2010
[M]anatona Ahy amin’ ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana [Anao]
Nôvambra 2010


“[M]anatona Ahy amin’ ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana [Anao]”

Ny Mpamonjy antsika no Printsin’ny Fiadanana, ilay Mpanasitrana lehibe, ilay hany Iray afaka ny hanadio tanteraka antsika amin’ny kaikitry ny ota.

Elder Patrick Kearon

Tiako ny hizara hafatra mitondra fampiononana sy fanasitranana amin’izao hariva izao ho anareo izay mahatsapa ho irery sy nohadinoana, very hevitra sy tsy mahatsapa fiadanam-po, na mahatsapa fa efa tsy misy andrandraina intsony eo amin’ny fiainany. Eo an-tongotry ny Mpamonjy no hahazoana ny fanasitranana sy fiadanana feno.

Tamin’izaho nipetraka tany amin’ny Saikanosin’i Arabia fony aho zazalahikely 7 taona, dia tsy sasatra ny ray aman-dreniko ny miteny ahy mba hanao kiraro hatrany hatrany, ary fantatro tsara ny antony. Fantatro fa ny fanaovana kiraro dia hiaro ahy amin’ireo loza maro misy any an-tany efitra, toy ny bibilava, maingoka, ary tsilo. Indray maraina taorian’ny lasy natao ny alina tany an’efitra, dia te-handehandeha hizaha ny manodidina aho, kanefa tsy te-hisahirana hanao ny kiraro. Nataoko masaka tato an-tsaiko fa handehandeha kely fotsiny aho ary tsy dia handeha hanalavitra ny toby misy anay. Ka dia kapa no nanaovako fa tsy kiraro. Hoy aho hoe karazana kiraro—ihany koa anie ny kapa e! Ary inona koa moa ny zavatra mety hitranga eo?

Teo am-pandehanana—tamin’ny kapakapa izay nanaovako—teo ambonin’ny fasika mangatsiatsiaka aho dia nahatsapa zavatra nanindrona toy ireny tsilo ireny teo amin’ny vodi-tongotro. Niondrika aho nijery ambany ary tsy tsilo no hitako fa maingoka. Teo am-piraiketana tao an-tsaiko ny endrikendrik’ilay maingoka aho vao tonga saina tamin’ny zava-nitranga, ary efa nanomboka niakatra avy any amin’ny tongotro hatrany amin’ny feko ny fanaintainana vokatr’ilay kaikitra. Nopotseriko mafy teo am-poto-peko mba hanajanonana ny fanaintainana mavaivay mba tsy hitombo, ary nihiakiaka niantso vonjy aho. Nihazakazaka avy any amin’ny toerana nisy anay ny ray aman-dreniko.

Raha teo am-pikapohana ilay maingoka tamin’ny angady fandraofana ny raiko dia nisy olon-dehibe iray izay be herimpo niaraka nanao lasy taminay nitroka ny poizina hiala ny tongotro. Tamin’izay fotoana izay aho dia nieritreritra fa ho faty. Nitomany aho rehefa nobatain’ny ray aman-dreniko tao anaty fiara ary namakivaky ny tany efitra farak’izay haingana mba hamonjy ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra izay adiny roa miala eo. Nahatsapa fanaintainana mafy tamin’ny feko aho ary nieritreritra foana aho nandritra izany andro izany fa ho faty.

Rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly izahay ny farany dia afaka nilaza taminay ilay dokotera fa ny zaza madinika sy ireo tsy dia ampy sakafo loatra ihany no tena atahorana raha toa ka voakaikitr’ilay karazana maingoka. Nasiany fanafody fanatoranana izay nanangoly ny feko ary nanala ilay fahatsapana fanaintainana. Tao anatin’ny 24 ora dia tsy nisy fiantraikany intsony teo amiko ilay kaikitry ny maingoka. Kanefa nianatra lesona manan-danja aho.

Takatro fa rehefa niteny ahy mba hanao kiraro ny ray aman-dreniko dia tsy nilaza izy ireo hoe kapakapa izany. Efa lehibe ihany aho ary nahatakatra fa ny kapa dia tsy hanome fiarovana mitovy amin’ny omen’ny kiraro. Kanefa tamin’izany maraina tany an-tany efitra izany dia tsy norahirahiako ny zavatra fantatro fa mety. Tsy norahirahiako ny zavatra naverimberin’ireo ray aman-dreniko tamiko. Sady kamo aho no nikomy kely ary dia nitaty ny vokatr’izany.

