2010
Ny Dingana Telon’ny Safidy
Nôvambra 2010


Ny Dingana Telon’ny Safidy

Tonga teto an-tany niaraka tamin’ny fitaovana ilaina rehetra mba hanaovana safidy marina isika tsirairay.

President Thomas S. Monson

Ry rahalahiko malala ato amin’ny fisoronana, mivavaka mafy aho anio hariva mba handray ny fanampian’ny Raintsika any an-danitra eo am-pizarako ireo zavatra izay tsapako fa tokony ho hozaraiko aminareo.

Nisaintsaina aho tato ho ato mikasika ny safidy sy ny vokatr’izany. Matetika tsy misy ora iray ao anatin’ ny indray andro izay tsy maintsy anaovantsika safidy amin’ny zavatra iray na amin’ny iray hafa. Ny sasany dia toa tsy manan-danja loatra, ny hafa dia misy vokatra maharitra. Ny sasany tsy hanova na inona na inona eo amin’ny endrika mandrakizain’ny zavatra hitranga, ary ny hafa kosa dia hanova izany tanteraka.

Raha nandinika ny endrika samihafa fisehon’ny safidy aho, dia narindrako ho ao anatin’ny sehatra telo izany: Voalohany, ny zo hisafidy; faharoa, ny andraikitra mba hisafidy; ary fahatelo, ny vokatry ny safidy. Antsoiko izy ireo hoe ny dingana telon’ny safidy.

Horesahiko voalohany ny zo hisafidy. Feno fankasitrahana ny Ray any an-danitra be fitiavana aho amin’ny fanomezany ho antsika ny fahafahana misafidy, na ny zo hisafidy. Nilaza ny Filoha David O. McKay, Filoha fahasivin’ny Fiangonana hoe “Taorian’ny fanomezana ny fiainana dia ny zo hitantana izany fiainana izany no fanomezan’Andriamanitra lehibe indrindra nomena ny olombelona.”1

Fantatsika fa nanana ny fahafahantsika nisafidy isika talohan’ny nanorenana ny tany ary nanandrana nanala izany tamintsika i Losifera. Tsy nanana fahatokian-tena tamin’ny fitsipiky ny fahafahana misafidy na tamintsika izy ka niady ny hametrahana famonjena an-katerena. Nikiry izy fa amin’ny drafiny dia tsy hisy olona ho very, kanefa tsy takany—na angamba tsy norahirahiany—fa fanampin’izany dia tsy hisy olona hendry kokoa, matanjaka kokoa, be famindrampo kokoa, na be fankasitrahana kokoa raha toa ka ny drafiny no narahana.

Isika izay nisafidy ny drafitry ny Mpamonjy dia nahafantatra fa hirotsaka amin’ny dia tsy azo antoka sy sarotra, satria mandeha amin’ny lalan’izao tontolo izao isika ka manota sy tafintohina, izay mahatonga antsika hanalavitra ny Raintsika. Kanefa ilay Lahimatoa amin’ny Fanahy dia nanolotra ny tenany ho sorona mba hanonerana ny otan’ny olona rehetra. Tamin’ny alalan’ny fijaliana tsy hay faritana dia tonga ho Ilay Mpanavotra Lehibe, ilay Mpamonjy ny zanak’olombelona rehetra Izy, izay hahafahantsika hiverina soa aman-tsara any amin’ny Raintsika.

Nilaza ny mpaminany Nefia hoe: “Noho izany dia afaka ny olona araka ny nofo; ary omena azy ny zavatra rehetra izay ilain’ ny olona. Ary afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ ny devoly; satria katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”2

Ry rahalahy, ao anatin’ny toe-javatra izay misy antsika dia hanana zo hisafidy foana isika.

Manaraka, miaraka amin’ ny zo hisafidy dia eo ny andraikitra hisafidy. Tsy afaka ny ho tsy mpandray anjara isika. Tsy misy toerana hihalangalanana. Fantatry ny Tompo izany ary fantatr’i Losifera koa. Raha mbola miaina eto an-tany isika dia tsy hamela antsika i Losifera sy ny tafiny fa manantena ny hahazo ny fanahintsika hatrany.

Tsy nandefa antsika teto amin’ity dia mandrakizay ity ny Raintsika any an-danitra ka tsy nanome lalana izay hahafahantsika mandray avy Aminy ny fitarihana masiny izay ilaina hahafahantsika miverina amim-piarovana amin’ny faran’ny fiainana mety maty. Izany dia ny vavaka. Izany ihany koa ny bitsika avy amin’ilay feo tony sy malefaka rentsika tsirairay, ary tsy ataoko ambanin-javatra ny soratra masina, izay nosoratan’ireo tantsambo nahavita tamim-pahombiazana ny famakivakiany ny ranomasina izay tsy maintsy ho lalovantsika koa.

