2010
Ireo Lalam-pifandraisana Roa
Nôvambra 2010


Ireo Lalam-pifandraisana Roa

Mila mampiasa ireo lalana roa ireo isika dia ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana sy ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana, amin’ny fomba mifandanja tsara, mba hahatratrarana ny fitomboana izay tanjona eto amin’ity fiainana mety maty ity.

Elder Dallin H. Oaks

Nanome lalam-pifandraisana roa Aminy ho an’ireo Zanany ny Raintsika any an-danitra—izay azontsika antsoina hoe ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana sy ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana. Ny olona rehetra dia tokony hahatakatra sy ho voatarika amin’ny alalan’ireo lalam-pifandraisana manan-danja roa ireo.

I. Ny Lalam-pifandraisan’ny Tena Manokana

Amin’ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana dia mivavaka mivantana amin’ny Raintsika any an-danitra isika ary mamaly antsika Izy amin’ny alalan’ireo zotra izay efa napetrany, izay tsy misy olombelona mpanelanelana. Mivavaka amin’ny Raintsika any an-danitra isika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ary mamaly izany Izy amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina, sy amin’ny fomba hafa koa. Ny asan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanakalahiny (jereo ny Jaona 15:26; 2 Nefia 31:18; 3 Nefia 28:11), ny mitarika antsika amin’ny fahamarinana (jereo ny Jaona 14:26, 16:13), ary ny mampiseho antsika ny zavatra rehetra tokony hataontsika (jereo ny 2 Nefia 32:5). Izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana amin’ny Ray any an-danitra izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no loharanon’ny tenivavolombelontsika ny amin’ny fahamarinana, sy ny fananantsika fahalalana, ary ny fitarihana antsika manokana avy amin’ilay Ray any an-danitra be fitiavana. Fitaovana manan-danja eo amin’ny drafitry ny filazantsara mahatalanjona izany, izay mamela antsika Zanany tsirairay handray fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana ny amin’ny fahamarinana.

Ilay zotram-pifandraisana mivantana amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia mifototra amin’ny fahamendrehana ary tena zava-dehibe tokoa ka didina isika hanavao ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata. Izany fomba izany no hahafahantsika ho mendrika handray ilay fampanantenana hoe afaka ny hanana ny Fanahiny hiaraka amintsika mandrakariva isika, mba hitarika antsika.

Mikasika izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana amin’Andriamanitra izany dia mitovy amin’ny finoana sy ny fombafomba izay ataon’ireo Kristiana hafa ihany koa ny antsika, izay manantitrantitra fa tsy ilaina ny olombelona mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona satria ny olon-drehetra dia afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra araky ny fitsipika nolazain’i Martin Luther hoe “ny fisoronan’ny mpino rehetra.” Mbola hiresaka bebe kokoa momba izany aho rehefa avy eo.

Izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana izany no manan-danja indrindra amin’ny fanapahan-kevitry ny tena manokana sy eo amin’ny fitantanana ny fianakaviana. Ny mampalahelo dia misy ireo mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika no tsy nanome lanja ny filana izany lalam-pifandraisana mivantana sy an’ny tena manokana izany. Noho ny maha-zava-dehibe tokoa ny fitarihana ara-paminaniana voarain’ireo mpitondra—ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana, izay ampiasaina voalohany indrindra mba entina hitantanana ny fifandraisana avy any an-danitra mikasika ny zavatra mahakasika ny Fiangonana—dia misy ireo manantena an’ireo mpitondra ao amin’ny fisoronana mba handray ireo fanapahan-kevitra mahakasika ny fiainan’izy ireo manokana eo amin’ny toerany, fanapahan-kevitra izay ny tenany manokana no tokony handray izany amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ny lalam-pifandraisan’ny tenany manokana. Ireo fanapahan-kevitra manokana sy ny fitantanana ny fianakaviana dia atao voalohany indrindra amin’ny alalan’ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana.

