Ny Fanahy Masina sy ny Fanambarana
Ny Fanahy Masina dia mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra, ary miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka, dia mahafantatra ny zava-drehetra Izy.
Tamin’izaho tovolahy mpitory ny filazantsara dia teo amin’ny herintaona teo aho no tany amin’ny sahan’ny misiôna tamin’izay ary raha namaky soratra masina sy ny tenin’ny Apôstôlin’ny andro farany momba ny fanambarana sy ny Fanahy Masina aho, dia nisy fahatsapan-javatra nahavariana tato amiko. Tsy nanana fijoroana ho vavolombelona ho ahy manokana aho, indrindra momba ny Ray sy ny Zanaka. Nandeha nitory ny filazantsara aho tao anatin’ny fiankinana tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny ray aman-dreniko izay mahafinaritra. Tsy nisalasala na oviana na oviana momba ny tenin’izy ireo aho, kanefa tsy mba nikatsaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ho an’ny tenako manokana. Indray alin’ny volana Febroary izay tao San Antonio, Texas, tamin’ny taona 1962, dia fantatro fa tokony hikatsaka ny hahafantatra zavatra ho an’ny tenako manokana aho. Nahita toerana iray tao amin’ny efitrano kelinay aho izay nahafahako nivavaka mafy tamim-pilaminana ary nitalaho hoe, “Ray any an-danitra ô, eo ve Ianao? Mila mahafantatra zavatra ho an’ny tenako manokana aho!”
Fotoana kely taty aoriana nandritra izany alina izany, dia lasa nahafantatra manokana vao voalohany teo amin’ny fiainako fa tena misy Andriamanitra sy i Jesoa. Tsy nandre feo na nahita olona avy any an-danitra aho. Nahafantatra tamin’ny alalan’ny fomba nahafahanareo nahafantatra koa aho—izay tamin’ny alalan’ny “Fanomezana tsy hay lazaina ny Fanahy Masina” (F&F 121:26) ary tamin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana (jereoF&F 8:1–2), izay nilaza fiadanana tao an-tsaiko (jereo F&F 6:23) ary fanomezan-toky tao am-poko (jereo Almà 58:11 ).
Tamin’ny alalan’izany zavatra niainako izany, dia tena tsapako fa marina ilay torohevitr’i Almà mba “hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ ny sai [ko] ho fanandramana ny teni[ny]” (Almà 32:27). Ireo teny na voa ireo dia naniry ka tonga hazo, ary tena lasa hazo goavan’ny fijoroana ho vavolombelona mihitsy. Izany fivoarana izany dia mbola mitohy amin’ny fiainana zavatra bebe kokoa mifandraika amin’ilay teny ary mamokatra hazon’ny fijoroana ho vavolombelona fanampiny, izay efa lasa ala be ankehitriny izay mifototra amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Ny Fanahy Masina dia Fanomezana Irina
Rehefa nitsidika tany Amerika ny Mpamonjy dia niantso Mpianatra Roambinifolo Izy. Ny iray tamin’ireo hafany ho azy ireo sy ny vahoaka dia momba ny Fanahy Masina. Taorian’ny nampianarany azy ireo, dia nandeha ny Mpamonjy ary nampanantena fa hiverina ny ampitson’iny. Niasa mafy nandritra ny alina ny vahoaka mba hanangonana olona ho faran’izay betsaka hihaino Azy.
Nangonin’ireo mpianatra ny vahoaka ary nozarainy ho vondrona roa ambin’ny folo mba hampianaran’izy ireo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy azy ireo. Ny lohalaharana tamin’ny fampianaran’izy ireo dia ny maha-zava-dehibe ny Fanahy Masina. (Jereo ny 3 Nefia 11–18.) Avy eo dia nandohalika ny vahoaka ary nivavaka. Ny faniriana lalin’ny fony dia ny hahazo ny Fanahy Masina (Jereo ny 3 Nefia 19:8–9).
Niseho tamin’izy ireo ny Mpamonjy ary nanamafy ny maha-zava-dehibe ny Fanahy Masina raha nivavaka tamin’ny Ray Izy hoe:
“Ray ô, misaotra Anao Aho fa efa nomenao ireto izay efa nofinidiko ireto ny Fanahy Masina; …
“Ray ô, mangataka Anao Aho mba hanomezanao ny Fanahy Masina ho an’ ireo rehetra izay hino ny teniny” (3 Nefia 19:20–21).