Tonga teto an-tany niaraka tamin’ny fitaovana ilaina rehetra mba hanaovana safidy marina isika tsirairay. Nilaza tamintsika ny mpaminany Môrônia hoe: “Omena ny olona tsirairay ny Fanahin’ i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ ny ratsy.”3

Voahodidina—ary indraindray aza tototra—ireo hafatry ny fahavalo isika. Henoy ny sasany amin’ izany. Mino aho fa mahazatra antsika izy ireo: “Tsy maninona raha indray mandeha fotsiny.” “Aza manahy fa tsy hisy hahita ianao.” “Afaka mijanona amin’ny fifohana na fibobohana na fandraisana zava-mahadomelina amin’ny fotoana rehetra izay tianao ianao.” “Manao izao daholo ny olon-drehetra ka tsy dia ratsy ny fanaovana izany.” Tsy misy fiafarana ireo lainga.

Na dia handalo sampanana sy fiviliana isika eny an-dalana dia tsy afaka misafidy lalan-kafa tsotra izao isika izay mety ho lalana tsy azo hiverenana intsony. Milalao am-pilantolantoana ny ngadon-kirany i Losifera, ilay mpitsoka sodina mahay, ary manintona ireo tsy manampo hanalavitra ny lalana nofinidiny, hanalavitra ny torohevitr’ireo ray aman-dreny be fitiavana, hanalavitra ny fampianarana feno fiarovana avy amin’ny fampianaran’Andriamanitra. Tsy mikatsaka ny hahazo ireo antsoina hoe malemin’izao tontolo izao ihany izy fa isika rehetra mihitsy, hatramin’ireo voafidin’Andriamanitra. Nihaino azy ny mpanjaka Davida, nihozongozona tamin’ny finoany izy, ka nanaraka dia lavo. Toa izany koa i Kaina tany am-piandohana ary i Jodasy Iskariota taty aoriana koa. Feno hafetsena ny paik’adiny ary maro ireo voany.

Ao amin’ny 2 Nefia dia mamaky isika hoe: “Ary hampitoniany ny sasany ka handrotsirotsiany amin’ ny fiadanana ara-nofo.”4 “Tarihiny amin’ ny fandokafana ny sasany, ary ilazany fa tsy misy izany helo izany… mandra-pisamborany azy amin’ ny gadrany mahatsiravina.”5 “Ary dia toy izany no anambakan’ ny devoly ny fanahiny, ka hitarihiny azy amim-pahamalinana hidina any amin’ ny helo.”6

Rehefa manoloana ireo safidy tsy dia manan-danja isika dia ahoana no fomba hanapahantsika hevitra? Moa ve tafalatsaka amin’ireo fampanantenana ny fahafinaretana mandalo isika? Na amin’ireo fahamehana sy rendrarendra? Na amin’ny faneren’ireo tanora mitovy amintsika?

Aoka mba tsy hisalasala toa an’i Alice ao amin’ny boky malaza nosoratan’i Lewis Carroll mitondra ny lohateny hoe Alice any amin’ny tany Mahatalanjona. Tadidinao angamba fa tonga teo amin’ny sampanan-dalana izy izay nisy lalana roa nanoloana azy. Samy mankany aloha any izany fa saingy lalana mifanohitra kosa. Nisy saka antsoina hoe Cheshire teo, ka nanontanian’i Alice izy hoe: “Iza no lalana tokony halehako?”

Namaly ilay saka hoe: “Miankina amin’ny izay toerana tianao handehanana izany. Raha tsy fantatrao izay handehananao dia mety daholo izay lalana safidianao.”7

Isika kosa anefa tsy mba toa an’i Alice satria fantatsika tsara ny tiantsika handehanana ary tena zava-dehibe ny lalana izay halehantsika, satria amin’ny fisafidianana ny lalantsika no hisafidiantsika ny toera-kinendrintsika.

Manoloana antsika tsy tapaka ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mba handraisana azy ireny amim-pahendrena dia mila fahasahiana isika—ilay fahasahiana hiteny tsia, ilay fahasahiana hiteny eny. Ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra ny hoavintsika.

Mitalaho aminareo aho mba hanapa-kevitra eto ary izao ankehitriny izao, mba tsy hiala amin’ny lalana izay hitarika amin’ny tanjontsika, dia ny: fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra. Miara-dalana amin’izany lalana marina izany dia misy ireo tanjona hafa: ny fitoriana ny filazantsara, ny fanambadiana any amin’ny tempoly, ny fahazotoana ato am-piangonana, ny fandalinana ny soratra masina, ny vavaka, ary ny asa atao any amin’ny tempoly. Maro tsy tambo isaina ireo tanjona mendri-ko tratrarina mandritra ny diantsika eto amin’ny fiainana. Ilaina ny fanoloran-tenantsika mba hanatratrarana azy ireny.