Mahatsapa aho fa tokony hanampy fampitandremana roa izay tokony ho tsaroantsika mahakasika ity lalam-pifandraisan’ny tena manokana mivantana amin’ny Raintsika any an-danitra ity.

Voalohany, ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana dia misy iankinany ihany amin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana, raha jerena amin’ny endriny feno. Ny fanomezana ny Fanahy Masina—izay fitaovam-pifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny olona—dia omena amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, izay ahazoana lalana avy amin’ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Tsy azo fotsiny avy amin’ny fananana faniriana na finoana izany. Ary ny zo hanana ny fiarahana tsy tapaky ny Fanahy dia mila hamafisina isaky ny Sabata rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isika sy manavao ireo fanekempihavanana tamin’ny batisa mikasika ny fankatoavana sy ny asa fanompoana.

Mitovy amin’izany ihany koa, tsy afaka ny hahazo fifandraisana azo antoka amin’ny alalan’ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana mivantana isika raha toa ka tsy mankatò sy tsy mifanaraka amin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana. Nilaza ny Tompo fa “ny herin’ ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana” (F&F 121:36). Ny mampalahelo dia mazana ireo olona izay tsy manaja ny didin’Andriamanitra na tsy mankatò ny torohevitr’ireo mpitondra ao amin’ny fisoronana no manambara fa nandray fanambarana avy amin’Andriamanitra izy ireo izay milaza fa mamela azy ireo Andriamanitra tsy hanaraka ny didy sasany na tsy hanaraka ny torohevitra omena azy ireo. Mety mandray fanambarana na fitaomana tokoa ny olona ohatr’izany, saingy tsy avy amin’ilay loharano heverin’izy ireo no hahazoany izany. Ny devoly no rain’ny lainga ary maniry foana ny hanakana ny asan’Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny fakan-tahaka ratsy ataony.

II. Ny Lalam-pifandraisan’ny Fisoronana

Tsy mba toy ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana, izay hifandraisan’ny Raintsika any an-danitra amintsika mivantana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina kosa ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana fa miampy sy mila ny fanelanelanan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Fiangonany, ary ireo mpitarika nofinidiny.

Noho ireo zavatra nataony tamin’ny alalan’ny sorompanavotany dia manana fahefana mametraka ireo fepetra tsy maintsy takiana amintsika mba handraisana ny fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy. Izany no antony hananantsika ireo didy sy ôrdônansy. Izany no antony hanaovantsika fanekempihavanana. Izany no hahafahantsika handray ireo fitahiana nampanantenaina. Samy avy amin’ny alalan’ny famindrampo sy ny fahasoavan’Ilay Iray Masin’i Isiraely no hahazoantsika izany, “aorian’ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Ne. 25:23).

Nandritra ny asa nanirahana Azy teto an-tany dia nanome ny fahefan’ny fisoronana izay mitondra ny Anarany sy nanorina ny Fiangonany izay mitondra ny Anarany i Jesoa Kristy. Amin’ity fotoam-pitantanana farany ity dia naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronany ary naverina natsangana indray ny Fiangonany tamin’ny alalan’ireo iraky ny lanitra tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Izany fisoronana naverina tamin’ny laoniny izany sy ity Fiangonana naverina indray ity dia singa manan-danja eo amin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana.

Ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana no zotram-pifandraisana izay niresahan’Andriamanitra amin’ireo Zanany amin’ny alalan’ny soratra masina voaray tamin’ny andro fahiny. Ary amin’ny alalan’izany lalam-pifandraisana izany no hiresahany amintsika ankehitriny amin’ny alalan’ireo fampianarana sy torohevitr’ireo mpaminany sy apôstôly velona ary ireo mpitarika nentanim-panahy hafa. Izany no fomba handraisantsika ny ôrdônansy izay takiana. Amin’izany no fomba handraisantsika ireo antso mba hanompo eto am-piangonana. Ny Fiangonany no lalana ary ny Fisoronany no hery izay hahafahantsika mandray anjara amin’ireo fiaraha-mientan’ny fikambanana izay manan-danja amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo. Ao anatin’izany ny fitoriana ny filazantsara, ny fananganana ny tempoly sy ny trano fiangonana ary ny fanampiana ireo mahantra.

