2010
Fanadiovana ny Atin’ny Vazy
Nôvambra 2010


Fanadiovana ny Atin’ny Vazy

Tsy misy maneho ny fahalehibeazana sy ny hatsaran’ny famindrampon’Andriamanitra mihoatra noho ny amin’ny fibebahana.

President Boyd K. Packer

Ity fihaonamben’ny Fiangonana manerantany ity dia tanterahina amin’ny vanim-potoana izay maha maro ny fikorontanan-tsaina sy ny loza, hany ka manontany tena ireo tanorantsika ny amin’ny làlana izay tokony hizorany. Rehefa nampitandremana tamin’ny alalan’ireo fanambarana ireo mpaminany sy apôstôly fa izany no hitranga, dia naseho azy ireo foana izay tokony hatao.

Ny Tompo dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith “mba hahazoan’ny olona tsirairay kosa miteny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.”1 Rehefa naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidy dia nanome ny fahefan’ny fisoronana izy ireo, mba hitoetra amin’ny tokantrano tsirairay, eo amin’ireo raibe sy ireo ray ary ireo zanakalahy.

Dimy ambinifolo taona lasa izay, raha toa ka tao anaty fisafotofotoana izao tontolo izao, dia navoakan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” izay fanambarana fahadimy teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Izy io dia torolalana iray izay tokony hovakian’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy harahiny.

Izany dia manambara amin’ny ampahany hoe: “Izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Roambinifololahin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.”2

“Dia nidina ireo Andriamanitra mba hamorona ny olona tahaka ny endriny, tahaka ny endrik’ireo Andriamanitra no namoronany azy, lahy sy vavy no namoronany azy.

“Ary hoy ireo Andriamanitra: Hitahy azy ireo isika. Ary … isika dia hahatonga azy ireo ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany ka hampanompo azy.”3

Mbola tsy nofoanana mihitsy izany didy izany.

“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”4

Natao ho faly isika satria “misy ny olona mba hahazo fifaliana.”5

I Lehia dia nampianatra fa ny olona dia afaka, ary tokony ho “afaka … mihetsika ho azy fa tsy etsehina, afa-tsy amin’ny famaizan’ny lalàna amin’ny andro lehibe sady farany.”6

Ilay fomba fiteny fahiny hoe “Ny Tompo dia mandatsa-bato ho ahy ary i Losifera dia mandatsa-bato hanohitra ahy, saingy ny vato alatsako no manan-danja,” dia mamaritra fahamarinana ara-potopampianarana izay milaza fa ny fahafahantsika misafidy dia mahery lavitra noho ny sitrapon’ny fahavalo. Sarobidy ny fahafahana misafidy. Ao anatin’ny adalana sy ny fahajambana dia afaka manolotra izany isika saingy tsy azo alaina amintsika an-keriny kosa izany.

Misy ihany koa ilay fialan-tsiny efa nampiasaina an-taonany maro dia ny hoe “ny devoly no nampanao ahy izany.” Tsy izany! Afaka mamitaka sy mitarika anao amin’ny làlan-diso izy, saingy tsy manana fahefana hanery anao, na hanery an’iza na iza ho amin’ny fandikan-dalàna na hitazomana anao ao anatin’izany.

Ny fahazoana ny fahefana mamorona aina dia mitondra ny fifaliana lehibe indrindra sy ny fakam-panahy mandoza indrindra. Ny fanomezan’ny fiainana mety maty sy ny fahafahana manome aina ny hafa dia fitahiana avy amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fampiasàna io fahefana io amim-pahamarinana, dia afaka ny hanakaiky ny Raintsika any an-danitra isika sy hiaina ny fahafenoan’ny fifaliana, mihoatra noho ny amin’ny alalan’ny zavatra hafa rehetra. Izany fahefana izany dia tsy ampahany sendra tafiditra ao amin’ny drafitry ny fahasambarana. Io no fanalahidy—io mihitsy no fanalahidy.

Ny fampiasantsika izany fahefana izany araky ny takian’ny lalàna mandrakizay, na ny fandavantsika ny tanjony mandrakizay, dia hisy fiantraikany mandrakizay amin’izay hahatongavantsika amin’ny ho avy. “Tsy fantatrareo va fa Tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?”7

Misy zavatra tena mitondra fahatsapana ho afaka rehefa manapa-kevitra amin’ny safidin’ny tenany manokana ny olona iray ny hankatoa ny Raintsika sy Andriamanitsika ary maneho Aminy izany fahavonona izany amin’ny alalan’ny vavaka.