Eto am-piresahana aminareo aho ry zatovolahy mahery fo, sy ny rainareo, ny mpampianatra anareo, ny mpitarika sy ireo namana dia tiako ny haneho fankasitrahana ho an’ireo izay miezaka amin’ny zotompo hahatonga anareo ho tahaka izay tian’ny Tompo hahatongavanareo. Kanefa te-hijoro ho vavolombelona aho fa tamin’ny naha-zazalahikely ahy sy amin’ny maha-lehilahy lehibe ahy dia mitondra vokatra ratsy manimba ny ara-panahy sy tsy iriana ny tsy firahirahiana ny zavatra fantatsika fa mety. Marina fa tsy naningotra ny aiko loatra ilay maingoka tamin’ny farany, kanefa nahatonga fanaintainana mahatsiravina izany ary niteraka ahiahy goavana teo amiko sy ny ray aman-dreniko. Tokony tsy ho kamo na hikomy isika rehefa mahakasika ny fiainantsika ny filazantsara.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika, ary amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika, dia fantatsika ireo didy sy ireo fitsipika nanaovantsika fanekempihavanana fa ho tandremantsika. Rehefa misafidy lalana hafa amin’izay fantatsika ho tokony ho izy isika, araky ny nampianarin’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika antsika, ary araky ny fanamafisana voaray ao am-pontsika avy amin’ny Fanahy Masina, dia tahaka ny mandeha any an-tany efitra amin’ny kapakapa isika fa tsy manao kiraro. Manamarin-tena amin’ny hakamoana sy ny fikoamiantsika isika avy eo. Manamasaka ao an-tsaintsika isika fa tsy dia manao zavatra ratsy loatra, sy hoe tsy dia maninona loatra izany, sy hoe tsy hisy voka-dratsy hitranga amin’ny fialàna kely amin’ny anjamby. Angamba mampionon-tena isika amin’ny fieritreretana fa ny hafa rehetra dia manao toy izany—na manao zavatra ratsiratsy kokoa noho izany—ary tsy hisy voka-dratsiny hitranga amintsika rahateo. Mandresy lahatra ny tenantsika isika amin’ny endrika iray fa afaka tsy manara-dalàna nefa afaka manonitra ny vokatry ny fandikàna izany. Indraindray isika mandà an-kitsirano ny ho “mpankatò tanteraka”1—arak’izay voalaza ao amin’ny Torio ny Filazantsarako—ary dia tsy manolotra ny fontsika rehetra ho an’ny Tompo. Ka voakaikitra isika avy eo.

Mampianatra antsika ny soratra masina fa “mitaky ny fo ny Tompo,”2 ary nodidiana isika mba hitia ny Tompo sy hanompo Azy “amin’ ny fo[ntsika] rehetra.”3 Ny fampanantenana dia ny “hahazoa[ntsika] mijoro tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra amin’ ny andro farany” ary hiverina eo Anatrehany.4

Nametraka ny fiadiany sy nandevina izany tany ambanin’ny tany lalina ny Antia-Nefia-Lehia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary nanao fanekempihavanana fa tsy handray fiadiana hiady amin’ny rahalahiny. Kanefa mbola nanao zavatra mihoatra izany izy ireo. “Fa tonga vahoaka marina izy” satria “napetrany ny fiadian’ ny fikomiany ka tsy niady intsony tamin’ Andriamanitra izy.”5 Ny fiovampony dia tanteraka ary tafalatsaka lalina ka “tsy nihemotra na oviana na oviana” intsony izy ireo.6

Kanefa tadidio fa talohan’ny fiovampon’izy ireo, ny toetran’izy ireo dia: niaina tamin’ny iantsoan’ny soratra masina azy hoe: “miroso amin’ ny fikomiana an-kitsirano amin’ Andriamanitra.”7 Ny fikomian’ny fony dia nahatonga azy ireo hiaina “ao amin’ ny toetra mifanohitra amin’ ny toetry ny fahasambarana” satria “efa nandeha nanohitra ny toetran’ Andriamanitra” izy ireo.8

Rehefa nametraka ny fitaovam-piadian’ny fikomiany izy ireo, dia voaisa ho isan’ny handray ny fanasitranana sy ny fiadanan’ny Tompo, ary afaka manao izany koa isika. Nampanantena ny Tompo fa “raha tsy manamafy ny fony izy ireo ary tsy manenjana ny hatony Amiko dia hovana fo ary hositraniko [izy].9 Izaho sy ianao dia afaka ny hanaiky ilay fanasana hoe “[m]iverina sy [m]ibebaha ary [m]anatona Ahy amin’ ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana [anao].”10

Alaivo sary an-tsaina ny hitranga rehefa ny mifanohitra amin’izany fanasitranana mahagaga izany no mitranga “rehefa miezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, na ny hampanarana ny fiavonavonantsika [na] ny hambom-pontsika poaka aty, … Misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ ny Tompo” ary tavela ho irery isika “hanipaka ireo fanindronana; … ary hiady amin’ Andriamanitra.”11