Mahakasika indrindra ity lalam-pifandraisan’ny fisoronana ity dia mitovy amin’ny filazan’ireo Kristiana sasany ihany koa ny finoantsika sy ny fombafombantsika izay mamaritra fa ireo ôrdônansy (fombafomba masina) dia zava-dehibe ary tokony ho tanterahin’ireo izay manana ny fahefana sy nandray hery avy tamin’i Jesoa Kristy (jereo Jaona 15:16). Mino izany isika saingy samy hafa kosa ny fomba hamaritantsika ny rohy nandraisana izany fahefana izany.

Misy ireo mpikambana na mpikamban’ny Fiangonana teo aloha izay tsy mahafantatra ny maha-zava-dehibe ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana. Manamaivana ny lanjan’ny Fiangonana sy ny mpitarika ao aminy izy ireo ary ireo fandaharan’asa ao aminy. Amin’ny fiankinan-dohany tanteraka amin’ny lalam-pifandraisan’ny tenany manokana dia mandeha amin’ny lalan’ny tanany manokana izy, milaza ho mamaritra ny fotopampianarana sy ho mitarika ny fifaninana amin’ireo fikambanana, izay zavatra mifanohitra amin’ny fampianaran’ireo mpaminany mpitarika. Rehefa manao izany izy ireo dia maneho ny toetran’ny fankahalana izay mahazatra ankehitriny ka mahatonga ny fanebahana ireo antsoina hoe “fikambanam-pivavahana voalamina.” Ireo izay mandà ny filana ny fikambanam-pivavahana voalamina dia mandà ny asan’ny Tompo, izay nanorina ny Fiangonany sy ireo mpitarika tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana ary namerina nanangana izany indray amin’izao fotoan’andro ankehitriny izao.

Zava-dehibe ny fikambanam-pivavahana voalamina, naorina tamin’ny alalan’ny fahefan’Andriamanitra, araky ny nampianarin’ny Apôstôly Paoly hoe:

“Ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy:

“Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efes. 4:12–13).

Tokony hotsaroantsika rehetra ny teny nolazain’ny Tompo ao amin’ny fanambarana maoderina izay milaza fa ny feon’ny mpanompony dia toy ny feon’ny Tompo ihany (jereo ny F&F 1:38; 21:5; 68:4).

Mahatsapa aho fa tokony hanampy zavatra roa izay tokony tsaroantsika amin’ny fiankinana feno amin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana.

Voalohany, ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana dia tsy manolo ny filàna ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana. Isika rehetra dia mila fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ho an’ny tenantsika manokana. Rehefa mitombo ny finoantsika, dia miantehitra amin’ny teny feno finoana ataon’ny hafa isika, toy ny an’ireo ray aman-drenintsika, ireo mpampianatra na ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana (jereo ny F&F 46:14). Kanefa rehefa miankin-doha amin’ny iray amin’ireo mpitariky ny fisoronana isika na mpampianatra ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ho an’ny tenantsika manokana, fa tsy manao izay hahazoana izany amin’ny alalan’ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana, dia ho mora rava ny finoantsika amin’ny fahitana ny fihetsika ataon’iny olona iny avy eo. Mba hahazoana fahalalana mari-pototra na fijoroana ho vavombelona mahakasika ny fahamarinana dia tsy tokony hiankina amin’ny olona hafa mpanelanelana antsika amin’ny Raintsika any an-danitra isika.

Faharoa, toy ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana koa dia tsy afaka miasa amim-pahombiazana tanteraka hitondra tombontsoa ho antsika ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana raha tsy hoe mendrika sy mankatò isika. Maro ireo soratra masina mampianatra fa raha mikiry manohitra ny didin’Andriamanitra isika dia “[hoesorina] tsy ho eo anatrehany” (Alma 38:1). Rehefa mitranga izany dia voafetra ihany ny fomba afaka hanampian’ny Tompo sy ireo mpanompony antsika mba handraisana fanampiana ara-panahy izay tsy afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny tenantsika manokana.