Rehefa mifototra amin’izany zava-nitranga tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany dia takatro tsara kokoa izao ny antony nitenenan’ny Filoha Wilford Woodruff hoe “ny fanomezan’ny Fanahy Masina no fanomezana lehibe indrindra nomena ny olombelona. …
… tsy natokana ho an’ny lehilahy na ny apôstôly na ny mpaminany ihany izany, fa ho an’ny lehilahy sy vehivavy mahatoky rehetra, ary ho an’ny ankizy rehetra eo amin’ny taona ahafahany mandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff, p. 49).
Ny Fanambarana dia Manome Valiny amin’ny Fotoana Ilàna Fanampiana
Ny Fanahy Masina dia mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra, ary miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka, dia mahafantatra ny zava-drehetra Izy (jereo F&F 35:19; 42:17). Manana andraikitra manan-danja maro izy ka ny lehibe indrindra amin’izany dia ny mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny 3 Nefia 28:11). Ny andraikiny hafa dia ny fanambarany ny fahamarinan’ny zava-drehetra (Jereo ny Môrônia 10:5) ary ny fitarihany hanao ny tsara (Jereo ny F&F 11:12)
Ny Filoha Monson dia nampiseho ohatra mikasika izany andraikitra lehibe eo amin’ny fitarihana hanao ny tsara izany. Nanaraka ny torohevitry ny Mpamonjy izy izay “Nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apôstôly 10:38). Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny bitsika masina avy amin’ny Fanahy Masina izy sy ny maha-zava-dehibe ny famangiana ny hafa sy ny fanompoana azy ireo ary ny famonjena ilay anankiray.
Kanefa indraindray dia tsy misy toa ny Filoha Monson eo, tsy eo ny mpampianatra isan-tokantrano, tsy misy rahavavy tia mikarakara afaka hanompo ao anatin’ny fotoana ilana fanampiana. Tao anatin’ireo toe-javatra ireo no nahafahako nahita fampiononana sy fitarihana avy tamin’ilay Mpampionona, izay andraikitra iray hafa an’ny Fanahy Masina (jereo F&F 36:2).
I Quinton zafikelinay lahy dia nanana fahasembanana maro hatrany ambohoka ary niaina nandritra ny roatokom-bolana monja. Nandritra izany fotoana izany dia niditra sy nivoaka ny hôpitaly foana izy. Izaho sy Rahavavy Jensen dia nonina tany Argentine tamin’izany fotoana izany. Tena te-ho eo akaikin’ny zanakay tokoa izahay mba hampahery azy ireo sy mba hahazo fampaherezana avy amin’izy ireo ihany koa. Zafikely tianay izy io ary nirianay ny ho eo akaikiny. Nivavaka no hany azonay natao, ary tena nataonay tamin-kafanam-po tokoa izany!
Tany am-panaovana fitsidihina ny misiôna izaho sy ny Rahavavy Jensen no nandre fa maty i Quinton. Nijoro teo amin’ny lalan-tsaran’ny trano fiangonana iray izahay ary nifamihina sy nifampahery. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa nahazo toky avy amin’ny Fanahy Masina izahay, izay fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra ary mitohy hatramin’izao andro izao (jereo ny Filipiana 4:7). Vavolombelona ihany koa izahay ny amin’ilay fanomezan’ny Fanahy Masina izay tsy hay faritana izay hita teo amin’ny fiainan’ny zanakay lahy sy ny vinantovavinay ary ny zanak’izy ireo izay hatramin’izao andro izao dia miresaka momba izany fotoana izany ao anatin’ny finoana sy fiadanana ary fampiononana lehibe tokoa.
Ny Fanambarana sy ny Bokin’i Môrmôna
Izany fanomezan’ny fanambarana izany dia nisy fiantraikany teo amin’ny fijoroako ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Efa namaky, nandalina, nikaroka sy nivoky tamin’izany foana aho. Ny Fanahy Masina dia efa nanambara tamiko ny fahamarinan’izany sy ny fahamasinany.
Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niantso ny Bokin’i Môrmôna ho iray amin’ireo vato fehizoro efatra manan-danjan’ny Fiangonana, ary ireo vato fehizoro hafa dia ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith, ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana, ary, mazava ho azy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ilay vato fehizoro lehibe (jereo ny Efesiana 1:19–21). “Ireo fanomezana efatra goavana avy tamin’Andriamanitra ireo,” hoy ny fanazavany, “dia vato fehizoro tsy voahozongozona izay mampijoro ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary koa ny fijoroana ho vavolombelon’ny tsirairay ary ny finoan’ny mpikambana ao aminy” (Ensign, Febroary 2004, 7).
Ireo fanomezana efatra avy tamin’Andriamanitra ireo no lasa vatofantsika ho an’ny finoako sy ny fijoroako ho vavolombelona, ka izy ireo dia samy namafisina tamiko tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Kanefa te hifantoka amin’ny roa amin’ireo vato fehizoro natao fanomezana ireo aho mandritra ny minitra vitsy—ny Fahitana Voalohany sy ny Bokin’i Môrmôna. Zava-dehibe ny hoe ireo zavatra roa ireo dia samy nanomboka teo anivon’ny fianakaviana iray, izay nahitana zanaka nateraky ny ray aman-dreny tsongoinolombolo ary nahazo fampianarana tsara avy tamin’izy ireo (jereo ny 1 Nefia 1:1). Ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Lehia sy i Joseph Smith dia mifandrindra (jereo ny 1 Nefia 1 sy Joseph Smith—Tantara 1):
-
Samy nila zavatra manokana izy ireo. Ny an’i Lehia dia ny manavotra ny tenany sy ny fianakaviany amin’ny fandringanana tanteraka an’i Jerosalema ary ny an’i Joseph Smith dia ny hahafantatra ny fiangonana marina.
-
Samy nivavaka izy ireo.
-
Samy nomena fahitana ny Ray sy ny Zanaka izy ireo.
-
Samy nomena boky izy ireo.
-
Samy nitory izy ireo.
-
Samy nandray fanambarana avy tamin’ny Fanahy Masina sy tamin’ny alalan’ny fahitana sy nofy izy ireo.
-
Ary farany, nenjehin’ny olon-dratsy izy ireo. Tafatsoaka i Lehia sy ny fianakaviany. I Joseph kosa maty maritiora.
Moa ve mahagaga raha toa ny mpitory ny filazantsara ka manasa ireo mpikatsaka amin-kitsimpo ny fahamarinana mba hanomboka ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny 1 Nefia? Ity boky ity dia tototry ny Fanahin’ny Tompo. Ao amin’ireo toko any amin’ny voalohandohany dia misy hafatra mazava tsara fa ny fanambarana sy ny Fanahy Masina dia tsy nomena ho an’ny mpaminany fotsiny fa ho an’ny ray sy ny reny ary ny ankizy ihany koa.
Ny hafatra momba ny fanambarana sy ny Fanahy Masina dia feno ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo fahamarinana ireo dia nofintinin’ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Esory ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanambarana dia aiza ny fivavahantsika? Tsy manana isika” (Enseignements des Président de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 196).
Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika, ny fijoroana ho vavolombelontsika momba ny Bokin’i Môrmôna izay nomena antsika amin’ny alalan’ny fanambarana, dia manome toky antsika fa ity fivavahana ity sy ny fotopampianarany dia marina (jereo ny teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).
Masina sy sarotra ambara ireo zavatry ny Fanahy. Isika dia manambara toa an’i Amôna hoe: “Indro, lazaiko aminareo, izaho dia tsy afaka milaza ny ampahany bitika indrindra izay tsapako” (Almà 26: 16).
Kanefa, mijoro ho vavolombelona aho fa misy ny Fanahy Masina ary Izy dia mpijoro ho vavolombelona, mpanambara, mpankahery, mpitarika ary mpampianatra avy any ambony.
Mijoro ho vavolombelona amim-panetren-tena aho fa ity Fiangonana marina sy velona ity ary ity fivavahana ity dia mitoetra eo ambonin’ireo vato fehizoro efatra ireo. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra (jereo Efesiana 2:19–21). Ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanin’ny Tompo ary ireo lehilahy 15 mipetraka ao aorianako ireo dia mpaminany, mpahita, ary mpanambara. Mihazona ny fisoronana masina sy ny fanalahidin’ny fanjakana izy ireo. Tiako sy hajaiko ary tohanako izy ireo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.