Ry rahalahy, amin’ny alalan’ny fanatonantsika ny tongotry ny Mpanasitrana Lehibe, dia ny Mpamonjy Jesoa Kristy ihany no hahitantsika fanasitranana sy fanamaivanana amin’ny fanaintainana. Mila mandevina ny fitaovam-piadian’ny fikomiantsika isika (ary fantatsika tsirairay avy hoe inona izy ireo). Mila miala amin’ny ota sy fieboeboana ary avonavona isika. Mila miala amin’ny faniriana hanaraka an’izao tontolo izao isika sy ny mba ho hajaina sy hoderain’izao tontolo izao. Tokony hitsahatra hiady amin’Andriamanitra isika, fa etsy andanin’izany kosa, hanome ny fontsika rehetra ho Azy, ary tsy hanao izany amin’ny ampahany. Afaka ny hanasitrana antsika Izy avy eo. Afaka ny hanadio antsika amin’ireo poizina vokatry ny kaikitry ny ota Izy avy eo.

“Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”12

Nampianatra ny Filoha James E. Faust hoe:

“Rehefa tonga ho isan’ny tanjontsika ny fankatoavana dia tsy ho lasa an-tery ho antsika izany ka raha toa ka sakana manafintohina ho antsika izany teo aloha dia ho sakana manorina indray. …

“… Mitarika amin’ny tena fahafahana marina ny fankatoavana. Arakaraky ny ankatoavantsika ny fahamarinana nambara no ahazoantsika fahafahana.”13

Vao haingana aho no nihaona tamin’ny lehilahy 93 taona iray izay tafiditra tamin’ireny savorovoron’ady maro nandritry ny Ady Lehibe Faharoa ireny. Nierem-pahafatesana vokatry ny ratra telo izy, ny iray tamin’izany dia ny fipoahan’ny baomba miafina any ambanin’ny tany tamin’ny fiara izay nandehanan’izy ireo, izay nahafaty ny miaramila namany telo. Nianatra izy fa mba hahafahana ho hieren-doza amin’ny tany feno baomba ambanin’ny tany dia mila manaraka amin’ny antsipiriany ny lalan’ny fiara mandeha eo anoloanao. Raha misy fiviliana kely miankavanana na miankavia fotsiny dia mety—ary tsy maintsy—hitera-doza goavana izany.

Manondro ny lalana izay tokony ho arahintsika hatrany ny mpaminany sy ny apôstôly, ny mpitarika ary ny ray aman-drenintsika mba hialantsika amin’ny fahapotehan’ny fanahintsika vokatry ny fipoahana. Fantatr’izy ireo ny làlana izay efa voaro amin’ny baomba miafina ambanin’ny tany (na koa tsy misy maingoka), ary tsy mitandro hasasarana izy ireo manasa antsika hanaraka avy ao aoriana. Maro ireo fandrika mpandringana izay misintona antsika hiala amin’ny làlana. Ny fandraisana ny zava-maha-domelina, alikaola, fijerena pôrnôgrafia, na fitondrantena tsy madio amin’ny alalan’ny Internet dia hitarika antsika ho any amin’ny fipoahana. Ny fiviliana miankavanana na miankavia amin’ilay lalana efa voaro, noho ny hakamoana na ny fikomiana, dia hiteraka fahapotehina goavana eo amin’ny fiainantsika ara-panahy. Tsy misy azo tsinotsinoavina izany fitsipika izany.

Raha toa ka niala izany lalana izany isika dia afaka miova, afaka miverina, afaka mahatsapa indray ny fifaliana sy fahatsapana fiadanana anaty. Hahita isika fa ny fiverenana amin’ny làlana izay efa lavitra ireo baomba ambanin’ny tany dia hitondra fanamaivanana tsy misy ohatr’izany.

Tsy misy olona afaka hahita fiadanana eo am-pijoroana amin’ny sahan’ny baomba miafina anaty tany.

Ny Mpamonjy antsika no Printsin’ny Fiadanana, ilay Mpanasitrana lehibe, ilay hany Iray afaka ny hanadio tanteraka antsika amin’ny kaikitry ny ota sy ny poizin’ny fieboeboana, ary hanova ny fontsika feno fikomiana amin’ny fiovampo sy fo mitandro ny fanekempihavanana. Tsy misy fetra sy ho an’ny rehetra ny Sorompanavotany.

Ilay fanasana nomeny ny Nefita, rehefa nanompo teo anivon’izy ireo taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty i Kristy, dia mbola manan-kery ho anao sy ho ahy: “Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko.14

Tsy mbola tapitra akory ny zavatra andrandraintsika eo amin’ny fiainana. Afaka miova ianao, afaka miverina indray ianao, afaka ny miandrandra ny famindrampony ianao. Manatona ilay hany Iray izay afaka ny hanasitrana dia hahita fiadanana ianao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.