Ny tantara dia maneho ohatra mazava ny maha-zava-dehibe ny mampifanaraka ny fiainan’ny mpanompon’ny Tompo amin’ny Fanahy. Ny Mpaminany vao erotrerony, Joseph Smith, dia tsy afaka nandika teny raha tao anatin’ny fahatezerana na fahasorenana.

Nitantara i David Whitmer hoe: “Indray maraina rehefa nivonona ny hanohy ny fandikan-teny izy dia nisy zavatra tsy nety nitranga tao an-tranony ary dia tezitra tamin’izany izy. Zavatra nataon’i Emma, vadiny izany. Niakatra nankany ambony izaho sy i Oliver, ary tsy ela dia niakatra ihany koa i Joseph mba hanohy ny fandikan-teny, kinanjo tsy nahavita na inona na inona izy. Tsy afaka nandika na dia tarehin-tsoratra iray aza izy. Nidina izy, nivoaka teny an-jaridaina ary nivavaka tamin’ny Tompo. Teo amin’ny adiny iray teo izy no nandeha—niverina tao an-tranony avy eo ary nangata-pamelana tamin’i Emma ary avy eo dia niakatra tany ambony izay nisy anay ary dia nitohy tsara ny fandikan-teny avy teo. Tsy afaka nahavita na inona na inona mihitsy izy raha tsy nanetry tena sy nahatoky.”1

III. Ny Antony Ilana ireo Lalana Roa ireo

Hofaranako amin’ny ohatra maro kokoa hanehoana ny antony ilana ireo lalana roa napetrak’Andriamanitra hifandraisana amintsika Zanany ireo ny teniko. Samy manan-danja ireo lalam-pifandraisana roa ireo mba entina hanatanterahana ny Tanjony dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny Zanany. Nisy tantara ara-tsoratra masina fahiny izay naneho izany tamin’ny alalan’ny torohevitr’i Jetro rafozan’i Mosesy mba tsy hanaovan’ity farany ny zava-drehetra. Nilahatra niandry ny mpitariky ny fisoronany ny vahoaka hatramin’ny maraina mandrapahatonga ny alina mba “hanontany amin’Andriamanitra” (Eksodosy 18:15) ary koa mba “[hitsara ny adin’izy ireo]” (andininy 16). Marihantsika matetika ny fomba nanoroan’i Jetro hevitra an’i Mosesy mba hizara andraikitra amin’ny alalan’ny fanendrena mpifehy hisahana ny fifamaliana (jereo ny andininy 21–22). Kanefa nanome torohevitra an’i Mosesy ihany koa i Jetro izay nampiseho ny maha-zava-dehibe ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana: “Ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hatao ny” (andininy 20; nampiana fanamafisana).

Raha ambara amin’ny fomba hafa dia tokony nampianarina ireo Isiraelita izay nanara-dia an’i Mosesy ny mba tsy hitondra ny fanontaniana rehetra nananany ho eo amin’ireo mpitondra ao amin’ny fisoronany. Tokony hahatakatra ny didy izy ireo ary hikatsaka fitaomam-panahy hamahana ireo olana nitranga amin’ny tenany manokana.

Mampiseho ny antony ilana ireo lalana roa ireo ny zava-nitranga vao tsy ela tany Chili. Vao nandalovan’ny horohoron-tany mahatsiravina i Chili. Maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonantsika no rava trano, namoy ny fianakaviany. Maro no nanary toky. Vetivety—vokatry ny fiomanany dia nanampy tamin’ny loza nitranga ny Fiangonana—ka nandefa sakafo, trano lay ary fitaovana fanampiana hafa. Nandre ny feon’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fiangonany sy ny mpitarika ao aminy nanome ireo fanampiana ara-pitaovana ilaina ny Olomasina tao Chili. Kanefa, na dia nirindra toa inona aza ny fomba fiasan’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana dia tsy ampy izany. Nila nikatsaka ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka ny mpikambana tsirairay mba handraisany hafatra mivantana izay mitondra fampiononana sy fitarihana avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’ireo izay mikatsaka sy mihaino izany.