Rehefa mankatoa isika dia afaka mankafy izany fahefana izany ao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana. Avy amin’ireo loharanon’aina ato amintsika ireo no hipoiran’ny zanatsika, ny ankohonantsika. Ny fitiavana misy eo amin’ny mpivady dia afaka ho tsy miova ary mitondra fahafenoana sy fahafaham-po mandritra ny andro rehetra iainantsika.

Raha lavina amin’ny olona iray ireo fitahiana ireo mandritra ny fiainana mety maty, ny fampanantenana dia ny hoe, omen’azy ireo izany amin’ny tontolo ho avy.

Ny fitiavana madio dia midika fa aorian’ny fianianana ny hijanona ho mahatoky mandrakizay, sy ny raharaha ara-panjakana sy araka ny lalàna, ary, raha ny tsara indrindra, aorian’ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly, izay vao ho vahana ireo fahefana manome aina ireo ho an’ny fanehoana feno ny fitiavana. Izany dia natao hifampizarana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ihany, eo amin’ny mpivady ihany, miaraka amin’ilay iray izay ho namanao mandrakizay. Raha mikasika izany dia tena mazava ny filazantsara.

Malalaka isika ny tsy hiraharaha ireo didy, saingy rehefa miteny amin’ny alalan’ny teny hentitra toy ny hoe “aza” ny fanambarana dia tsara kokoa amintsika ny mihaino.

Ny fahavalo dia mialona ireo rehetra izay manana fahefana manome aina. I Satana dia tsy afaka manome aina; tsy mahavita izany izy. “Katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”8 Mikatsaka ny hanimba ny fampiasàna amim-pahamarinana ireo fahefana manome aina ireo izy amin’ny alalan’ny fakàna fanahy anao ho amin’ny fifandraisana tsy madio.

Ny Tompo dia nampiasa ilay fomba fiteny hoe “dia tahaka” mba hamoronana sary izay mety ho takatry ny mpanara-dia azy, toy ny hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray.”9

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha.”10

Amin’izao androntsika izao, ny hery misarika mahatsiravin’ny pôrnôgrafia dia tahaka ny valan’aretina izay manenika izao tontolo izao, mamindra amin’ny iray etsy ary amin’ny hafa eroa, miezaka tsy ankiato ny hiditra ny isan-tokantrano, ary ny tena matetika indrindra dia amin’ny alalan’ny vady sy ny raim-pianakaviana. Ny vokatr’io aretina io dia mety hitondra, ary mampalahelo fa matetika tena mitondra, fahafatesana ara-panahy. I Losifera dia mikatsaka ny hanakana “ny drafitra lehiben’ny famonjena,”11 “ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.”12

Ny pôrnôgrafia dia hanakana, ary hanakana hatrany ny Fanahin’i Kristy ary hampitsahatra ny fifandraisana eo amin’ny Raintsika any an-danitra sy ireo zanany ary hanelingelina ilay fifandraisana tsara eo amin’ny mpivady.

Ny fisoronana dia mihazona ny fahefana lehibe indrindra. Izany dia afaka miaro anao amin’ny valan’aretin’ny pôrnôgrafia—ary tena valan’aretina izany—raha toa ianao lavon’ny hery misarika izay ananany. Raha mankatoa ny olona iray, dia ny fisoronana no afaka maneho aminy ny fomba hampitsaharana fahazaran-dratsy iray ary hanaisorana fiankinan-doha iray mihitsy aza. Ireo mpihazona ny fisoronana dia manana izany fahefana izany ary tokony hampiasa izany mba hiadiana amin’ny hery misarika amin’ny ratsy.

Manandratra feo fanairana sy fampitandremana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izahay mba hifoha sy hahatakatra ny zavatra mitranga. Ry ray aman-dreny, aoka ianareo ho mailo, hiambina mandrakariva ndrao izany faharatsiana izany hananotanona ny faribolan’ny ankohonanao.

