka ny nahazo ilay vongambato tsy afaka nanavotra ny tenany irery vao avy noresahina teo. Tokony misy olona manampy hialana amin’izany zavatra mamatopatotra mahafaty izany.
Afaka manampy ny ray aman-dreny ary ny eveka koa dia voantson’Andriamanitra hanampy antsika. Tokony hizara ny tsiambaratelontsika aminy isika.
Manazava ny Fotopampianarana sy Fanekempihavavana 58:42–43 hoe:
“Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.
“Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany.”
Volana vitsivitsy taorian’ilay fitsangatsanganana nataonay teo akaikin’ilay farihy dia nanao tafa sy dinika tamin’ny eveka—tsy iza fa ny rainy—mikasika ny batisany ilay zafikeliko vavy. Taorian’ny tafa sy dinika nataony dia nanontany azy aho hoe nanao ahoana izy tao. Namaly ahy izy ary saika tezitra tamiko mihitsy hoe: “Dadabe a! Tsiambaratelo anie izany tafa sy dinika izany e! Fantatrao tsara izany.”
Ry eveka, manantena aho fa horaisinareo amim-pitandremana tsara izany valinteniny izany. Toa tsapako fa nitombo tamin’ny fahatakarana haingana tokoa ny zafikeliko vavy tao anatin’ny fotoana fohy.
Tahaka ilay hazo izay nofaritako teo izay nitondra alahelo, fanaintainana, fahoriana ary fandrika dia misy hazo hafa izay afaka ny hitondra ny zavatra mifanohitra amin’ireo koa ity. Izany dia voalaza ao amin’ny 1 Nefia 8:10–12:
“Ary ny zava-nitranga, dia nahatazana hazo iray aho, izay mampilendalenda ny voany ka mahasambatra ny olona.
“Ary ny zava-nitranga, dia nanatona aho ka nihinana tamin’ ny voany; ary nahita aho fa tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra efa nandramako hatramin’ izay. Eny, ary nahita aho fa fotsy ny voany, manoatra noho ny hafotsiana rehetra izay efa hitako hatramin’ izay.
“Ary raha nihinana tamin’ ny voany aho, dia nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko.”
Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, mitoera ho matanjaka ary manaova ireo safidy tsara izay hamela anao hihinana ny voan’ny hazon’ny fiainana. Raha toa ka nivily na niala tamin’ny làlana ianao, noho ny antony maro, dia manolotra ny tananay izahay ary miteny hoe: “Avia! Misy ny fanantenana. Tianay ianao ary tianay ny hanampy anao mba hahazo fifaliana.”
Tia antsika tokoa ny Ray any an-danitra ka nanolotra ny Zananilahitokana, Jesoa Kristy.
Tia antsika tokoa i Jesoa Kristy ka nanolotra ny Ainy ho sorompanavotana ho an’ny otantsika!
Inona no zavatra ho afointsika mba ho madio sy handray fifaliana?
Izany no fijoroana ho vavolombelona zaraiko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.