Farany, ry rahalahy dia hiresaka mikasika ny vokatry ny safidy aho. Misy vokatra daholo ny safidy rehetra ataontsika. Ny sasany dia mety hisy fifandraisany kely na tsy hisy hifandraisany amin’ny famonjena antsika mandrakizay ary ny hafa kosa dia misy hifandraisany tanteraka amin’izany.

Na akanjo maintso na manga no tafianao dia tsy mampiova zavatra izany rehefa ela ny ela. Na dia izany aza, ny fanapahan-kevitrao ny hanindry ilay bokotra amin’ny solosaina izay hitondra anao amin’ny pôrnôgrafia dia mety hampiova tanteraka ny fiainanao. Nanao ilay dingana nialana amin’ilay lala-mahitsy ianao, ilay lalana lavitry ny loza. Raha toa ka misy namana manery anao hisotro toaka na hanandrana zava-mahadomelina ary manaiky izany fanerena izany ianao, dia mandeha amin’ilay lalana izay mety tsy azo hiverenana intsony ianao. Ry rahalahy, na ianao diakona roa ambin’ny folo taona na ianao mpisorona avo efa matotra, dia samy mety ho tratran’izany avokoa. Aoka ny masontsika, ny fontsika ary ny fanapahan-kevitsika hifantoka amin’ny tanjona izay mitondra amin’ny mandrakizay sy mendrika ny sarany aloantsika, na inona na inona fahafoizan-tena takiana mba hahatratrarantsika izany.

Tsy misy fakam-panahy, fanerena, na fitaomana afaka handresy antsika raha tsy hoe mamela izany isika. Raha manao safidy diso isika dia isika ihany no olona tokony omena tsiny. Nanambara ity fahamarinana iray ity ny Filoha Brigham Young indray mandeha izay nentiny niresahana ny tenany. Hoy izy hoe: “Raha toa ka niala tamin’ny lalana mahitsy ary tsy nahazo ny fanjakan’ny lanitra i Rahalahy Brigham, dia tsy hisy olona mendrika omena tsiny ankoatra an’i Rahalahy Brigham. Izaho ihany no olona omena tsiny na any an-danitra, na eto an-tany na any amin’ny helo.” Notohizany hoe: “Izany koa dia mihatra amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany rehetra. Ny famonjena dia asan’ny tena manokana.”8

Nanome antoka antsika ny Apôstôly Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.”9

Samy efa nanao safidy diso daholo isika. Raha toa ka tsy mbola nanitsy izany isika dia manome toky anareo aho fa misy fomba hahafahana manao izany. Antsoina hoe fibebahana izany. Miangavy anareo aho mba hanitsy izany fahadisoana nataonareo izany. Maty ny Mpamonjy mba hanomezana ahy sy anao izany fanomezana sarobidy izany. Na dia tsy mora aza ilay lalana dia tena misy kosa ilay fampanantenana: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”10 “Ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”11 Aza sangisangiana ny fiainanao mandrakizay. Raha toa ka nanota ianao dia atombohy faran’izay haingana ny fiverenana amin’ilay lalana mba hahazoana haingana ny fiadanana sy fifaliana malefaka azo avy amin’ny fahagagan’ny famelan-keloka.

Ry rahalahy, isan’ny manana anjara amin’ny fitahian’ny fizokiana ianao. Ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakan’ny Raintsika no tanjontsika. Tsy ho tratra amin’ny alalan’ny andrana goavana iray izany, fa kosa vokatry ny fahamarinana iainana mandritra ny fiainana manontolo, fitambatambaran’ny safidy feno fahendrena maro, ary ny tanjona tsy miovaova. Toy ireo zavatra rehetra mahasoa dia mitaky ezaka koa ny valisoan’ny fiainana mandrakizay.

Nilaza mazava ny soratra masina hoe:

“Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.

“Fa ny lalana rehetra izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo.”12

Eto am-pamaranana dia tiako ny hizara aminareo ohatra nataon’ny olona iray izay nanapa-kevitra hatrany amin’ny fiainany hatrizay hoe inona no tanjony. Ny Rahalahy Clayton M. Christensen, mpikambana iray ato am-piangonana izay mpampianatra ny taranja Fitantanana ny raharaham-barotra ao amin’ny Sekolin’ny Raharaham-barotra ao amin’ny Oniversite an’i Harvard, ny resahiko eto.