Ampianarintsika ny fenitry ny fahadiovam-pitondrantena, izay hiaro antsika amin’ireo solontsolon’ny fanambadiana na ireo endrika sandoky ny fanambadiana ataon’i Satana. Tokony ho takatsika fa ny fandresen-dahatra rehetra ny hiditra amin’ny fifandraisana izay tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny filazantsara dia tsy maintsy diso. Avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no hianarantsika fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”13

Ny sasany dia mihevitra fa efa natao ho tahak’ izany izy ireo ary tsy afaka mandresy izay tsapany ho fakam-panahy hatrany am-bohoka ho amin’ny tsy madio sy ny tsy ara-boajanahary. Tsia! Tsarovy fa Raintsika any an-danitra Andriamanitra.

I Paoly dia nampanantena fa “Andriamanitra … tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalàna hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.”14 Vitanao, raha tianao, ny miala amin’ny fahazaran-dratsy sy mandresy ny fiankinan-doha iray ary manalavitra izay tsy mendrika na ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana iza na mpikamban’ny Fiangonana iza. Tahaka ny fampitandreman’i Almà, isika dia tokony “hiamb[ina] sy hivava[ka] lalandava.”15

Nampitandrina i Isaia hoe “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!”16

Taona maro lasa izay dia namangy sekoly iray tany Albuquerque aho. Nitantara tamiko mikasika ankizy kely iray izay nitondra saka kely tany am-pianarana ilay mpampianatra. Azonareo an-tsaina fa dia nampitsahatra ny zava-drehetra izany. Nasainy notrotroina teo imason’ny ankizy ilay saka kely.

Nizotra tsara ny zava-drehetra mandra-panontanian’ny iray tamin’ireo ankizy hoe: “saka kely lahy iny sa saka kely vavy?”

Tsy te hiditra tamin’izany lesona izany ilay mpampianatra ka dia nilaza hoe “Tsy mampaninona izany. Saka kely fotsiny io dia izay.”

Saingy mbola nidohika ihany izy ireo. Farany dia nisy ankizy iray niteny hoe: “Fantatro ny fomba hahalalàna izany.”

Nilefitra ilay mpampianatra ary niatrika izany ka nilaza hoe: “Ahoana no hahalalanao izany?”

Ary dia namaly ilay mpianatra hoe: “Afaka manao latsa-bato isika!”

Mety hihomehy ianao amin’izany tantara izany, fa raha tsy mailo isika, ankehitriny dia misy ireo izay tsy hoe manaiky fotsiny fa mampiasa mihitsy ny latsa-bato mba hanovana ireo lalàna izay hanamarina ny tsy fahadiovam-pitondrantena, toy ireny hoe afaka manova ny tanjon’ireo lalàna sy toetr’Andriamanitra ny latsa-bato iray. Ny lalàna iray izay manohitra ny voajanahary dia tsy azo terena ho ampiharina. Ohatra, inona no soa entin’ny latsa-bato ho fanafoanana ny lalànan’ny hery fisintonan’ny tany?

Sady misy ireo lalàna ara-môraly no misy ireo izay ara-nofo “navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ny fanorenana izao tontolo izao”.17 Ny tantara dia maneho ombieny ombieny fa ny fenitra ara-môraly dia tsy azo ovaina amin’ny alalan’ny tolona ary tsy azo ovaina amin’ny alalan’ny latsa-bato. Ny fanaovana izay hahatonga ny diso na ny ratsy ho ara-dalàna dia tsy afaka miaro amin’ny fahoriana sy ny sazy izay tsy maintsy manaraka izany toy ny alina izay tsy maintsy mandimby ny andro.

Na dia eo aza ny fifanoherana dia vonona ny hijanona eo amin’ny làlana isika. Hifikitra amin’ireo fitsipika sy lalàna ary ôrdônansin’ny filazantsara isika. Rehefa tsy takatra izy ireo, na tsy nahy na an-tsitrapo, dia tsy maninona. Tsy afaka miova isika ary tsy hanova ny fenitry ny fahadiovam-pitondratena isika. Mora diso lalana isika rehefa tsy mankatoa ny lalàn’Andriamanitra. Raha tsy miaro sy manamafy orina ny ankohonantsika isika dia tsy maintsy ho faty ny sivilizasiona sy ny fahafahantsika.

“Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko dia tsy manana fampanantenana ianareo.”18

Ny fanahy tsirairay izay voageja ao anatin’ny fonjan’ny fahotana na ny fahatsapana ho meloka, na ny fiharatsiana dia manana fanalahidy iray hamohana ny vavahady. Ny anaran’ilay fanalahidy dia ny “fibebahana”. Raha hainao ny mampiasa izany fanalahidy izany, dia tsy afaka mihazona anao ny fahavalo. Ireo fitsipika kamban’ny fibebahana sy ny famelan-keloka dia mihoatra, raha amin’ny lafin’ny hery, noho ny fahefana lehiben’ilay mpaka fanahy. Raha voafatotry ny fahazaran-dratsy na ny fiankinan-doha izay tsy mendrika ianao dia tsy maintsy mampitsahatra ny fitondrantena izay manimba ianao. Ny anjely no hanoro anao19 ny zavatra rehetra izay tokony ho ataonao ary ny mpitarika ao amin’ny fisoronana no hitarika anao mandritra ireo fotoan-tsarotra ireo.

Tsy misy maneho ny fahalehibezana sy ny hatsaran’ny famindrampon’Andriamanitra mihoatra noho ny amin’ny fibebahana. Moa ve takatrao ny hery manadio lehibe indrindran’ny Sorompanavotana izay nataon’ny Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Mpanavotra antsika? Hoy Izy “Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka.”20 Amin’izany asam-pitiavana lehibe indrindra izany, dia naloan’ny Mpamonjy ny saran’ny sazy ho an’ny fahotantsika mba tsy hahatonga antsika ho tsy maintsy handoa izany.

Ho an’ireo izay tena maniry izany, dia misy ny làlana miverina. Ny fibebahana dia toy ny savony. Na dia ny loton’ny ota aza dia ho voafafany.

Ny mpihazona fisoronana dia mitondra eny amin’izy ireo ny fanefitra entina mamafa ireo sary mahatsiravin’ny pôrnôgrafia ary manasa ny fahatsapana ho meloka. Ny fisoronana dia manana ny fahefana hamaha ny hery misariky ny fahazaran-dratsy, eny, manala ny fatoran’ny fiankinan-doha, na dia mafy toy inona aza ilay fatotra. Afaka manasitrana ireo ratran’ny fahadisoana lasa izy.

Amin’ireo fanambarana rehetra dia tsy mahalala teny tsara sy mankahery kokoa noho izao aho: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”21

Indraindray, na dia aorian’ny fibaboana sy ny fandoavana ny saran’ny sazy aza, ny ampahany sarotra indrindra dia ny mamela ny tena. Tokony ho fantatrao fa ny famelan-keloka dia midika hoe famelan-keloka.

“Isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany tamiko.”22

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nitantara tamiko ny momba ny vehivavy nibebaka iray izay nitolona mba hahita ny làlana mivoaka avy amin’ny fiainany tena tsy mendrika. Nanontanian’ilay vehivavy azy izay tokony ataony.

Ho valin’izany dia nangataka azy ny Filoha mba hamaky aminy, avy ao amin’ny Testamenta Taloha, ny tantaran’i Lota sy ny vadin’i Lota izay tonga vongan-tsira mitsangana.23 Ary dia nanontany azy ny Filoha hoe, “Inona ny lesona entin’ireo andinin-tsoratra masina ireo aminao?”

Namaly ilay vehivavy hoe: “Ny Tompo dia hamotika ireo izay ratsy fanahy.”

Tsy izany! Hoy ny Filoha Smith hoe ny lesona ho an’ity vehivavy nibebaka ity sy ho anao dia hoe “Aza mierika any aoriana!”24

Mahavariana fa ny mety ho fiarovana tsotra sy mahery vaika indrindra ary fanasitranana amin’ny pôrnôgrafia, na rehefa mety fihetsika tsy madio, dia ny tsy firaharahiana sy ny fialàna aminy. Fafao eo an-tsaina izay mety ho eritreritra tsy mendrika izay mitady hiorim-paka. Raha vantany vao manapa-kevitra ny hitoetra madio ianao dia manome vahana ny fahafahana misafidy nomen’Andriamanitra. Ary avy eo, toy ny torohevitry ny Filoha Smith dia: “Aza mierika any aoriana.”

Mampanantena aho fa miandry eo anoloanao ny fiadanana sy ny fahasambarana ho anao sy ny ankohonanao. Ny tanjona lehibe indrindran’ireo zavatra rehetra atao ato amin’ny Fiangonana dia ny hahatonga ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ary ny zanak’izy ireo ho sambatra ao an-tokantrano. Ary dia miantso ny fitahian’ny Tompo aho ho eo aminareo izay mitolona amin’io valan’aretina mankadiry io mba hahita ilay fanasitranana izay atolotra antsika ao amin’ny fisoronan’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany hery izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.