Ny asa fitoriantsika ny filazantsara dia ohatra hafa maneho ny antony ilana ireo lalana roa ireo. Ireo lehilahy sy vehivavy nantsoina hanompo hitory ny filazantsara dia mendrika sy manam-panirina vokatry ny fampianarana voarain’izy ireo avy tamin’ny alalan’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany izay voarainy avy amin’ny lalam-pifandraisan’ny tenany manokana. Nantsoina tamin’ny alalan’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana izy ireo. Avy eo, amin’ny maha-solontenan’ny Tompo azy ireo sy amin’ny maha eo ambanin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana azy ireo dia mampianatra ireo naman’ny Fiangonana izy. Mihaino ireo izay mikatsaka amin-kitsimpo ny fahamarinana ary mamporisika azy ireo ny mpitory ny filazantsara mba hivavaka hahafantaran’izy ireo ny fahamarinana mikasika ny hafatra ho an’ny tenany amin’ny alalan’ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana.

Ny ohatra farany izay maneho ny fisehon’ireo fitsipika mikasika ny fahefan’ny fisoronana ireo dia ny ao an-tokantrano sy ato am-piangonana.2 Miasa eo ambanin’ny fanalahidin’ny fisoronana mifanaraka amin’izany ny fahefan’ny fisoronana rehetra eto am-piangonana. Izany no lalam-pifandraisan’ny fisoronana. Kanefa kosa ny fahefana hiahy ny fianakaviana—na eo ambany fiahian’ny ray izany na reny tokantena—dia tsy mila ny fahazoan-dalana avy amin’ireo mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Izany dia toy ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana. Ireo lalana roa ireo dia tokony hanankery eo amin’ny fianakaviantsika sy ny fiainantsika manokana raha toa ka maniry ny hitombo sy hahatratra ny tanjona novolavolain’ny Raintsika any an-danitra ho an’ireo Zanany ao amin’ilay drafiny isika.

Mila mampiasa ireo lalana roa ireo isika dia ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana sy ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana, amin’ny fomba mifandanja tsara, mba hahatrarana ny fitomboana izay tanjona eto amin’ity fiainana mety maty ity. Raha toa ka miankin-doha be loatra amin’ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana ny fombafomba ara-pivavahana ataon’ny tena manokana dia manakona ny maha-zava-dehibe ny fahefan’Andriamanitra kosa ny fifantohana amin’ny tena ihany. Raha toa ka miankin-doha be loatra amin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana ny fombafomba ara-pivavahana ataon’ny tena manokana dia voatohitohina ny fivoaran’ny tsirairay. Mila ireo lalana roa ireo ny zanak’Andriamanitra mba hahatrarana ny tanjony mandrakizainy. Mampianatra azy roa ireo ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary manana azy roa ireo ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

Mijoro ho vavolombelona aho momba ny mpaminanin’Andriamanitra, ny Filoha Thomas S. Monson, izay mihazona ireo fanalahidy izay mitantana ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Tompo izay ity no fiangonany. Ary mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay azontsika tsirairay fantarina ny fahamarinany, amin’ny alalan’ilay lalam-pifandraisana sarobidy an’ny tena manokana mampifandray amin’ny Raintsika any an-danitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Tao amin’ny “Letter from Elder W. H. Kelley,” The Saints’ Herald, Mar. 1, 1882, 68. Nampiasain’i B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 1:131 koa ny tatitra mitovy amin’izany.

  2. Jereo Dallin H. Oaks, “Priesthood Authority in the Family and the Church,” Liahona, Nôv. 2005, 24–27.