Fony 16 taona i Rahalahy Christensen dia nanapa-kevitra, tao anatin’ny toe-javatra maro samihafa, ny tsy hanao fanatanjahan-tena amin’ny Alahady. Taona maro taty aoriana dia nianatra tany amin’ny Oniversite an’i Oxford tao Angletera izy ary mpilalao basikety mitana ny toerana irakiraka eo afovoan’ny kianja tao amin’ny ekipa iray. Tsy resy mihitsy izy ireo tamin’izany taom-pilalaovana tamin’izay taona izay ary tafiakatra amin’ny fifaninana Britanika mitovy amin’ny antsointsika hoe fifaninana ho an’ny federasiona ny oniversite rehetra eto Etazonia.

Nandresy tamin’ireo lalao rehetra nataon’izy ireo nandritra ny fifaninana izy ireo, ka tonga ho isan’ireo efatra teo amin’ny dingan’ny famaranana. Teo no nijeren’ny Rahalahy Christensen ny fandaharam-potoana ka, tao anatin’ny hakiviana, no nahitany fa ilay lalao famaranana dia ho atao amin’ny andro Alahady. Niezaka mafy izy sy ny mpiara-milalao aminy mba hahatongavana amin’izany sehatra izany ary izy dia isan’ny mpilalao alahatra voalohany eo afovoany. Nankany amin’ny mpanazatra azy izy nizara izany olana izany. Tsy niezaka ny nahatakatra izany ny mpanazatra azy ary niandrandra an’ny Rahalahy Christensen ny handray anjara amin’ilay lalao.

Talohan’ny lalao famaranana anefa dia nisy ny lalao manasa-dalana. Ny loza dia nipitsoka koa ny sorok’ilay mpilalao am-povoany mpanolo toerana ka vao mainka nampitombo ny fanerena an’ny Rahalahy Christensen handray anjara amin’ny lalao famaranana izany. Nandeha nankany amin’ny efitranon’ny hôteliny izy, ary nandohalika. Nanontany ny Rainy any an-danitra raha mety ny mba hilalaovany izany lalao izany amin’ny andro Alahady, amin’ity indray mandeha ity fotsiny. Nolazainy fa mbola tsy tapitra akory ny vavaka nataony dia nahazo valiny izy hoe: “Clayton a! Inona no antony anontanianao ahy izany? Fantatrao ny valiny.”

Nankany amin’ny mpanazatra azy izy ary dia niala tsiny fa tsy afaka ny hilalao amin’ny lalao famaranana. Avy eo dia lasa nanatrika ny fivoriam-piangonana isaky ny Alahady izy teo amin’ny paroasy raha toa ka ny ekipany kosa etsy andaniny nilalao. Nivavaka mba hahitan’izy ireo fahombiazana izy. Nandresy ireo.

Izany fanapahan-kevitra sarotra sady tsy azo ihodivirana izany dia noraisina efa mihoatra ny telopolo taona lasa izay. Nilaza ny Rahalahy Christensen fa rehefa mandeha ny fotoana dia noraisiny ho toy ny iray amin’ireo fanapahan-kevitra manan-danja indrindra izay nataony izany. Mety ho mora ny nilaza hoe: “Ny fitandremana ny andro Sabata ho masina anie no didy marina amin’ny ankapobeny e! Kanefa amin’ny toe-javatra mahavalalanina toy izao dia tsy maninona, izay indray mandeha io fotsiny ve aho no tsy mba manao izany.” Kanefa izy dia nilaza fa tsy nitsahatra ny ho toe-javatra mahavalalanina foana ny fiainany taty aoriana ka raha nandika izany soritra izany indray mandeha izy, dia mety hisy zavatra hafa mitaky izany sy mafimafy kokoa indray hitranga, ka dia ho mora aminy ny handika ilay soritra indray mandeha indray avy eo. Ny lesona nianarany dia hoe mora kokoa ny mitandrina ny didy 100 isan-jaton’ ny fotoana toy izay ny 98 isan-jaton’ ny fotoana fotsiny.13

Ry rahalahiko malala, enga anie isika ho feno fankasitrahana amin’ny zo hisafidy, hanaiky handray ny andraikitra ny hisafidy ary handinika tsara ao an-tsaintsika ny ho vokatry ny safidintsika. Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia miray hina isika mba hahafahana ho mendrika hahazo ny fitarihan’ny Raintsika any an-danitra eo am-pisafidianana amim-pitandremana sy araky ny mety. Mandray anjara amin’ny asan’ny Tompo Jesoa Kristy isika. Toa ireo tamin’ny andro fahiny dia nanaiky ny Antsony isika. Manao ny asany isika. Hahatanteraka ilay andraikitra goavana napetraka amintsika isika dia ny hoe: “Madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.”14 Ho tò anie izany ary izany no vavaka amim-panetren-tena ataoko. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Tompontsika, amena.